TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO | JOBA
“Tsy Hanaiky Hivadika Mihitsy Aho”
Nipetraka tamin’ny tany izy ary feno vay hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany. Tsy mba nisy olon-kafa teo fa izy irery. Nitanondrika izy ary na ny nandroaka ny lalitra nanidina teo akaikiny aza tsy vitany. Nipetraka teo ambony lavenona izy satria nisaona. Nokikisany tamin’ny vakim-bilany tanimanga ny fery teo amin’ny hodiny fa izay sisa no azony natao. Lehilahy mamy hoditra izy taloha fa izao anefa izy maharikoriko ny olona. Tsy nisy niraharaha azy na ny namany, na ny havany, na ny mpiara-monina aminy. Nanesoeso azy daholo ny olona, na dia ny ankizy aza. Nieritreritra izy hoe lasa ratsy fanahy taminy i Jehovah Andriamaniny. Diso hevitra anefa izy.—Joba 2:8; 19:18, 22.
I Joba io lehilahy io. Hoy Andriamanitra momba azy: “Tsy misy tahaka azy eny ambonin’ny tany.” (Joba 1:8) Mbola noheverin’i Jehovah hoe anisan’ny olo-marina niavaka indrindra teto an-tany i Joba, na dia taonjato maro tatỳ aoriana aza.—Ezekiela 14:14, 20.
Miatrika olana lehibe ve ianao izao sa misy zavatra mampahory anao? Tena afaka mampahery anao ny tantaran’i Joba. Afaka manampy anao koa izy io mba hahatakatra tsara momba ny toetra iray mila ananan’ny mpanompon’Andriamanitra rehetra. Tsy inona izany fa ny tsy fivadihana. Tsy mivadika amin’Andriamanitra ny olona iray rehefa mifikitra mafy aminy, ka mbola manao ny sitrapony foana na dia miatrika zava-tsarotra aza. Andao hojerentsika misimisy kokoa ny tantaran’i Joba mba hahitantsika an’izany.
Ny zavatra tsy fantatr’i Joba
Toa i Mosesy no nanoratra ny tantaran’i Joba, taoriana kelin’ny nahafatesany. Nampian’ny fanahin’Andriamanitra izy ka vitany ny nitantara ny zavatra niainan’i Joba sy ny zavatra sasany nitranga tany an-danitra tamin’izany fotoana izany.
Noresahin’i Mosesy teo am-piandohan’ny fitantarany fa nilamina be ny fiainan’i Joba. Nanan-karena sy nalaza ary nohajain’ny olona tany Oza izy. Mety ho tany amin’ny faritra avaratr’i Arabia no nisy azy io. Nalala-tanana tamin’ny mahantra i Joba, ary nanohana sy niaro ny olona tsy nisy mpiahy. Nanan-janaka folo izy, ary ny tena zava-dehibe dia hoe nifandray tsara tamin’i Jehovah izy. Niezaka foana izy nanao izay hampifaly azy, hoatran’ny nataon’i Abrahama, Isaka, Jakoba, ary Josefa. Nanao hoatr’azy ireo i Joba, ka nanao ny asan’ny mpisorona ho an’ny fianakaviany. Nanolotra fanatitra ho an’Andriamanitra foana izy satria mety ho nanota ny zanany.—Joba 1:1-5; 31:16-22.
Zava-nitranga tany an-danitra indray avy eo no noresahin’i Mosesy, ary tsy nahafantatra an’ilay izy i Joba. Nivory teo anatrehan’Andriamanitra daholo ny anjely tsy mivadika, tamin’izay. Niditra avy eo i Satana, ilay anjely mpikomy. Fantatr’i Jehovah fa nankahala an’i Joba i Satana satria olo-marina izy. Niresaka tamin’i Satana àry i Jehovah hoe tena miavaka i Joba satria tsy mivadika aminy. Sahin’i Satana ny niteny hoe: “Hatahotra an’Andriamanitra ve i Joba raha tsy misy tombontsoany ao? Tsy ianao ve no niaro azy sy ny tranony ary ny fananany rehetra?” Halan’i Satana ny olona tsy mivadika amin’Andriamanitra. Rehefa mifikitra mafy amin’i Jehovah mantsy ny olona iray, dia manaporofo izany hoe mpamadika i Satana sady tsy tia an’iza na iza. Nanizingizina àry i Satana fa fitiavan-tena fotsiny no nanompoan’i Joba an’Andriamanitra. Nilaza koa izy hoe hanozona an’i Jehovah eo imasony i Joba raha tsy manana na inona na inona intsony.—Joba 1:6-11.
