Isaia 15:1-9
-
Fanamelohana an’i Moaba (1-9)
15 Ny fanamelohana an’i Moaba:+
Indray alina izay, dia voaroba i Aran’i+ Moaba,Ka nangina.
Indray alina izay koa, dia voaroba i Kiran’i+ Moaba,Ka nangina.
2 Niakatra nankany amin’ny Trano* sy nankany Dibona+ izy,Dia tany amin’ny toerana avo, mba hitomany.
Midradradradra i Moaba noho ny amin’i Nebo+ sy Medeba.+
Nosolaina daholo ny olona ao,+ ary nesorina daholo ny volombavany.+
3 Misikina lamba gony izy ireo eny an-dalana.
Midradradradra eny an-tampon-tranony sy eny amin’ny tany malalaka ny olona rehetra ao.Sady midina izy ireo no mitomany.+
4 Miantsoantso i Hesbona sy Elale,+Ka heno hatrany Jahaza+ ny feony.
Izany no mahatonga ny miaramilan’i Moaba hiantsoantso mafy foana.
Mangovitra izy.
5 Mitaraina aho ato am-poko noho ny amin’i Moaba.
Tonga hatrany Zoara+ sy Egleta-selisia+ ny olona nandositra avy any Moaba.
Samy mitomany izy ireo miakatra ny fiakarana any Lohita,Ary mitaraindraina eny an-dalana mankany Horonaima, noho ilay loza mitranga.+
6 Ritra tanteraka ny ranon’i Nimrima.Maina ny ahi-maitso,Maty ny ahitra, ary tsy misy zava-maitso intsony.
7 Entin’izy ireo àry ny zavatra sisa tavela tao amin’ny trano fitehirizany sy izay sisa tamin’ny harenany,Dia miampita ny lohasaha* misy hazo aravaha izy ireo.
8 Fa manako eran’ny faritr’i Moaba ny fitarainana,+
Ary heno hatrany Eglaima ny fidradradradrana,Sady heno hatrany Bera-elima.
9 Lasa feno ra mantsy ny ranon’i Dimona,Ary misy zavatra hafa koa homeko an’i Dimona:
Liona hamely an’ireo tafavoaka avy any Moaba,Sy hamely an’ireo sisa tavela ao amin’ilay tany.+