Isaia 17:1-14

  • Fanamelohana an’i Damaskosy (1-11)

  • Hiteny mafy an’ireo firenena i Jehovah (12-14)

17  Ny fanamelohana an’i Damaskosy:+ “Tsy ho tanàna intsony i Damaskosy any aoriana any,Fa ho lasa korontam-bato mivangongo sisa.+  2  Hiala ao amin’ireo tanànan’i Aroera+ daholo ny mponina ao.Ho lasa toerana fatorian’ny andiam-biby ireo tanàna ireo,Ary tsy hisy hampatahotra an’ireny any.  3  Tsy hisy tanàna voaro mafy intsony any Efraima,+Ary tsy hisy fanjakana intsony ao Damaskosy.+Dia hitovy amin’izay nanjo ny voninahitry ny Israelita*No hanjo ny voninahitr’izay sisa tavela any Syria”, hoy i Jehovah Tompon’ny tafika.  4  “Hihena ny voninahitr’i Jakoba, amin’izany andro izany,Ary ho lasa mahia kely ilay vatany salama.*  5  Izany dia ho toy ny rehefa misy mpijinja manangona varimbazaha eny an-tanimbary,Ka mampiasa ny sandriny mba hijinjana salohim-bary,Ary ho toy ny rehefa misy olona mitsimpona varimbazaha eny amin’ny Lohasahan’ny* Refaima.+  6  Dia kely sisa no ho azo tsimponina,Toy ny rehefa manintsana voan’oliva, Ka voan’oliva masaka roa na telo sisa no eny amin’ny sampany ambony indrindra,Ary efatra na dimy sisa no eny amin’ireo sampany mamoa”,+ hoy i Jehovah Andriamanitry ny Israely. 7  Amin’izany andro izany, dia hanantena an’ilay Mpanao azy ny olona, ary hibanjina an’Ilay Masin’ny Israely ny masony. 8  Tsy hitodika any amin’ireo alitara+ nataon’ny tanany izy,+ sady tsy hijery an’izay nataon’ny rantsantanany, na ny tsato-kazo masina* izany na ny fandoroana emboka manitra.  9  Amin’izany andro izany, dia ho lasa hoatran’ny tanàna nilaozana any an’ala ireo tanànany voaro mafy,+Hoatran’ny sampan-kazo nilaozan’ny olona teo alohan’ny Israelita.Dia ho ngazana ilay toerana. 10  Efa nanadino an’ilay Andriamanitra+ mpamonjy anao mantsy ianao,Sady tsy nahatsiaro an’ilay Vatolampy,+ ilay manda miaro anao. Izany no antony anaovanao saha tsara tarehy,*Sy ambolenao tsimoka avy any an-tany hafa.* 11  Fefenao tsara ny volinao mandritra ny andro,Ary ataonao mitsimoka ny voa afafinao, amin’ny maraina,Kanefa tsy hisy ny vokatra, rehefa marary be ianao sady azon’ny fanaintainana tsy misy fanafany.+ 12  Izany ny feon’ny vahoaka maro misahotaka,Izay mitabataba hoatran’ny ranomasina misamboaravoara! Mitabataba be ireo firenena,Ka hoatran’ny rano mikoriana mafy ny feony! 13  Hitabataba toy ny rano be misasasasa ireo firenena. Dia hoteneniny mafy izy ireo, ka handositra lavitra,Ary horoahina toy ny akofa entin’ny rivotra eny an-tendrombohitra,Sy toy ny tsilo avadibadiky ny tafio-drivotra. 14  Misy horohoro amin’ny takariva. Raha mbola tsy maraina ny andro, dia tsy ho eo intsony ireo fahavalo. Izany no anjaran’ireo mamabo antsikaSy ireo mandroba antsika.

Fanamarihana

Na: “zanak’Israely.”
Abt: “ny tavin’ny nofony.”
Na: “Lemaka Ivan’ny.”
Jereo F.T.
Na: “mahafinaritra.”
Na: “tsimoky ny andriamanitry ny firenen-kafa.”