Tsy fantatr’i Joba hoe nomen’i Jehovah tombontsoa lehibe izy. Navelany hanaporofo mantsy izy fa diso ny tenin’i Satana. Navelan’Andriamanitra halain’i Satana daholo izay rehetra nananan’i Joba saingy tsy navelany hanisy ratsy azy izy. Maika erỳ àry i Satana hanatanteraka ny teti-dratsiny. Nisesisesy ny loza nanjo an’i Joba tao anatin’ny iray andro monja. Ripaka tampoka ny biby fiompiny rehetra: Ny ombiny sy ny ampondrany aloha, dia avy eo ny ondriny, ary avy eo ny ramevany. Na ny mpanompony niandry an’ireo biby ireo aza maty koa. Nisy niteny tamin’i Joba hoe nisy “afon’Andriamanitra” (mety hoe varatra) nilatsaka, ka namono ny mpanompon’i Joba sasany niaraka tamin’ny biby. Tsy vitan’ny hoe be dia be ny mpanompony maty fa lasa nahantra kely koa izy. Mbola tsy takatr’i Joba akory anefa ny zava-nitranga, dia efa nisy zavatra hafa indray ary izay no tena nangidy taminy. Niaraka tao an-tranon’ny zanany lahimatoa ny zanany rehetra, ary nisy rivotra mahery nandrava an’ilay trano. Maty tao daholo izy folo mianadahy.—Joba 1:12-19.
Tena sarotra ny maka sary an-tsaina an’izay tsapan’i Joba, ary mety tsy ho vitantsika mihitsy aza izany. Norovitin’i Joba ny akanjony, nohetezany ny volony, ary nianjera tamin’ny tany izy. Nieritreritra i Joba hoe Andriamanitra no nanome azy an’izay nananany, dia izy koa no naka an’izany. Fetsy i Satana ka nataony hoatran’ny hoe avy amin’Andriamanitra ny loza nanjo an’i Joba. Tsy nanozona an’Andriamanitra, araka ilay tenin’i Satana, anefa i Joba. Hoy kosa izy: “Hisaorana hatrany anie ny anaran’i Jehovah!”—Joba 1:20-22.
‘Hanozona anao izy’
Romotra be i Satana ary mbola tsy kivy. Tonga teo anatrehan’i Jehovah indray izy rehefa nivory ny anjely. Mbola nidera an’i Joba indray i Jehovah satria tsy nivadika izy na dia nanafika azy aza i Satana. Namaly azy i Satana hoe: “Hoditra solon’ny hoditra, ary izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy. Fa ahinjiro kosa ny tananao, azafady, ary kasiho hatramin’ny taolany sy ny nofony, dia jereo raha tsy hanozona anao eo imasonao izy.” Nino i Satana hoe hanozona an’Andriamanitra i Joba raha marary mafy. Natoky anefa i Jehovah hoe tsy hivadika aminy i Joba, ka navelany hamely an’i Joba tamin’ny aretina i Satana, saingy tsy navelany hamono azy.—Joba 2:1-6.
Tsy ela taorian’izay i Joba dia narary be, hoatran’ilay voalaza tao amin’ny fehintsoratra voalohany. Fa mba alao sary an-tsaina ange ny nahazo ny vadin’i Joba e! Efa mafy taminy aloha ilay hoe namoy zanaka folo. Izao indray ny vadiny mijalijaly, nefa tsy hitany izay atao. Nangidy taminy izany ka niteny mafy an’i Joba izy hoe: “Mbola tsy mivadika amin’Andriamanitra ihany ve ianao? Manozòna an’Andriamanitra, dia aoka ianao ho faty!” Tsy hoatran’izany mihitsy no nahalalan’i Joba ny vadiny. Izany no nahatonga an’i Joba hilaza hoe hoatran’ny tenin’ny vehivavy tsy misaina ny teniny. Mbola tsy nety nanozona an’Andriamanitra ihany anefa i Joba. Tsy nanota izy tamin’izay zavatra nolazainy.—Joba 2:7-10.
