Mpitoriteny 5:1-20
5 Mitandrema tsara ianao isaky ny mankao an-tranon’ilay tena Andriamanitra.+ Fa aleo mankao mba hihaino,+ toy izay manao sorona hoatran’ny ataon’ny tsisy saina.+ Tsy fantany akory mantsy hoe ratsy ny ataony.
2 Aza faingam-bava, ary aza entim-po fotsiny ka lasa maika hiteny eo anatrehan’ilay tena Andriamanitra.+ Fa izy any an-danitra ary ianao kosa etỳ an-tany, ka tsy tokony hiteny betsaka ianao.+
3 Fa ny adin-tsaina* be loatra no mahatonga nofy,+ ary lasa miteniteny foana ny tsisy saina rehefa be resaka loatra.+
4 Raha mivoady amin’Andriamanitra ianao, dia aza miandry ela vao manatanteraka,+ satria tsy mahafaly azy ny tsisy saina.+ Koa tanteraho ny voadinao.+
5 Aleo tsy mivoady, toy izay mivoady nefa tsy manatanteraka.+
6 Aza avela hampanota anao* ny vavanao,+ ary aza miteny eo anatrehan’ny anjely* hoe: “Diso aho tamin’iny.”+ Maninona ianao no mampahatezitra an’Andriamanitra amin’izay lazainao, ka voatery handrava ny asan’ny tananao izy?+
7 Fa ny adin-tsaina be loatra no mahatonga nofy,+ dia hoatr’izany koa fa lasa miteniteny foana izay be resaka loatra. Matahora anefa an’ilay tena Andriamanitra.+
8 Aza gaga ianao raha mahita hoe ampijalina ny mahantra ary hitsakitsahina ny rariny sy ny hitsiny, ao amin’ny faritaninao.+ Fa ny manam-pahefana ambony toy izany dia dinihin’ny olona ambony kokoa noho izy, ary mbola misy ambony kokoa noho izy ireo.
9 Ifampizaran’izy rehetra koa ny tombony azo avy amin’ny tany. Ary na ny mpanjaka aza mila ny vokatra avy eny an-tsaha.+
10 Tsy ho afa-po amin’izay volafotsy ananany mihitsy izay tia volafotsy. Ary tsy ho afa-po amin’izay harena azony izay tia harena.+ Tsisy dikany koa izany.+
11 Rehefa mitombo ny harena, dia mitombo koa ny mpihinana azy.+ Dia inona moa no soa azon’ny tompony amin’izany afa-tsy ny mijery an’ilay izy fotsiny?+
12 Mamy ny torimason’ny mpanompo, na kely na betsaka ny sakafony, fa ny habetsahan’ny fananan’ny mpanankarena kosa no tsy ahitany tory.
13 Izao no tena loza hitako etỳ ambanin’ny masoandro: Ny harena nangonin’ny tompony ihany no mampidi-kizo azy.
14 Ary ritra izany harena izany satria tsy nahomby ny zavatra nataony. Dia lasa tsy manana na inona na inona intsony izy rehefa manan-janaka lahy.+
15 Mitanjaka ny olona rehefa nivoaka avy tao an-kibon-dreniny, ary toy izany koa izy rehefa maty.+ Tsy afaka mitondra na inona na inona avy amin’ny asa mafy nataony izy.+
16 Izao koa ny tena loza: Hoatran’ny tamin’izy teraka ihany ny olona rehefa lasa. Koa inona moa no tombony azon’izay miasa mafy ho an’ny rivotra fotsiny?+
17 Misakafo ao anatin’ny haizina izy isan’andro, sady sorena be sy marary ary tezitra.+
18 Izao no zavatra hitako hoe tsara sy mety: Tokony hihinana sy hisotro ary hankafy ny asa mafy+ isasarany etỳ ambanin’ny masoandro ny olona, mandritra ny andro vitsy omen’Andriamanitra azy, fa izany no valisoany.*+
19 Rehefa omen’Andriamanitra harena sy fananana+ ny olona sady avelany hankafy an’ireny, dia tokony handray ny valisoany* izy ka hifaly amin’ny asa mafy ataony. Fanomezana avy amin’Andriamanitra izany.+
20 Fa tsy tena ho tsapany* hoe mandalo ihany ny androm-piainany, satria ataon’ilay tena Andriamanitra revo amin’ny zavatra mahafaly ny fony izy.+
Fanamarihana
^ Na: “ny zavatra eritreretina.”
^ Abt: “ny nofonao.”
^ Na: “mpitondra hafatra.”
^ Na: “anjarany.”
^ Na: “anjarany.”
^ Na: “tsy tena hotsaroany.”