Salamo 94:1-23
94 Ry Jehovah Andriamanitra mpamaly ny ratsy natao ô,+Ry Andriamanitra mpamaly ny ratsy natao ô, mamirapirata!
2 Mitsangàna, ry Mpitsara ny tany+ ô,
Ka valio araka izay sahaza azy ny olona manambony tena.+
3 Mandra-pahoviana no mbola hifaly ny ratsy fanahy,+ Jehovah ô?Mandra-pahoviana?
4 Miteniteny foana sy mirehareha izy ireo;Mizahozaho ny mpanao ratsy rehetra.
5 Ataon’izy ireo torotoro ny vahoakanao, Jehovah ô!+Ary ampijaliny ny lovanao.
6 Vonoin’izy ireo ho faty ny mpitondratena sy ny vahiny,Ary vonoiny koa ny kamboty ray.
7 Hoy izy ireo: “Tsy mahita i Jah;+Tsy mahatsikaritra an’izany ny Andriamanitr’i Jakoba.”+
8 Mba mieritrereta, ry tsy misaina!Ry adala, rahoviana ianareo vao mba ho lalin-tsaina?+
9 Ilay nanao ny sofina indray ve no tsy handre?
Ary Ilay namorona ny maso ve no tsy hahita?+
10 Ilay manitsy an’ireo firenena ve dia tsy hananatra?+
Izy Ilay mampita fahalalana amin’ny olona!+
11 Fantatr’i Jehovah ny eritreritry ny olona,Fantany hoe toy ny fofonaina+ fotsiny izany.
12 Sambatra, ry Jah ô, izay olona anarinao,+Sy ampianarinao ny lalànao+
13 Mba hahatonga azy tsy hanana ahiahy rehefa ao anatin’ny fotoan-tsarotra,Mandra-pihady lavaka ho an’ny ratsy fanahy.+
14 Fa tsy hahafoy ny vahoakany i Jehovah,+Na handao ny lovany.+
15 Ho ara-drariny indray mantsy ny didim-pitsarana,Ary hanaiky an’izany daholo ny olona mahitsy fo.
16 Iza no hitsangana hiaro ahy amin’ny ratsy fanahy?
Iza no hiandany amiko hanohitra an’ireo mpanao ratsy?
17 Raha tsy i Jehovah no mpanampy ahy,Dia efa maty* aho hoatr’izay.+
18 Rehefa nilaza aho hoe: “Mibolisatra ny tongotro”,
Dia ny fitiavanao sy ny tsy fivadihanao no nanohana ahy, Jehovah ô!+
19 Rehefa be dia be ny zavatra nampitebiteby* ahy,*Dia nampionona sy nampitony ahy ianao.*+
20 Ny mpitondra* manao kolikoly ve dia hanohana anao,Nefa izy ireo aza mampiasa ny lalàna mba hamoronana teti-dratsy?+
21 Tafihiny amin-kabibiana ny olo-marina,+Ary melohiny ho faty* ny tsy manan-tsiny.+
22 Ho fialofana* azoko antoka anefa i Jehovah;Vatolampy fialofako+ ny Andriamanitro.
23 Havaliny amin’izy ireo ny ratsy nataony.+
Ny zava-dratsy ataon’izy ireo ihany no handringanany* azy.
Haringan’i Jehovah Andriamanitsika* tokoa izy ireo.+
Fanamarihana
^ Abt: “efa nitoetra tao amin’ny fahanginana.”
^ Na: “nampiasa saina.”
^ Na: “tato anatiko.”
^ Na: “ny fampiononanao no nampitony ahy.”
^ Na: “mpitsara.” Abt: “seza fiandrianana.”
^ Abt: “Ary lazainy fa meloka (na ratsy fanahy) ny ran’ny.”
^ Na: “toerana avo.”
^ Abt: “hampanginany.”
^ Na: “Hataon’i Jehovah Andriamanitsika mangina.”