Hijery ny anatiny

Mampiasa sary ny Ranabavy Danusha Santhakumar (havia), mpisava lalana manokana, rehefa mampianatra Baiboly. Mampianatra Baiboly marenina amin’ny alalan’ny vidéoconférence ry Modaragamage mivady (havanana), manompo ao amin’ny Betelan’i Sri Lanka

6 MEY 2020
SRI LANKA

Mahita Hevitra Hitoriana sy Hampianarana ny Mpitory Mampiasa Tenin’ny Tanana na Mihiboka Aza

Mahita Hevitra Hitoriana sy Hampianarana ny Mpitory Mampiasa Tenin’ny Tanana na Mihiboka Aza

Mametraka fameperana maro ny manam-pahefana any Sri Lanka mba hifehezana ny fiparitahan’ny COVID-19, hoatran’ny ataon’ny firenena maro. Mankatò an’izany ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny tenin’ny tanana ka mampiasa ny teknolojia mba hiresahana amin’ny marenina sy ny olona tsy mandre tsara.

Mpisava lalana ny Ranabavy Vihanga Fernando, ary manoratra taratasy izy rehefa manompo. Mampiasa sary be dia be izy ao amin’ireny taratasy ireny, mba hanazavana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, satria sarotra amin’ny marenina maro ny mamaky soratra.

Sady mampiasa sary no manoratra amin’ny teny cinghalais ny Ranabavy Fernando mba hanazavana hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra

Nieritreritra ny Ranabavy Rosie Chithravelautham tamin’ny voalohany hoe tsy ho vitany ny hanao vidéoconférence rehefa hampianatra Baiboly. Hoy izy: “Isaky ny niantso marenina aho, taloha, dia ratsy be foana ny Internet dia tsy azon’izy ireo ny fihetsika ataoko.” Tapa-kevitra anefa i Rosie hoe hampianatra Baiboly foana, mandritra ny fiparitahan’ilay aretina. Nanandrana niantso marenina indray àry izy. Mitarika fampianarana Baiboly telo izy izao, ary manatrika fivoriana amin’ny vidéoconférence ny olona ampianariny.

Natao batisa tamin’ny Martsa 2020 i Nirosha Shiranthi, anabavy marenina. Nampahatahotra azy ny hanao vidéoconférence mba hitoriana amin’ny marenina. Nivavaka tamin’i Jehovah àry izy. Nangataka ny hanao mpisava lalana mpanampy izy nandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana. Betsaka ny marenina nanaiky rehefa nasainy hijery ny Fahatsiarovana, ary betsaka koa no nanontany momba ny famantarana ny andro farany. Nitarika fampianarana Baiboly vaovao fito i Nirosha. Hoy izy: “Faly be aho rehefa mitory. Tsy afaka mivoaka ny trano isika nefa mbola afaka mitory ihany. Vitan’i Jehovah foana ny manatanteraka ny sitrapony.” Nanapa-kevitra i Nirosha hoe hanao mpisava lalana mpanampy mitohy.

Mahafaly antsika izany fitantarana rehetra avy any Sri Lanka izany. Tena miezaka midera ny anaran’i Jehovah ny rahalahy sy anabavintsika marenina sy tsy mandre tsara.—Salamo 113:1.