Fantatrao ve fa mahakasika anao koa io tantara tena nisy io? Tsy i Joba ihany mantsy no nampangain’i Satana fa ny olona rehetra koa. Hoy izy: “Izay rehetra ananan’ny olona dia homeny hiarovana ny ainy.” Raha tsorina dia hoe mino i Satana fa tsy ho vitantsika ny hoe tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy. Milaza foana izy hoe tsy tena tia an’Andriamanitra ianao. Tonga dia hivadika aminy, hono, ianao mba hamonjenao ny ainao. Te hilaza i Satana hoe tia tena hoatr’azy ianao! Tianao hoporofoina àry ve hoe diso izy? Afaka manao an’izany daholo isika rehetra. (Ohabolana 27:11) Andao hojerentsika izao hoe inona indray ny olana hafa natrehin’i Joba.
Mpampionona tsy nahay nampahery
Resahin’ny Baiboly fa nanana namana na olom-pantatra telo i Joba. Henon’izy ireo ny nahazo an’i Joba ka nanao dia lavitra izy ireo mba hitsidika sy hampionona azy. Tazan’izy ireo lavitra i Joba, kanefa tsy fantatr’izy ireo intsony izy. Feno fery mantsy ny vatany ary lasa nivalomainty ny hodiny noho ny aretina nahazo azy. Tsy nitovy tamin’ny paoziny taloha mihitsy izao ny paoziny. Mody nanao hoatran’ny hoe nalahelo be an’i Joba i Elifaza sy Bildada ary Zofara, naman’i Joba. Nidradradradra nitomany izy telo lahy sady nanipy vovoka teo amin’ny lohan’izy ireo. Nipetraka tamin’ny tany teo akaikin’i Joba izy ireo avy eo ary tsy niteny tsy nivolana. Nanao an’izany izy ireo nandritra ny herinandro manontolo, na andro na alina. Tsy nampionona an’i Joba anefa izy ireo na dia nangina tsy niteny aza. Tsy mba nanontany azy akory mantsy izy ireo. Ny fantany fotsiny dia hoe nijalijaly i Joba.—Joba 2:11-13; 30:30.
Tsy maintsy nanomboka niresaka tamin’izy ireo ihany àry i Joba. Nanozona ny andro nahaterahany izy mba hampisehoana hoe tena nijaly be. Noresahiny avy eo hoe inona no anisan’ny tena nampijaly azy. Nieritreritra izy hoe Andriamanitra no nahatonga ny olana nahazo azy! (Joba 3:1, 2, 23) Tena nila olona hampionona azy i Joba na dia lehilahy nanam-pinoana aza. Rehefa nanomboka nampionona azy anefa ireo olom-pantany ireo, dia tsapany hoe naleo ihany izy ireo nangina.—Joba 13:5.
I Elifaza no niteny voalohany. Izy angamba no zokiny indrindra tamin’izy telo lahy ary mbola zokin’i Joba koa izy. Niteny koa avy eo izy roa lahy. Toa nanaraka ambokony an’izay nolazain’i Elifaza fotsiny anefa izy ireo. Mety ho hoatran’ny hoe tsy nampaninona ny teny sasany nolazain’ireo lehilahy ireo. Namerina ny zavatra lazain’ny olona matetika momba an’Andriamanitra fotsiny mantsy izy ireo ary hoatran’ny hoe marina ny teniny. Anisan’izany ny hoe mendrika ny hohajaina Andriamanitra, manasazy an’izay manao ratsy izy, ary mamaly soa an’izay manao ny tsara. Vao nanomboka niteny anefa izy ireo dia hita hoe tsy tena tsara fanahy tamin’i Joba. Nilaza zavatra hoatran’ny hoe mitombina i Elifaza. Ny tiany holazaina anefa dia hoe raha tsara fanahy Andriamanitra ary manasazy ny mpanao ratsy izy, dia maninona i Joba no iharan’ny loza? Tsy maintsy hoe nanao ratsy, hono, i Joba matoa misy loza manjo azy.—Joba 4:1, 7, 8; 5:3-6.
