Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Brais Seara/Moment via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Hain-tany: Inona no Lazain’ny Baiboly?

Hain-tany: Inona no Lazain’ny Baiboly?
  •   “Manao tatitra i Chine hoe mbola tsy nisy hafanam-be hoatran’ny tamin’ity taona ity. Ity koa no vanim-potoanan’ny main-tany fahatelo mafy indrindra hatramin’izay.”​—The Guardian, 7 Septambra 2022.

  •   “Efa ho efa-taona izay no nijaly noho ny hain-tany ny faritra sasany ao Afrika, ary mbola hitohy izany amin’ity taona ity.”​—UN News, 26 Aogositra 2022.

  •   “Ahina ho tratran’ny hain-tany ny roa ampahatelon’ny faritr’i Eoropa, ary izany no mety ho mafy indrindra tato anatin’ny 500 taona.”​—BBC News, 23 Aogositra 2022.

 Be dia be ny manam-pahaizana milaza fa mbola hitohy ireny hain-tany ireny ary vao mainka hiharatsy. Afaka manantena ve isika fa mbola hihatsara izany amin’ny hoavy? Inona no lazain’ny Baiboly?

Inona no efa nolazain’ny Baiboly momba ny hain-tany?

 Izao no efa nolazain’ny Baiboly mialoha momba ny androntsika:

  •   “Hisy mosary ... any amin’ny toerana samihafa.”​—Lioka 21:11.

 Mahatonga mosary matetika ny hain-tany. Manatanteraka faminanian’ny Baiboly ireny mosary ireny, sy ny fijaliana ary ny fahafatesana vokatr’izany.​—Apokalypsy 6:6, 8.

Fa maninona no vao mainka mihamafy ny hain-tany?

 Manazava ny tena antony mahatonga an’izany ny Baiboly. Izao no lazainy:

  •   “Tsy natao hitondra samirery ny fiainany ... ny olona.”​—Jeremia 10:23.

 Midika izany fa tsy hahavita “hitondra samirery ny fiainany” mihitsy ny olona. Tsy mahay manapa-kevitra ny olombelona, ary izany matetika no mampisy hain-tany sy mahatonga tsy fahampian-drano.

  •   Miaiky ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa ny zavatra ataon’ny olombelona no mahatonga ny fiakaran’ny mari-pana, ary miteraka hain-tany maneran-tany izany.

  •   Tia tena ny olona sady hita amin’ny fomba fiasany hoe tsy mitsinjo lavitra izy ireo, ka izany no mahatonga ny ala ho ripaka, ny tontolo iainana ho simba, ary ny harena an-kibon’ny tany ho lanilany foana. Atahorana ho ritra tanteraka àry ireo renirano sy loharano tena mamatsy rano ho antsika.

 Soa ihany fa manome fanantenana ny Baiboly.

Misy fanantenana ve amin’ny hoavy?

 Mampanantena ny Baiboly fa hamaha ny olana mifandray amin’ny tsy fahampian-drano Andriamanitra. Ahoana no hataony?

  1.  1. ‘Handringana an’izay manimba ny tany’ Andriamanitra. (Apokalypsy 11:18) Hesoriny ny antony iray mahatonga ny tsy fahampian-drano, dia ny olona ratsy fanahy sady tia tena izay manimba ny tontolo iainana.​—2 Timoty 3:1, 2.

  2.  2. “Ho lasa farihy anirian’ny bararata ny tany ngazana.” (Isaia 35:1, 6, 7) Hamerina amin’ny laoniny ny zavatra simba vokatry ny hain-tany Andriamanitra, ary hanova an’ity tany ity ho paradisa azon-drano tsara.

  3.  3. “Mikarakara ny tany ianao, ka ataonao mahavokatra be sy tena lonaka izy io.” (Salamo 65:9) Noho ny fitahian’Andriamanitra, dia ho feno sakafo mahasalama sy rano madio ho an’ny rehetra ny tany.