Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpikambana Vaovao ao Amin’ny Fitambara-mpitantana

Mpikambana Vaovao ao Amin’ny Fitambara-mpitantana

Mpikambana Vaovao ao Amin’ny Fitambara-mpitantana

NY FIVORIANA fanaon’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania isan-taona, tamin’ny 2 Oktobra 1999, dia nifarana tamin’ny fampandrenesana iray tsy nampoizina. Ireo olona 10 594 nanatrika na nampifandraisina an-telefaonina dia nientam-po nandre fa nampiana mpikambana vaovao efatra ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Kristianina voahosotra avokoa ireo mpikambana vaovao ireo; ireto avy izany: Samuel F. Herd; M. Stephen Lett; Guy H. Pierce; sy David H. Splane.

• I Samuel Herd dia nanomboka ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny 1958, ary tao amin’ny asan’ny fizaran-tany sy ny distrika nanomboka tamin’ny 1965 ka hatramin’ny 1997. Anisan’ny fianakavian’ny Betela any Etazonia izy sy i Gloria vadiny taorian’izay, ka niasa tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana ny Rahalahy Herd. Nanampy ny Komitin’ny Fanompoana koa izy.

• I Stephen Lett dia nanomboka ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny Desambra 1966, ary nanompo tao amin’ny Betela any Etazonia nanomboka tamin’ny 1967 ka hatramin’ny 1971. Nanambady an’i Susan izy tamin’ny Oktobra 1971, ary niditra tao amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana manokana. Mpiandraikitra ny fizaran-tany izy nanomboka tamin’ny 1979 ka hatramin’ny 1998. Anisan’ny fianakavian’ny Betela any Etazonia izy sy i Susan nanomboka tamin’ny Aprily 1998. Tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana no niasany sady nanampy ny Komitin’ny Fampianarana.

• I Guy Pierce dia nitaiza zanaka ary nanomboka ny asan’ny mpisava lalana niaraka tamin’ny vadiny avy eo, tamin’ny Aprily 1982. Mpiandraikitra ny fizaran-tany izy nanomboka tamin’ny 1986 ka hatramin’ny 1997, taona nahatongavan’izy sy i Penny vadiny, ho anisan’ny fianakavian’ny Betela any Etazonia. Nanampy ny Komitin’ny Mpiasa ny Rahalahy Pierce.

• I David Splane dia nanomboka ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny Septambra 1963. Rehefa nahazo diplaoma tamin’ny kilasy faha-42-n’i Gileada izy, dia nanao ny asan’ny misionera tatsy Sénégal, Afrika, ary avy eo tao amin’ny asan’ny fizaran-tany, tany Kanada, nandritra ny 19 taona. Niasa tao amin’ny Betela any Etazonia izy sy i Linda vadiny nanomboka tamin’ny 1990, ka tao amin’ny sampan-draharahan’ny Fanompoana sy ny an’ny Fanoratana izy. Nanampy ny Komitin’ny Fanoratana izy nanomboka tamin’ny 1998.

Ankoatra an’ireo mpikambana vaovao efatra ireo, dia ireto avy no efa anisan’ny Fitambara-mpitantana ankehitriny: C. W. Barber, J. E. Barr, M. G. Henschel, G. Lösch, T. Jaracz, K. F. Klein, A. D. Schroeder, L. A. Swingle, sy D. Sydlik. Mivavaka isika rehetra mba hanohizan’i Jehovah hitahy sy hanatanjaka ny Fitambara-mpitantana, izay nitarina ankehitriny, eo am-panohizan’izy ireo miandraikitra ny asan’ny vahoakan’Andriamanitra maneran-tany sy mikarakara ny tombontsoa ara-panahin’io vahoaka io.