Tsy mahagaga raha tsy neken’i Joba ny tenin’izy ireo. Nolaviny an-kitsirano ilay izy. (Joba 6:25) Vao mainka anefa ireo mpampionona an’i Joba telo lahy resy lahatra hoe nanao zava-dratsy i Joba ary niezaka nanafina an’izany. Niaiky izy ireo hoe mendrika an’i Joba ihany ny fahoriana rehetra manjo azy. (Joba 15:4, 7-9, 20-24; 22:6-11) Nilaza i Zofara hoe tsy tokony ho faly hanao ratsy intsony i Joba. (Joba 11:2, 3, 14; 20:5, 12, 13) Mbola ratsy noho izany aza ny zavatra nolazain’i Bildada. Tsy maintsy hoe nanota, hono, ny zanak’i Joba ka mendrika ny ho faty.—Joba 8:4, 13.
Ilaina ve ny tsy mivadika?
Mbola nilaza zavatra ratsy lavitra noho izany aza ireo mpampionona telo ireo. Tsy hoe niteny tamin’i Joba fotsiny izy ireo hoe tsy nifikitra mafy tamin’Andriamanitra izy, fa mbola nilaza koa hoe tsy misy dikany ny miezaka ny tsy hivadika amin’Andriamanitra. Noresahin’i Elifaza, tamin’izy nanomboka niteny, hoe nisy fanahy hafahafa nihaona taminy. Ratsy be ny hevitra notsoahiny tamin’izay. Izao ilay izy: ‘Tsy matoky ny mpanompony’ Andriamanitra, “ary ny anjeliny koa ampangainy ho misy tsininy.” Toa te hilaza izany hoe tsy ho vitan’ny olombelona mihitsy ny hampifaly an’Andriamanitra. Nilaza i Bildada taorian’izay hoe tsy raharahain’Andriamanitra i Joba na dia tsy mivadika aminy aza, hoatran’ny ataony amin’ny olitra ihany.—Joba 4:12-18; 15:15; 22:2, 3; 25:4-6.
Efa niezaka nampahery olona mijaly be ve ianao? Tsy mora ny manao an’ilay izy. Fantatsika tsara avy amin’ny zavatra notenenin’ireo olom-pantatr’i Joba telo lahy anefa hoe inona no tsy tokony hotenenina. Be dia be ny zavatra nolazain’izy ireo sady hoatran’ny hoe mitombina ilay izy. Tsy mba nangoraka an’i Joba mihitsy anefa ry zareo sady tsy mba niantso azy tamin’ny anarany akory! Tsy noraharahainy hoe nahavaky fo an’i Joba ny olana nahazo azy, ary tsy mba tsara fanahy taminy izy ireo. * Raha malahelo àry ny olona iray akaiky anao dia miezaha ho be fitiavana sy ho tsara fanahy aminy. Miezaha koa hanampy azy hanana finoana matanjaka ary ampaherezo izy. Ampio izy hatoky an’Andriamanitra ary hino fa tena tsara fanahy izy, mamindra fo, ary manao ny rariny. Azo antoka hoe izany no nataon’i Joba raha izy no teo amin’ny toeran’ireo namany ireo. (Joba 16:4, 5) Inona no navalin’i Joba rehefa nanakiana ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra foana ireo namany?
Tsy nilavo lefona i Joba
Efa kivy be i Joba tamin’izy telo lahy nanomboka niresaka taminy. Efa hatramin’ny voalohany izy no nilaza hoe “nirediredy” indraindray, ary “rediredin’olona mamoy fo” ilay izy. (Joba 6:3, 26) Tsy mahagaga antsika izany satria tena nahavaky fo azy ny olana nahazo azy. Tsy tena azony koa ny antony nahatonga azy hijaly be. Tampoka be ny loza nahazo azy sy ny fianakaviany sady hoatran’ny hoe nisy hery hafahafa nahatonga an’ilay izy. Nieritreritra àry i Joba hoe i Jehovah no tao ambadik’ilay izy. Nisy zava-nitranga lehibe tsy fantatr’i Joba mihitsy anefa, dia izay no nahatonga azy hanatsoaka an’izany hevi-diso izany.
