Jeremia 10:1-25
10 Henoy ny teny fanamelohan’i Jehovah anareo, ry taranak’Israely!
2 Izao no lazain’i Jehovah:
“Aza mianatra ny fomban’ireo firenena,+Ary aza matahotra be an’ireo famantarana eny amin’ny lanitraSatria hoe matahotra be azy ireny ireo firenena.+
3 Fa fitaka* ny fanaon’ireo firenena.
Hazo nokapaina tany an’ala fotsiny ilay izy,Dia namboarin’ny mpanao asa tanana tamin’ny fitaovany.*+
4 Ravahany volafotsy sy volamena ilay izy,+Ary nakambany tamin’ny marotoa sy fantsika mba tsy hianjera.+
5 Hoatran’ny sariolona fampitahoram-borona eny amin’ny sahan-kôkômbra ireny, ka tsy afa-miteny.+Tsy maintsy bataina ireny satria tsy afa-mamindra.+
Aza matahotra azy, fa sady tsy afaka manisy ratsy irenyNo tsy afaka manisy soa.”+
6 Tsy misy hoatr’anao, Jehovah ô!+
Tena miavaka ianao, ary be voninahitra sy mahery ny anaranao.
7 Iza no tsy hatahotra anao, ry Mpanjakan’ireo firenena+ ô? Fa mendrika an’izany ianao.Fa tsy misy toa anao mihitsyEo amin’ny olon-kendry rehetra eo amin’ireo firenena sy eo amin’ny fanjakany rehetra.+
8 Sady adala no tsy misaina daholo izy ireo.+
Fitaka* tanteraka ny zavatra ampianarin’ny hazo.+
9 Nohafarana avy any Tarsisy+ ny volafotsy nofisahina, ary avy any Ofaza ny volamena.Namboarin’ny mpanao asa tanana sy ny mpanefy ireny.
Kofehy manga sy volonondry volomparasy no nanaovana ny fitafiany.
Asa tanan’olona mahay izy rehetra.
10 I Jehovah kosa no tena Andriamanitra.
Izy no Andriamanitra velona+ sy Mpanjaka mandrakizay.+
Hihovotrovotra ny tany noho ny fahatezerany,+Ary tsy hisy firenena hahatanty ny fanamelohany.
11 * Izao no holazainareo amin’izy ireo:
“Ho fongana tsy ho eto an-tany sy etỳ ambanin’ny lanitraIreo andriamanitra tsy nanao ny lanitra sy ny tany.”+
12 Izy Ilay nanao ny tany tamin’ny heriny,Dia Ilay nanao izay hahamafy orina ny tany lonaka tamin’ny fahendreny,+Sy namelatra ny lanitra tamin’ny fahiratan-tsainy.+
13 Rehefa ataony heno ny feony,Dia misamboaravoara ny rano eny amin’ny lanitra,+Ary mampiakatra rahona* avy any amin’ny faran’ny tany izy.+
Manao tselatra* ho an’ny orana izy,Ary avoakany avy ao amin’ny trano fitehirizany azy ny rivotra.+
14 Tsy misaina ny olona rehetra sady manaonao foana.
Ho menatra ny mpanefy rehetra fa nanao sary sokitra.+Fitaka fotsiny mantsy ny sarivongana metaly* nataony,Sady tsy mananaina.*+
15 Sandoka* fotsiny ireny sady ihomehezan’ny olona.+
Ho fongana ireny rehefa tonga ny andro hanasaziana azy.
16 Tsy mba toy ireny kosa ilay Anjaran’i Jakoba,Fa izy Ilay nanao ny zava-drehetra,Ary ny Israely no tehin’ny lovany.+
Jehovah Tompon’ny tafika no anarany.+
17 Angony ny entanao eo amin’ny tany,Ry vehivavy natao fahirano!
18 Fa izao no lazain’i Jehovah:
“Hatsipiko* ho any ivelan’ny taniny ny mponina, amin’ity indray mandeha ity,+Ary hataoko mahita faisana.”
19 Idiran-doza aho fa maratra!*+
Tsy mety sitrana mihitsy ny ratrako.
Dia hoy aho: “Efa izao no aretiko, ka dia hozakaiko.
20 Rava ny tranolaiko ary nisy nanapaka daholo ny tady fanenjanana azy.+
Nandao ahy ireo zanako ka tsy eo intsony.+
Tsy misy tavela mba hanenjana ny tranolaiko na hanangana azy.
21 Tsy misaina ireo mpiandry ondry,+Sady tsy manontany an’i Jehovah.+
Tsy malina àry izy ireo rehefa manao zavatra,Ka miparitaka daholo ny andian’ondriny.”+
22 Henoy! Izany misy filazana!
Migodongodona mafy avy any amin’ilay tany any avaratra+ ny fahavalo,Mba hahatonga an’ireo tanànan’i Joda ho aolo sy ho lasa fonenan’ny alikadia.+
23 Jehovah ô, fantatro tsara fa tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany.
Tsy natao hitondra samirery ny fiainany koa ny olona.+
24 Ahitsio araka izay hitanao hoe rariny aho, Jehovah ô,Fa aza atao amim-pahatezerana,+ sao lasa ataonao tsinontsinona aho.+
25 Anamparo ny hatezeranao ireo firenena tsy miraharaha anao+Sy ireo foko tsy miantso ny anaranao.
Fa naripak’izy ireo i Jakoba.+Naripak’izy ireo izy ka saika fongana tanteraka,+Ary noravany ny taniny.+
Fanamarihana
^ Na: “zava-poana.”
^ Na: “antsy fanaovany sokitra.”
^ Na: “Zava-poana.”
^ Nosoratana tamin’ny teny aramianina ny and. 11, tamin’ny voalohany.
^ Na mety hoe “vavahadin-drano.”
^ Na: “etona.”
^ Na: “sarivongana vita amin’ny metaly narendrika.”
^ Na: “manam-pofonaina.”
^ Na: “Zava-poana.”
^ Na: “Hatorako hoatran’ny vatom-pilotra.”
^ Na: “tapaka.”