Ho An’ny Galatianina 2:1-21

  • Nihaona tamin’ny apostoly tany Jerosalema i Paoly (1-10)

  • Nanitsy an’i Petera (Kefasy) i Paoly (11-14)

  • Izay mino ihany no ambara hoe marina (15-21)

2  Rehefa afaka 14 taona, dia niara-niakatra tamin’i Barnabasy+ tany Jerosalema indray aho, ary nentiko koa i Titosy.+  Niakatra tany aho satria nisy zavatra naharihary tamiko. Dia novelabelariko tamin’izy ireo ny vaovao tsara toriko amin’ny hafa firenena. Teo anatrehan’ireo rahalahy nohajaina be ihany anefa no nanaovako an’izany, mba ho azo antoka hoe tsy very maina ilay hazakazaka nataoko tamin’izany, na ilay efa nataoko taloha.  Na i Titosy+ ilay niaraka tamiko aza, tsy noterena hoforana+ nefa Grika.  Nampisy olana anefa izany, satria nisy rahalahy sandoka nampidirina mangingina+ teo amintsika. Nitsofoka mangingina izy ireny mba hitsikilo antsika satria te hanakantsakana an’ilay fahafahana+ ananantsika noho isika mpianatr’i Kristy Jesosy. Tian’izy ireny handevozina tanteraka mantsy isika.+  Tsy nilefitra tamin’izy ireny na nanaiky azy izahay,+ na dia vetivety fotsiny* aza, mba ho eo aminareo foana ny fahamarinana, izany hoe ny vaovao tsara.  Fa raha ny amin’ireo rahalahy hoatran’ny hoe ambony ireo+ kosa,—tsy zava-dehibe amiko ny hoe hoatran’ny ahoana izy ireo taloha, satria tsy mijery tavan’olona* Andriamanitra—dia tsy nampianatra ahy zava-baovao ireo rahalahy nohajaina be ireo.  Rehefa hitan’izy ireo kosa fa efa nankinina tamiko ny fitoriana ny vaovao tsara tamin’ny tsy voafora,+ toy ny nanankinana tamin’i Petera ny fitoriana tamin’ny voafora,  —ilay nanome fahefana an’i Petera ho lasa apostolin’ny voafora mantsy no nanome fahefana ahy ho lasa apostolin’ny hafa firenena koa+  ary rehefa fantatr’izy ireo fa nanehoana hatsaram-panahy miavaka aho,+ dia nanolotra ny tanany ankavanana taminay sy Barnabasy+ i Jakoba+ sy Kefasy* ary Jaona, izay hoatran’ny hoe andrin’ny fiangonana. Nanao an’izany izy ireo mba ho marika fa mpiara-miasa daholo izahay. Amin’izay dia handeha any amin’ny hafa firenena izahay, fa izy ireo kosa any amin’ny voafora. 10  Fa notenenin’izy ireo fotsiny izahay hoe tsarovy foana ny mahantra. Ary izany mihitsy no efa iezahako mafy atao izao.+ 11  Rehefa tonga tany Antiokia+ anefa i Kefasy,*+ dia noteneniko mivantana izy,* satria tena hita fa diso.* 12  Niara-nisakafo tamin’ny hafa firenena mantsy izy+ tamin’ny mbola tsy tonga ny olona nirahin’i Jakoba.+ Rehefa tonga anefa izy ireny, dia tsy nanao an’izany intsony izy fa niala teo amin’izy ireo, noho izy natahotra ny voafora.+ 13  Dia lasa nihatsaravelatsihy niaraka taminy koa ny Jiosy hafa rehetra, ka na i Barnabasy aza mba voataonan’izy ireo hihatsaravelatsihy koa. 14  Rehefa hitako anefa hoe tsy nanao zavatra mifanaraka amin’ny fahamarinan’ny vaovao tsara izy ireo,+ dia hoy aho tamin’i Kefasy* teo anatrehan’ny rehetra: “Raha ianao izay Jiosy aza manao hoatran’ny hafa firenena, fa tsy hoatran’ny Jiosy, dia maninona no terenao hanaraka ny fanaon’ny Jiosy ny hafa firenena?”+ 15  Jiosy tena Jiosy isika, fa tsy mpanota avy amin’ny hafa firenena, 16  ary fantatsika fa izay olona mino an’i Jesosy Kristy+ ihany no ambara hoe marina,+ fa tsy izay mankatò lalàna.* Dia nino an’i Kristy Jesosy isika, mba hambara hoe marina satria mino an’i Kristy fa tsy hoe mankatò lalàna. Fa tsy hisy olona* hambara hoe marina satria fotsiny hoe mankatò lalàna.+ 17  Fa raha hita hoe mpanota koa isika, nefa isika efa miezaka mba ho azo ambara hoe olo-marina amin’ny alalan’i Kristy, dia midika ve izany hoe mpanompon’ny ota i Kristy? Sanatria izany! 18  Fa raha ny zavatra efa narodako no atsangako indray, dia asehoko amin’izany fa mpandika lalàna aho. 19  Fa nankatò lalàna aho, ka efa maty raha ny amin’ny lalàna,*+ dia amin’izay aho velona ho an’Andriamanitra. 20  Voafantsika eo amin’ny tsato-kazo miaraka amin’i Kristy+ aho. Tsy izaho intsony no velona+ fa i Kristy no velona sy tafaray amiko. Fa amin’izao izaho mbola nofo aman-dra izao, dia miaina mifanaraka amin’ny finoako an’ilay Zanak’Andriamanitra+ aho, dia ilay tia ahy ka nanolotra ny tenany ho ahy.+ 21  Ary tsy mandà* ny hatsaram-panahy miavaka asehon’Andriamanitra+ aho, fa raha ny lalàna no anambarana olona hoe marina, dia matimaty foana i Kristy.+

Fanamarihana

Abt: “adiny iray.”
Na: “tsy manavakavaka.”
Antsoina koa hoe Petera.
Na: “meloka.”
Na: “dia nanohitra azy aho, ka noteneniko nifanatrika izy.”
Antsoina koa hoe Petera.
Antsoina koa hoe Petera.
Abt: “nofo.”
Na: “tsy izay manao zavatra ho fankatoavana ny lalàna.”
Na: “efa nafahana tamin’ny lalàna.”
Na: “manilika.”