Na izany aza, dia tena nanam-pinoana i Joba. Hita tamin’ny teniny izany tamin’izy niady hevitra ela be tamin’ireo namany telo lahy. Tena tsara sy mitombina ary mampahery antsika amin’izao ny zavatra nolazainy. Niresaka momba ny hakanton’ny zavaboary izy. Zavatra mety tsy ho fantatsika mihitsy ilay izy raha tsy nampahafantarin’Andriamanitra azy. Nilaza, ohatra, i Joba hoe ahanton’i Jehovah “eo amin’ny tsy misy ny tany.” Efa an-jatony taona tatỳ aoriana izany vao fantatry ny mpahay siansa. * (Joba 26:7) Niresaka ny fanantenany amin’ny hoavy koa izy. Nanana an’io fanantenana noresahiny io ny olona maro tsy nivadika talohany. Nino i Joba hoe raha maty izy, dia halahelo azy Andriamanitra, hahatsiaro azy, ary hanangana azy amin’ny maty.—Joba 14:13-15; Hebreo 11:17-19, 35.
Ary ahoana ilay resaka tsy fivadihana? Nilaza foana i Elifaza sy ny namany roa lahy hoe tsy raharahain’Andriamanitra na dia tsy mivadika aminy aza isika. Nanaiky an’izany ve i Joba? Sanatria! Nilaza i Joba hoe tena zava-dehibe amin’Andriamanitra ny tsy fivadihantsika aminy. Hoy izy momba an’i Jehovah: ‘Ho fantany fa tsy mivadika aho.’ (Joba 31:6) Azon’i Joba koa hoe nanakiana ny tsy fivadihany ny hevitra noresahin’ireo mpampionona sandoka ireo. Tamin’izay àry izy no niteny ela indrindra. Tsy nahateny intsony izy telo lahy taorian’izay.
Takatr’i Joba hoe tokony ho hita eo amin’ny fiainan’ny olona iray isan’andro ny tsy fivadihany. Nohazavainy àry hoe niezaka tsy nivadika mihitsy izy tamin’izay rehetra nataony. Tsy nanompo sampy mihitsy, ohatra, izy na inona izany na inona. Tsara fanahy sy nanaja ny hafa koa izy, tia ny vadiny, ary tsara fitondran-tena. Ny tena zava-dehibe dia hoe i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ihany no notompoiny. Afaka niteny àry i Joba hoe: “Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho, mandra-pahatapitry ny aiko.”—Joba 27:5; 31:1, 2, 9-11, 16-18, 26-28.
Tahafo ny finoan’i Joba
Zava-dehibe aminao koa ve ny hoe tsy mivadika? Mora tenenina izany. Hitan’i Joba anefa fa tsy ampy fotsiny ny miteny hoe tsy mivadika fa mila aseho amin’ny atao ilay izy. Mifikitra mafy amin’Andriamanitra isika raha mankatò azy isan’andro sady miezaka manao ny tsara foana na dia miatrika olana aza. Hampifaly an’i Jehovah isika raha manao an’izany fa hampahatezitra an’i Satana kosa, hoatran’ny nataon’i Joba. Amin’izay ihany isika vao manahaka ny finoan’i Joba!
Mbola tsy tapitra eo akory ny tantaran’i Joba. Nisy fotoana izy nanadino hoe inona no tena zava-dehibe. Variana loatra nanaporofo i Joba hoe olo-marina izy, ka lasa hadinony ny niaro ny lazan’Andriamanitra. Nila fanitsiana izy ary nila nampiana hanana ny fomba fihevitr’Andriamanitra. Mbola tena nijaly sy nalahelo be anefa izy tamin’izay ary tena nila fampiononana. Inona àry no hataon’i Jehovah mba hanampiana an’io lehilahy manam-pinoana sy tsy mivadika io? Hamaly an’izany ny lahatsoratra iray hafa amin’ity andian-dahatsoratra ity.
^ feh. 17 Mahagaga fa nieritreritra i Elifaza sy ny namany hoe tsara fanahy ry zareo rehefa niresaka tamin’i Joba. Mety hoe niteny moramora mantsy ry zareo. (Joba 15:11) Mety handratra fo anefa na dia ny teny lazaina moramora aza.
^ feh. 19 Teo amin’ny 3 000 taona teo ho eo tatỳ aoriana vao nanomboka nanaiky ny mpahay siansa hoe tsy mila zavatra hihazona azy ny tany. Nisy sary nalaina teny ambony tsy taka-maso teny, tatỳ aoriana, ary nanaporofo izy ireny hoe marina ny tenin’i Joba.