Hijery ny anatiny

Efa an-tapitrisany ny olona nandositra an’i Ukraine tamin’ny volana lasa teo, anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah 16 000 mahery

31 MARTSA 2022
VAOVAO IRAISAM-PIRENENA

Mpitsoa-ponenana Iokrenianina: Mitantara Izy Ireo hoe Nandao ny Zava-drehetra ry Zareo

“Ny Fifandraisanao Amin’i Jehovah Ihany no Zavatra Sarobidy Indrindra”

Mpitsoa-ponenana Iokrenianina: Mitantara Izy Ireo hoe Nandao ny Zava-drehetra ry Zareo

Taitra tamin’ny dimy maraina ny Rahalahy Femi Durodola sy Yana vadiny fa nisy anti-panahy niantso an-dry zareo tamin’izay. Hozy i Yana: “Izao no nolazain’ilay anti-panahy: ‘Aza matahotra fa manaova vonona fotsiny. Tonga eto Kiev ny tafika rosianina.’” Hoy ihany i Yana: “Natahotra be aho vao naheno an’izany.”

Mpivady vao i Femi sy Yana. Avy any Nizeria i Femi fa i Yana avy ao Ukraine ihany. Niomana ry zareo dia nanamboatra kafe. Io angamba no kafe farany hosotroin-dry zareo ao an-tranony. Dia nanao teny vakina ry zareo. Izao ilay andinin-teny ho an’ny andro: “Hatanjaka ianareo raha tony foana sy feno toky.” (Isaia 30:15) Nivavaka mafy tamin’i Jehovah i Femi, dia avy eo noraisin-dry zareo ny kitapo efa misy an’izay ilainy dia lasa nandositra tany Holandy ry zareo. Nilaozan-dry zareo ny fananany rehetra.

Izany no zavatra niainan’ny rahalahy sy anabavy izay nanapa-kevitra hoe hiala any Ukraine hatramin’ny nanafihan’i Rosia an’i Ukraine tamin’ny 24 Febroary 2022. Misy Vavolombelon’i Jehovah 130 000 eo ho eo any Ukraine. Hatreto dia Vavolombelon’i Jehovah 36 000 mahery no nanapa-kevitra ny handao ny tranony ary 16 000 mahery tamin’izy ireo no nandositra any amin’ny firenen-kafa. Be dia be no nandao ny tranony, ny asany, ary ny fiangonany. Tsy navela niala tany Ukraine ny lehilahy eo anelanelan’ny 18 hatramin’ny 60 taona, nandritra an’ilay ady. Afaka niala tany Ukraine anefa izay lehilahy tsy teratany iokrenianina.

Zavatra kely ihany no mba azon’izy ireo nentina rehefa nitsoaka. Lamasinina na bisy no nandehanan-dry zareo. Indraindray aza tsy fantatr’izy ireo akory hoe ho aiza izy ireo fa dia mandeha fotsiny. Nanana hery handaozana ny tanànany efa rotidrotiky ny ady ry zareo satria matoky an’i Jehovah. Tsy fantany akory raha mbola ho tafaverina ry zareo sa tsia.

Hozy i Yana: “Tsy nahatondra afa-tsy zavatra kely izahay, fa nilaozanay daholo ny zava-drehetra. Hita amin’izao zavatra iainanay izao fa ny fifandraisanao amin’i Jehovah ihany no zavatra sarobidy indrindra.”

Henon’ny Anabavy Lilia Antoniuk avy eo an-tranony hoe izany misy raoplanina mandefa fanairana, dia henony koa avy eo hoe izany misy baomba mipoaka. Be dia be ny aotomobilina kila forehitra, dia trano sy tetezana ravarava sy potipotika. Feno an’ireny eraky ny arabe.

Nanapa-kevitra i Lilia sy Oleksandra, zanany vavy 17 taona, hoe hiala any Ukraine. Nandeha lamasinina feno hipoka ho any Polonina ry zareo, nandritra ny andro maromaro. Kely ny sakafo nentin-dry zareo, dia ry zareo koa tsy maintsy nitsangana ora maromaro nandritra an’ilay dia. Tsy dia nitebiteby firy intsony izy mianaka rehefa tonga tany Przemyśl, any Polonina.

