Tesalonianina Voalohany 1:1-10

  • Fiarahabana (1)

  • Fisaorana noho ny finoan’ny Tesalonianina (2-10)

1  Avy amin’i Paoly sy Silvano*+ ary Timoty.+ Ho an’ny fiangonana any Tesalonika izay tafaray amin’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo, Enga anie ianareo hanehoana hatsaram-panahy miavaka* sady homena fiadanana!  Misaotra an’Andriamanitra foana izahay rehefa miresaka momba anareo rehetra amin’ny vavaka.+  Tadidinay foana eo anatrehan’ilay Andriamanitra Raintsika mantsy izay ataonareo noho ny finoanareo, sy ny asa mafy ataonareo amim-pitiavana, ary ny fiaretanareo noho ianareo manantena+ an’i Jesosy Kristy Tompontsika.  Fa fantatray, ry rahalahy tian’Andriamanitra, hoe nifidy anareo izy,  satria ilay vaovao tsara notorinay taminareo dia tsy hoe teny fotsiny, fa hafatra mafonja koa. Nampian’ny fanahy masina koa izahay tamin’izahay nitory taminareo, sady tena niaiky fa marina ny zavatra notorinay. Ary fantatrareo hoe lasa hoatran’ny ahoana izahay teo aminareo, mba hahasoa anareo.  Lasa nanahaka anay+ sy ny Tompo+ ianareo, satria faly nanaiky an’izay notorinay noho ny fanampian’ny fanahy masina, na dia niaritra fahoriana be+ aza.  Dia lasa modely ho an’ny mpino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo.  Tsy vitan’ny hoe nampiely ny tenin’i Jehovah* tany Makedonia sy Akaia ianareo, fa nalaza hatraiza hatraiza koa ny finoanareo an’Andriamanitra,+ ka tsy mila miteny na inona na inona intsony izahay.  Mbola tantarain’izy ireo foana mantsy ilay isika nihaona voalohany. Tantarainy koa ilay ianareo nitodika tamin’Andriamanitra ka niala tamin’ny sampy,+ mba hanompo an’ilay Andriamanitra velona sy tena izy, 10  ary hiandry an’ilay Zanany avy any an-danitra,+ ilay natsangany tamin’ny maty, dia i Jesosy. Manafaka antsika mba tsy hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny hoavy+ io Zanany io.

Fanamarihana

Antsoina koa hoe Silasy.
Jereo F.T.
Jereo F.F. A5.