Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Surasak Suwanmake/Moment via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Miakatra Be Mbola Tsy Nisy Hoatr’izany ny Mari-pana Eran-tany Mandritra ny Tapatapaky ny Taona 2023: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Miakatra Be Mbola Tsy Nisy Hoatr’izany ny Mari-pana Eran-tany Mandritra ny Tapatapaky ny Taona 2023: Inona no Lazain’ny Baiboly?

 Mbola tsy niatrika hafanana be hoatr’izao mihitsy ny olona eran-tany hatrizay, dia eo koa ny loza aterak’izany. Mariho izay lazain’ireto tatitra ireto:

  •   “Efa 174 taona izay ny olona no nanomboka nandrakitra an-tsoratra ny mari-pana eran-tany, dia tamin’ity no volana Jona nafana indrindra hatramin’izay.”​—13 Jolay 2023, National Oceanic and Atmospheric Administration, U.S. Department of Commerce.

  •   “Mafana be tsy hoatran’ny mahazatra izao any Italia, Espaina, Frantsa, Alemaina ary Polonina, dia mety hahatratra 48°C mihitsy aza ny hafanan’ny rivotra any amin’ireo nosin’i Sisila sy Sardaigne. Mety ho ireo no mari-pana ambony indrindra hatramin’izay eto Eoropa.”​—13 Jolay 2023, European Space Agency.

  •   “Arakaraka ny iakaran’ny mari-pana eran-tany, dia azo inoana hoe ho matetika kokoa sady ho betsaka ny orana, dia hisy tondran-drano be vokatr’izany.”​—17 Jolay 2023, Stefan Uhlenbrook, tale ao amin’ny World Meteorological Organization.

 Manahy ve ianao satria mihabetsaka ny tatitra momba ny fiakaran’ny mari-pana eran-tany? Andao hojerentsika izay lazain’ny Baiboly.

Manatanteraka faminanian’ny Baiboly ve ny fiovan’ny toetrandro?

 Ie. Mifanaraka tsara amin’ny zavatra resahin’ny Baiboly fa hitranga amin’izao androntsika izao ny fiakaran’ny mari-pana sy ny karazana toetrandro ratsy hafa. Nilaza, ohatra, i Jesosy fa hahita “zavatra mampahatahotra” ny olona. (Lioka 21:11) Betsaka amin’izao no lasa matahotra hoe tsy ho azo iainana intsony eto an-tany, satria miakatra be ny mari-pana maneran-tany.

Tsy ho azo iainana intsony ve eto an-tany?

 Tsia. Namorona ny tany Andriamanitra mba honenantsika mandrakizay, dia tsy misy olona avelany hanapotika azy ity. (Salamo 115:16; Mpitoriteny 1:4) Mampanantena aza izy hoe ‘handringana an’izay manimba ny tany.’​—Apokalypsy 11:18.

 Milaza ny Baiboly hoe vitan’Andriamanitra ny miaro ny tany amin’ny loza vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana, sady tena hanao an’izany izy.

  •   “Mampitony ny tafio-drivotra [Andriamanitra], dia tsy misamboaravoara intsony ny onjan-dranomasina.” (Salamo 107:29) Mahavita mifehy ny herin’ny natiora Andriamanitra satria tena mahery. Ny fahasimban’ny tontolo iainana no mahatonga ny toetrandro ratsy mampijaly ny olona amin’izao, nefa vitan’Andriamanitra ny mamaha an’izany olana izany.

  •   “Mikarakara ny tany ianao,ka ataonao mahavokatra be sy tena lonaka izy io.” (Salamo 65:9) Noho ny fitahian’Andriamanitra, dia ho lasa paradisa ny tany.

 Mampanantena ny Baiboly fa haverina amin’ny laoniny ny tontolo iainana. Raha te hahafantatra bebe kokoa momba an’izany ianao dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Iza no Hahavita Hanavotra ny Tany?