Ohabolana 26:1-28
26 Hafahafa raha misy lanezy amin’ny fahavaratra, na misy orana amin’ny fotoam-pijinjana.Hoatr’izany koa fa hafahafa raha omena voninahitra ny adala.+
2 Misy antony matoa mandositra ny vorona na manidina ny sidintsidina,Dia hoatr’izany koa fa misy antony matoa tonga ny ozona.*
3 Natao ho an’ny soavaly ny karavasy, ho an’ny ampondra ny lamboridy,+Ary natao ho an’ny lamosin’ny tsisy saina ny tsorakazo.+
4 Aza mamaly ny tsisy saina araka ny hadalany,Sao ianao ho lasa mitovy aminy koa.
5 Valio araka ny hadalany ny adala,Sao izy hihevi-tena ho hendry.+
6 Toy ny olona manapaka ny tongony sy mandratra ny tenany*Ny olona manankina andraikitra amin’ny tsisy saina.
7 Hoatran’ny tongotry ny malemy tongotra,Dia hoatr’izany koa ny ohabolana lazain’ny tsisy saina.+
8 Izay manome voninahitra ny tsisy saina,Dia toy ny mamatotra vato amin’ny pilotra.+
9 Hoatran’ny tsilo eny an-tanan’ny olona mamoNy ohabolana lazain’ny tsisy saina.
10 Toy ny mpandefa zana-tsipìka mandratra an’izay sendra azy*Ny olona manakarama ny tsisy saina na ny mpandalo.
11 Hoatran’ny alika miverina amin’ny loanyNy tsisy saina miverina amin’ny hadalany.+
12 Mahita olona mihevi-tena ho hendry ve ianao?+
Ny adala aza mbola misy antenaina noho izy.
13 Hoy ny kamo: “Misy liona tanora eny an-dalana!Misy liona eny amin’ny tany malalaka!”+
14 Mihodina eo amin’ny savily ny varavarana,Ary mihodina eo am-pandrianany koa ny kamo.+
15 Mangarona ny ao anaty vilia baolina ny kamo,Nefa na ny hampakatra an’ilay tanany ho ao am-bavany aza mandreraka be azy.+
16 Mihevitra ny kamo hoeIzy no hendry kokoa noho ny olona fito mahay mamaly.
17 Hoatran’ny olona mitazona alika amin’ny sofinyNy mpandalo misafoaka* amin’ny adin’ny olon-kafa.+
18 Toy ny adala mandefa zana-tsipìka mirehitra sy mahafaty*
19 Izay manao sangy ratsy,* nefa avy eo miteny hoe: “Vazivaziko fotsiny iny e!”+
20 Maty ny afo rehefa tsy misy kitay,Ary mijanona ny fifamaliana rehefa tsy misy mpanendrikendrika.+
21 Toy ny saribao atao anaty vainafo sy kitay atao anaty afo,Dia hoatr’izany koa fa manitatra ady ny olona tia ady.+
22 Ny tenin’ny mpanendrikendrika dia hoatran’ny sakafo matsiro,*Ka tonga dia midina any an-kibo.+
23 Toy ny ranom-bolafotsy nahosotra tamin’ny silaka tanimangaNy teny mamy ataon’ny* olona ratsy saina.*+
24 Mahay miresaka erỳ ny mpankahala ka mihatsaravelatsihy,Nefa ny ao am-pony ao feno fitaka.
25 Aza matoky azy na dia manao teny malefaka aza izy,Satria zavatra fito maharikoriko no ao am-pony.*
26 Na dia mamitaka aza izy ka afeniny ny fankahalany,Dia hibaribary eo anivon’ny fiangonana ny toetra ratsiny.
27 Izay mihady lavaka ihany no ho latsaka ao,Ary izay manakodia vato ihany no hiverenany.+
28 Halan’ny mpandainga ny olona voafitany,Ary manimba olona ny teny fandokafana.+
Fanamarihana
^ Na mety hoe “fa tsy mandaitra ny ozona atao amin’ny olona tsy mendrika hozonina.”
^ Abt: “sy misotro herisetra.”
^ Na: “mandratra ny olona rehetra.”
^ Na mety hoe “midikiditra.”
^ Na: “zana-tsipìka sy fahafatesana.”
^ Na: “mamitaka olona.”
^ Na: “zavatra atao teli-moka.”
^ Abt: “Ny molotra miredaredan’ny.”
^ Abt: “fo ratsy.”
^ Na: “Tena maharikoriko mantsy ny fony.”