11 JOLAY 2019
GRESY
Atena, Gresy: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!
Daty: 5-7 Jolay 2019
Toerana: Kianja Olympikan’i Atena any Atena, any Gresy
Fiteny: Albaney, anglisy, grika, rômania (Gresy atsimo), rosianina, tenin’ny tanana grika
Tampon’isan’ny mpanatrika: 36873
Tontalin’ny natao batisa: 406
Solontena avy any ivelany: 6000
Sampana nasaina: Albania, Amerika Afovoany, Aostralazia, Armenia, Boligaria, Eoropa Afovoany, Etazonia, Fidji, Japon, Kirghizistan, Macédoine Avaratra, Torkia
Fitantarana: Hoy ny olona iray miasa ao amin’ny toerana mpikarakara dia lavitra: “Efa mpikarakara dia lavitra foana no asako hatramin’izay. Milamina be ny fikarakaranareo ny mpanao dia lavitra, ary mbola tsy nahita hoatr’izao mihitsy aho na taiza na taiza. Gaga be mihitsy aho nahita ny fomba fiasanareo omaly! Ao anatin’ny ora vitsivitsy fotsiny dia olona 2600 no nalaminareo, sady tsara kokoa noho izay mety ho nataon’ny olona efa matihanina ny nanaovanareo azy. Fa ny tsara indrindra, ilay ianareo mitsiky. Efa an-taonany maro aho no nanao an’ity asako ity, dia haiko tsara ny manavaka hoe tena avy amin’ny fony ve ny tsikin’ny olona iray sa amboamboarina. Ianareo rehetra anefa tena nitsiky tamin’ny fonareo.”
Ny sasany amin’ireo mpiasa an-tsitrapo 4000 mahery nikarakara an’ilay kianja hanaovana fivoriambe
Ankizy miarahaba tonga soa an’ireo vahiny tonga any Gresy
Ny iray amin’ireo 406 natao batisa
Anabavy eo amin’ny toeran’ireo mampiasa ny teny rômania. Io no fivoriambe iraisam-pirenena voalohany natao tany Gresy, izay nisy tamin’ny fiteny rômania
Miara-mitory ny vahiny sy ny mpitory eo an-toerana
Vahiny mitsidika toerana ahitana sisan-javatra amin’ny tanàna grika fahiny
Lalaovina an-tsehatra ny fanompoan’ny apostoly Paoly tany Gresy, mandritra ny korana takariva
Aseho an’ireo vahiny ilay dihy malaza atao hoe Syrtaki
Anabavy mitendry bouzouki, zavamaneno grika nentim-paharazana
Vahiny mianatra voambolana grika
Manao ny lahateny famaranana ny alahady ny Rahalahy David Splane, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, ary nadika tamin’ny teny grika ilay izy
Manofahofa tanana manao veloma ny mpanatrika ny mpanompo manontolo andro manokana, amin’ny andro farany amin’ilay fivoriambe