Hozy i Lilia hoe: “Vao nahita ny mpiara-manompo niaraka tamin’ilay soratra hoe ‘JW.ORG’ izahay dia tonga dia tsy nitaintaina intsony.” Nentina tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy mianaka mba hafana tsara sy homena sakafo ary haka aina kely. Taoriana kelin’izay dia nentina tany amin’ny tranona mpiara-manompo ry zareo dia tany no nipetraka.

Nifindra tany Alemaina ry zareo tatỳ aoriana. Hoy ihany i Lilia hoe: “Tsapanay hoe nokarakarain’i Jehovah izahay dia nanatanjaka ny finoanay izany. Tena misaotra an’i Jehovah aho fa tia be anay izy sady nanome mpiara-manompo vonona hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.”

Anastasiia Kovalyova

Notantarain’ny Anabavy Anastasiia Kovalyova hoe hoatran’ny ahoana no nanafihan’ny tafika rosianina an’i Zaporizhzhia tanànany avy teny amin’ny habakabaka teny. Hoy izy hoe hitany mihitsy ilay baomba mazava be avy amin’ny tafondro iny, dia henony avy eo amin’ny efitranony ny nipoahan’ilay izy. Tsy nijanona mihitsy ny zera baomba, dia tsy zakan’ny zanak’anadahin’i Anastasiia. Lahikely fito taona ny iray, dia ny iray vavikely telo taona. Nanapa-kevitra ny handeha àry izy ireo. Hoy i Anastasiia hoe: “Tsy nahatondra zavatra firy izahay, dia tsy ampy ny akanjonay sy ny zavatra sasany. Nikarakara an’izay rehetra nilainay anefa ny mpiara-manompo, dia nahazo an’izay rehetra nilainay izahay ary mihoatra noho izany aza.” Nitsoaka tany Alemaina i Anastasiia sy Anya zaobaviny ary ny ankizy, rehefa avy tany Polonina.

Anastasiia Shchukina sy Olha Lysenko mamany

Kely ny tranon’ny Anabavy Anastasiia Shchukina sy Olha Lysenko mamany fa nisy lakaly azo niafenana. Niafina tao amin’ilay lakaly ry zareo isaky ny nisy fanairana hoe hisy baomba hianjera. Nangatsiaka be anefa tao. Hanitatra faritany no nahatongavan’izy mianaka tao Brailiv, any amin’ny Faritr’i Vinnytsia. Nisalasala ry zareo hoe handeha sa tsia. Nanapa-kevitra ihany anefa ry zareo tamin’ny farany rehefa tena nampidi-doza ny toe-javatra. Izay nilain-dry zareo ihany no nentiny, dia nandeha lamasinina roa andro ry zareo. Zara raha natory ry zareo. Tsy mora ho an’i Olha ilay nitsoaka satria efa 58 taona izy ary tsy dia salama. Tonga tany Rzeszów, any Polonina, ry zareo tamin’ny roa maraina. Nisy rahalahy sy anabavy be dia be nitsena an-dry zareo. Hoy i Anastasiia hoe: “Tena faly izahay hoe efa alina be ny andro nefa mbola niandry anay teo ry zareo. Tena nankasitraka an’i Jehovah sy ny mpiara-manompo izahay.”

Elizabeth sy Andrzej Chyba

Niafina niaraka tamin’ny mpiara-manompo dimy tao amin’ny lakalin’ny tranon’ny rahalahy iray tao amin’ny tanànan’i Sumy, ny Rahalahy Andrzej Chyba sy Elizabeth vadiny. Avy any Polonina i Andrzej fa i Elizabeth indray avy any Grande-Bretagne. Henon-dry zareo avy ao amin’ny lakaly ny feon’ny tifitifitra sy ny baomba mianjera ary ny fiaramanidina mpiady misidintsidina eo ambonin’ny trano. Nijery an’ilay video hoe “Jehovah ô! ... Ianao no Itokisako” izy ireo mba hampahery an-dry zareo. Mitantara ny nanafihan’ny tafika asyrianina an’i Jerosalema tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka io video io.

Hoy i Andrzej hoe: “Nandefa hevitra mampahery be dia be avy ao amin’ny Baiboly ny mpiara-manompo. Nampirisika anay hamaky ny Salamo 27 koa ry zareo.” Efa any Polonina izao izy mivady.

Matoky isika hoe hitahy an’ireo rahalahintsika ireo i Jehovah. ‘Nahafoy ny zava-drehetra’ mantsy izy ireo, sady miandrandra an’ilay hoe tsy hisy ady intsony amin’ny hoavy.​—Filipianina 3:8.