Jeremia 17:1-27

  • Lalim-paka ny fahotan’ny Joda (1-4)

  • Hotahina izay matoky an’i Jehovah (5-8)

  • Mamitaka ny fo (9-11)

  • Jehovah, fanantenan’ny Israely (12, 13)

  • Vavak’i Jeremia (14-18)

  • Manamasina ny Sabata (19-27)

17  “Voasoratra tamin’ny penina vy ny fahotan’ny Joda, Sady vita sokitra tamin’ny tendrona diamondra, eo amin’ny fon’izy ireoSy eo amin’ny tandroky ny alitarany.  2  Na ny taranany aza mahatadidy ny alitara sy ny tsato-kazo masina*+ nataon’izy ireoTeny akaikin’ny hazo midoroboka, teny amin’ny havoana,+  3  Ary teny an-tendrombohitra any ambanivohitra. Homeko ho an’ny mpandroba ny fanananao sy ny harenanao rehetra.+Homeko azy ny toerana avo naorinao, noho ny fahotana nataonao nanerana ny taninao.+  4  Hafoinao an-tsitrapo ny lova nomeko anao.+ Ary hasaiko manompo ny fahavalonao any amin’ny tany tsy fantatrao ianao,+Satria narehitrao toy ny afo ny fahatezerako.*+ Dia hirehitra mandrakizay izany.”  5  Izao no lazain’i Jehovah: “Voaozona izay olona* matoky olona+Sy miantehitra amin’ny herin’olombelona,*+Ka miala amin’i Jehovah ny fony.  6  Ho toy ny hazo tokana any amin’ny tany karakaina izy. Tsy mba hahita zava-tsoa izy,Fa hipetraka any amin’ny faritra ngazana any an-tany efitra,Any amin’ny tanin-tsira tsy azo ipetrahana.  7  Hotahina izay olona* matoky an’i JehovahSy miantehitra amin’i Jehovah.+  8  Ho toy ny hazo nambolena eo amoron-drano izy,Dia hazo mampisandrahaka ny fakany hatrany amin’ny renirano. Tsy ho tsapany akory ny hafanana,Fa handrobona foana ny raviny.+ Ary na dia amin’ny taona isian’ny hain-tany aza, dia tsy hanahy izyFa mbola hamokatra foana.  9  Mamitaka mihoatra noho ny zava-drehetra ny fo, sady sarotra fehezina.*+ Iza no mahalala ny momba azy? 10  Izaho Jehovah no mandinika ny fo+Sy mamantatra ny eritreritra lalina indrindra,*Mba hamaliako ny tsirairay araka izay ataony,Sy araka ny vokatry ny asany.+ 11  Izay manao ny tsy marina* mba hahazoana harena,+Dia toy ny tsipoy manangona atody tsy azy. Handao azy izany harenany izany raha vao misasaka ny androm-piainany,Ary ho hita amin’ny farany fa tsy misy saina izy.” 12  Seza fiandrianana be voninahitra, izay efa nasandratra hatrany am-boalohany,No toerana masina ho antsika.+ 13  Ry Jehovah, fanantenan’ny Israely ô!Ho menatra izay rehetra mahafoy anao. Hosoratana eo amin’ny vovoka ny anaran’ireo mivadi-pinoana sy miala aminao,*+Noho izy ireo miala amin’i Jehovah, ilay loharanon’ny rano velona.+ 14  Sitrano aho, Jehovah ô, dia ho sitrana. Vonjeo aho, dia ho voavonjy,+Fa ianao no deraiko. 15  Misy milaza amiko hoe: “Aiza koa izay tenin’i Jehovah eo?+ Aoka ho tanteraka amin’izay izany!” 16  Izaho kosa anefa tsy nitsoaka tsy ho mpiandry ondry fa mbola nanaraka anao.Tsy naniry ny hahatongavan’ny andro iavian’ny loza koa aho. Fantatrao tsara ny teny rehetra naloaky ny vavako.Teo anatrehanao no nitranga izany rehetra izany. 17  Aza manao izay hampihorohoro ahy. Ianao no fialofako amin’ny andro iavian’ny loza. 18  Aoka ho menatra ireo mpanenjika ahy,+Fa izaho kosa aoka tsy ho menatra. Aoka hihorohoro izy ireo,Fa izaho kosa aoka tsy hihorohoro. Ataovy tonga aminy ny andro iavian’ny loza,+Ka torotoroy izy ireo ary aringano tanteraka.* 19  Izao no nolazain’i Jehovah tamiko: “Mandehana mijoro eo amin’ny vavahadin’ny zana-bahoaka, izay fandalovan’ireo mpanjakan’ny Joda rehefa miditra sy mivoaka, ary eo amin’ny vavahady rehetra ao Jerosalema.+ 20  Lazao amin’izy ireo hoe: ‘Henoy ny tenin’i Jehovah, ry mpanjakan’ny Joda, sy ianareo rehetra vahoakan’i Joda sy mponin’i Jerosalema, izay miditra eo amin’ireto vavahady ireto. 21  Izao no lazain’i Jehovah: “Mitandrema mba tsy hitondra entana amin’ny andro sabata, na hampiditra an’izany eo amin’ireo vavahadin’i Jerosalema.+ 22  Aza mitondra entana avy ao an-tranonareo rehefa Sabata ny andro, ary aza manao asa na inona na inona.+ Fa hamasino ny andro sabata, araka ny didy nomeko ny razambenareo.+ 23  Tsy nihaino anefa izy ireo na nanongilan-tsofina, fa mafy loha* tsy nety nankatò na nandray anatra.”’+ 24  “‘“Raha mankatò ahy an-tsakany sy an-davany anefa ianareo”, hoy i Jehovah, “ka tsy mampiditra entana eo amin’ireo vavahadin’ity tanàna ity rehefa Sabata ny andro, sady manamasina ny andro sabata ka tsy manao asa na inona na inona,+ 25  dia hiditra eo amin’ireo vavahadin’ity tanàna ity koa ireo mpanjaka sy andriana mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida.+ Hitaingina kalesy sy soavaly izy ireo sy ny andrianany ary ny fokon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema,+ amin’izay fotoana izay. Dia honenana mandrakizay ity tanàna ity. 26  Ary ho avy ny olona avy any amin’ireo tanànan’i Joda, avy any amin’ny manodidina an’i Jerosalema, ny tanin’i Benjamina,+ ny faritra iva,+ ny faritra be tendrombohitra, ary ny avy any Negeba.* Hitondra fanatitra ao an-tranon’i Jehovah izy ireo, dia fanatitra dorana manontolo,+ sorona,+ fanatitra varimbazaha,+ ditin-kazo manitra, ary sorona fisaorana.+ 27  “‘“Fa raha tsy mankatò ahy kosa ianareo ka tsy manamasina ny andro sabata, fa mitondra entana sy mampiditra an’izany eo amin’ireo vavahadin’i Jerosalema na Sabata aza ny andro, dia hodorako ireo vavahadiny. Dia ho levon’ny afo ireo tilikambo voaro mafy ao Jerosalema,+ ary tsy hovonoina izany afo izany.”’”+

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na mety hoe “tezitra aho ka narehitra toy ny afo ianareo.”
Abt: “manao ny nofo ho sandriny.”
Na: “lehilahy matanjaka.”
Na: “lehilahy matanjaka.”
Na mety hoe “tsy azo sitranina.”
Na: “fihetseham-po lalina indrindra.” Abt: “voa.”
Na: “tsy rariny.”
Abt: “amiko”, i Jehovah angamba.
Na: “indroa.”
Abt: “nanamafy hatoka.”
Na: “atsimo.”