Manampy ny Ankizy ho Voaro Amin’ny Mpanolana ny Vavolombelon’i Jehovah
Milaza ny Baiboly fa tokony ho tia sy hanoro hevitra ary hiaro ny zanany ny ray aman-dreny, sady hihevitra azy ireo ho fanomezana avy amin’Andriamanitra. (Salamo 127:3; Ohabolana 1:8; Efesianina 6:1-4) Anisan’ny loza tena tokony hiarovan’ny ray aman-dreny ny zanany ny fametavetana.
Efa am-polony taona maro izay ny Vavolombelon’i Jehovah no namoaka fanazavana manampy ny fianakaviana hifankatia. Nisy zavatra hafa koa navoaka mba hanampiana ny ray aman-dreny hiaro ny zanany amin’ny fametavetana sy hampianatra azy ireo momba ny tetika ampiasain’ny mpanolana ankizy. Anisan’izany ireo zavatra natao lisitra eo ambany ireo. Mariho ny habetsahan’ny zavatra navoaka sy ny isan’ny fiteny namoahana azy. a
Lohateny: Incest—The Hidden Crime
Navoaka tao amin’ny: Mifohaza! 8 Febroary 1981
Isany: 7800000
Fiteny namoahana azy: 34
Lohateny: Help for the Victims of Incest
Navoaka tao amin’ny: Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1983
Isany: 10050000
Fiteny namoahana azy: 102
Lohateny: Child Molesting—Every Mother’s Nightmare; Child Molesting—‘Who Would Do a Thing Like That?’; Child Molesting—You Can Protect Your Child
Navoaka tao amin’ny: Mifohaza! 22 Janoary 1985
Isany: 9800000
Fiteny namoahana azy: 54
Lohateny: The Innocent Victims of Child Abuse; The Secret Wounds of Child Abuse
Navoaka tao amin’ny: Mifohaza! 8 Oktobra 1991
Isany: 12980000
Fiteny namoahana azy: 64
Lohateny: Tandindomin-doza ny Zanakao!; Ahoana no Ahafahantsika Miaro ny Zanatsika?; Fisorohana ao An-tokantrano
Navoaka tao amin’ny: Mifohaza! 8 Aprily 1994
Isany: 13240000
Fiteny namoahana azy: 67
Lohateny: Arovy ny Zanakao
Navoaka tao amin’ny: Video natao hanampiana ny ray aman-dreny, laharana 4, navoaka tamin’ny 2002
Fiteny namoahana azy: 2
Lohateny: Ahoana no Niarovana An’i Jesosy?
Navoaka tao amin’ny: Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe, toko 32, navoaka tamin’ny 2003
Isany: 39746022
Fiteny namoahana azy: 141
Lohateny: Loza Iray Mampanahy ny Ray Aman-dreny; Ahoana no Azonao Iarovana ny Zanakao?; Ahoana no Hahatonga ny Tokantranonao ho Toeram-piarovana?
Navoaka tao amin’ny: Mifohaza! Oktobra 2007
Isany: 34267000
Fiteny namoahana azy: 81
Lohateny: Inona no Hataoko mba Tsy Hisy Hanolana Aho?; Manontany ny Ray Aman-dreny: Tokony Hiresaka Amin-janako Momba ny Firaisana ve Aho?
Navoaka tao amin’ny: Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky 1, toko 32 sy fanazavana fanampiny, navoaka tamin’ny 2011
Isany: 18381635
Fiteny namoahana azy: 65
Lohateny: Ahoana no Hiresahana Amin’ny Zanaka Momba ny Firaisana?
Navoaka tao amin’ny: jw.org tamin’ny 5 Septambra 2013
Fiteny namoahana azy: 64
Mbola hanampy ny ray aman-dreny hiaro ny zanany amin’ny mpanolana ankizy foana ny Vavolombelon’i Jehovah.
a Ny daty namoahana azy tamin’ny teny anglisy no resahina ato.