Hijery ny anatiny

Avy any ankavia miankavanana: Rahalahy Aleksey Oreshkov sy Aleksandr Rakovskiy ary Aleksandr Vavilov

2 JOLAY 2021
ROSIA

Ny Vavaka sy ny Faminaniana Tanteraka no Nanampy Rahalahy Telo Hiaritra Rehefa Nenjehina

Ny Vavaka sy ny Faminaniana Tanteraka no Nanampy Rahalahy Telo Hiaritra Rehefa Nenjehina

VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fampakarana Fitsarana Ambony

Nolavin’ny Fitsaram-paritr’i Nizhny Novgorod ny fangatahana hampakatra fitsarana nataon’ny Rahalahy Aleksey Oreshkov sy Aleksandr Rakovskiy ary Aleksandr Vavilov, tamin’ny 14 Janoary 2022. Tsy migadra ry zareo amin’izao.

Nomelohin’ny fitsarana any Pavlovo, any amin’ny Faritr’i Nizhny Novgorod ny Rahalahy Oreshkov sy Rakovskiy ary Vavilov, tamin’ny 25 Oktobra 2021. Samy nomena sazy mihantona telo taona daholo ry zareo.

Ilay voampanga

Aleksey Oreshkov

  • Teraka: 1971 (tany Pavlovo, Faritr’i Nizhny Novgorod)

  • Mombamomba azy: Tia nilalao pingipongy, tamin’izy mbola kely. Nahazo diplaoma tany amin’ny Oniversite fianarana mozika ka voaofana amin’ny resaka zavamaneno tsofina. Efa misotro ronono. Nikarakara ny reniny efa be taona nandritra ny taona maro. Natao batisa tamin’ny 2011 ka lasa Vavolombelon’i Jehovah

Aleksandr Rakovskiy

  • Teraka: 1980 (tany Pavlovo, Faritr’i Nizhny Novgorod)

  • Mombamomba azy: Tia nitendry gitara izy tamin’izy mbola tanora, dia niara-nitendry tamin’ny antoko mpitendry mozika. Matihanina amin’ny resaka teknolojia momba ny Internet. Nanambady an’i Tatyana tamin’ny 2005. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa nahafantatra ny zavatra ampanantenain’ny Baiboly amin’ny hoavy. Natao batisa tamin’ny 2009. Manan-janaka lahitokana sy vavitokana

Aleksandr Vavilov

  • Teraka: 1967 (tany Kropotkin, Faritr’i Krasnodar)

  • Mombamomba azy: Tia mihazakazaka dia milomano, manao korisa amin’ny ranomandry, ary manao sary hoso-doko. Niasa tao amin’ny tafika. Nampiofanina ho lasa mpanao ady totohondry matihanina. Tsy nanao fanatanjahan-tena misy herisetra intsony anefa izy tatỳ aoriana, fa lasa mpanety. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy sy Yelena vadiny. Nivady ry zareo tamin’ny 1994 dia niara-natao batisa tamin’ny 1995. Tia mandehandeha ry zareo

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanao savahao tranona Vavolombelon’i Jehovah maromaro tany amin’ny Faritr’i Nizhny Novgorod ny polisy tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB), tamin’ny 16 sy 17 Jolay 2019. Natao famotorana àry i Aleksey Oreshkov sy Aleksandr Vavilov, dia avy eo notanana am-ponja vonjimaika. Nigadra nandritra 211 andro i Aleksey, dia avy eo koa mbola nambenana tany an-trano 31 andro. I Aleksandr koa notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny 241 andro.

Tamin’izy notanana am-ponja vonjimaika i Aleksey no nivavaka matetika sy lalina kokoa noho ny hatramin’izay. Vao mifoha izy isa-maraina dia mivavaka mba tsy ho kivy amin’izay fitsapana amin’iny andro iny, dia mba hahavita tsy hivadika. Mivavaka koa izy mba hieritreritra an’i Jehovah sy ny Teniny foana. Hoy koa izy: “Mbola ela kokoa sy lalina kokoa aza ny vavaka nataoko tamin’ny hariva. Nivavaka ho an’ny mpiara-manompo mantsy aho, sady notononiko tamin’ny anarany daholo izy tsirairay. Nivavaka ho an’ny mpiasan’ny fonja aho, ny mpiara-migadra tamiko, ilay mpanao famotorana, ny fianakaviako, ny fiangonana, ary ny fandaminana.”

Hoy i Aleksandr Vavilov: “Vao mainka lasa akaiky be an’ahy i Jehovah. Hoatran’ny ataon’ny mpiandry ondry mitrotro ny ondrikeliny, dia tena hoatr’izany mihitsy no tsapako ataony amiko. Tsy hoe tantanany fotsiny aho, fa tena trotroiny mihitsy. Vao mainka hitako hoe mikarakara be an’ahy izy isan’andro.”

Nampangaina hoe mpanao heloka bevava koa i Aleksandr Rakovskiy tamin’ny 21 Septambra 2020, dia nampiarahina tamin’ny an’ny Rahalahy Oreshkov sy ny Rahalahy Vavilov ny raharaha momba azy. Samy voaheloka izy telo lahy satria hoe nivory niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mbola misy zavatra hafa koa aza nanamelohana azy. Noferana izao ny faritra azon’izy ireo aleha.

Nilaza i Aleksandr Rakovskiy fa ny nisaintsaina ny faminanian’ny Baiboly tanteraka no tena nanampy azy hiaritra, indrindra moa ilay resaka momba ny mpanjakan’ny avaratra. Hoy izy: “Lasa tsy dia mifantoka be amin’ny olana mampitebiteby aho, fa amin’ny faminaniana momba ny fanenjehana sy ilay izy tanteraka. Izany no manampy ahy hifantoka kokoa amin’ilay fampanantenan’i Jehovah hoe hampiany foana aho rehefa enjehina.”

Matoky isika fa ho falifaly foana izy telo lahy ireo, satria matanjaka ny finoany ary izany no mahatonga azy hahavita hiaritra.​—Filipianina 1:29.