Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Marek M. Berezowski/Anadolu Agency via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Feno Herintaona Ilay Ady any Ukraine: Inona no Ampanantenain’ny Baiboly?

Feno Herintaona Ilay Ady any Ukraine: Inona no Ampanantenain’ny Baiboly?

 Herintaona amin’ny zoma 24 Febroary 2023 no nitrangan’ilay ady any Ukraine. Misy tatitra milaza fa miaramila iokrenianina sy rosianina 300 000 no maty na naratra. Olon-tsotra 30 000 koa no nolazaina hoe maty nandritra an’ilay ady. Mety hihoatra an’izany anefa ny isan’ny olona maty na naratra.

 Mampalahelo fa hoatran’ny tsy hifarana vetivety ilay ady.

  •   Efa ho herintaona no nidiran’ny miaramila rosianina tany Ukraine, nefa rehefa jerena ny zava-misy dia toa tsy hifarana vetivety ilay ady. Hoatran’ny tsy hita mihitsy hoe iza no handresy, ary samy tsy vonona ny hitady marimaritra iraisana ry zareo.”​—NPR (National Public Radio), 19 Febroary 2023.

 Be dia be ny olona tsy manan-tsiny maneran-tany no ory sy mijaly noho ilay ady any sy any an-toeran-kafa. Ara-dalàna raha maro no malahelo amin’izany. Inona no ampanantenain’ny Baiboly? Ho foana ve ny ady indray andro any?

Ady anankiray hanafoana ny ady rehetra

 Misy ady anankiray resahin’ny Baiboly hoe tsy handripaka fa hanavotra ny olombelona. Aramagedona no iantsoana an’ilay ady ary lazaina hoe “adin’ny andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” izy io. (Apokalypsy 16:14, 16) Hofoanan’Andriamanitra ny fitondran’olombelona rehetra amin’io ady io. Ry zareo mantsy no rangory fototry ny afo mahatonga ny ady maneran-tany. Raha tianao ho fantatra hoe fa maninona no hampisy fiadanana ny Aramagedona, dia vakio ireto lahatsoratra ireto: