Hijery ny anatiny

23 APRILY 2020
ETAZONIA

Rambondanitra 100 Mahery no Mamely ny Faritra Atsimoatsinanan’i Etazonia

Rambondanitra 100 Mahery no Mamely ny Faritra Atsimoatsinanan’i Etazonia

Rambondanitra 100 mahery no namely ny faritra atsimoatsinanan’i Etazonia tamin’ny 12 sy 13 Aprily 2020. Nilaza ny sampana mpamantatra toetrandro fa nirefy telo kilaometatra mahery ny iray amin’izy ireo ka io no lehibe indrindra hatramin’izay.

Niantso ny mpiandraikitra ny faritra any amin’io faritra io avy hatrany ny sampana mba hamantarana hoe manao ahoana ny mpiara-manompo any. Tsy nisy matin’ilay andro ratsy izy ireo fa anabavy iray no naratra kely rehefa nosimban’ny rivo-doza ny tranony. Mpitory 63 no nafindra toerana, tamin’ny fitambarany, trano 12 no rava, ary 58 no simba. Efitrano Fanjakana dimy koa no nisy simba kely ary iray no simba be rehefa nianjeran’ny hazo.

Mbola mamantatra ny zava-misy ny anti-panahy sy mpiandraikitra ny faritra any. Mikarakara an’izay tena ilain’ny rahalahy sy anabavy izy ireo sady mampahery azy ireo amin’ny alalan’ny Baiboly. Tena ilain’izy ireo izany, indrindra fa ireo namoy fananana.—Isaia 40:1.