TOKO FAHEFATRA AMBIN’NY FOLO
Fiarahana Mihantitra
1, 2. a) Fiovana inona avy no mitranga rehefa manatona ny fahanterana? b) Ahoana no nahitan’ireo olona tia an’Andriamanitra tamin’ny andron’ny Baiboly, fahafaham-po teo amin’ny fahanterany?
FIOVANA maro no mitranga rehefa mihantitra isika. Mikiky ny tanjatsika ny fahalemena ara-batana. Ny fijerena amin’ny fitaratra dia mampiharihary ketrona vaovao sy famoizana miandalana ny hamaintin’ny volo — sy ny volo mihitsy aza. Mety hahatsapa fihenan’ny fitadidiantsika isika. Misy fifandraisana vaovao miforona rehefa manambady ny ankizy, ary koa rehefa teraka ny zafikely. Ho an’ny sasany, ny fisotroan-dronono amin’ny asa dia miteraka fahazarana hafa eo amin’ny fiainana.
2 Raha ny marina, dia afaka ny hisedra ny fandrosoan’ny taona. (Mpitoriteny 12:1-8). Na dia izany aza, diniho ireo mpanompon’Andriamanitra tamin’ny andron’ny Baiboly. Na dia resin’ny fahafatesana aza izy ireny tamin’ny farany, dia nahazo fahendrena sy hevi-javatra, izay nitondra fahafaham-po lehibe ho azy tamin’ny fahanterany. (Genesisy 25:8; 35:29; Joba 12:12; 42:17). Ahoana no nahafahan’izy ireo nihantitra tamim-pahasambarana? Azo antoka fa tamin’ny fiainana nifanaraka tamin’ireo fotopoto-pitsipika izay hitantsika voarakitra ao amin’ny Baiboly amin’izao andro izao. — Salamo 119:105; 2 Timoty 3:16, 17.
3. Torohevitra inona no nomen’i Paoly an’ireo lehilahy sy vehivavy be taona?
3 Ao amin’ny taratasiny ho an’i Titosy, ny apostoly Paoly dia nanolotra tari-dalana marim-pototra ho an’ireo izay mihantitra. Hoy ny nosoratany: “Ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka amin’ny finoana, amin’ny fitiavana, amin’ny faharetana. Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay mendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin’ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara”. (Titosy 2:2, 3). Ny fitandremana ireo teny ireo dia afaka manampy anareo hiatrika ireo zava-tsarotra ny amin’ny fihanterana.
MAHAIZA MIFANARAKA AMIN’NY FAHALEOVAN-TENAN’NY ZANAKAREO
4, 5. Manao ahoana ny fihetsiky ny ray aman-dreny maro rehefa mandao ny tokantrano ny zanany, ary amin’ny fomba ahoana no ahaizan’ny sasany mampifanitsy ny fihetsiny amin’ilay tarehin-javatra vaovao?
4 Mitaky fahaiza-mifanaraka amin’ny tarehin-javatra vaovao ny fiovan’ny anjara asa. Marina toy inona moa izany rehefa mandao ny tokantrano ny zanaka tonga olon-dehibe ka manambady! Ho an’ny ray aman-dreny maro, dia izany no fampahatsiahivana voalohany fa mihantitra ny tenany. Na dia faly aza ny ray aman-dreny hoe tonga olon-dehibe ny zanany, dia matetika izy ireo no manahy hoe nanao izay rehetra azony natao ve ny tenany mba hanomanana ny zanany hahaleo tena. Ary mety halahelo koa izy ireo noho tsy maha-ao an-trano an’ireo ankizy intsony.
5 Mora azo raha manohy miahy ny amin’izay hahasoa ny zanany ny ray aman-dreny, na dia rehefa avy nandao ny tokantrano aza izy ireny. “Raha mba afaka mandray vaovao avy amin’izy ireo matetika fotsiny mantsy aho, mba hahazoako antoka hoe salama tsara izy — izany dia efa hahafaly ahy”, hoy ny reny iray. Hoy ny tantarain’ny ray iray: “Rehefa nandao ny tokantrano ny zanakay vavy, dia fe-potoana sarotra be tamin’izay. Namela banga lehibe tao amin’ny fianakavianay ilay izy, satria nanao ny zava-drehetra niaraka foana izahay.” Ahoana no nahazakan’ireo ray aman-dreny ireo ny tsy maha-eo intsony ny zanany? Tamin’ny maro taminy, izany dia tamin’ny fiahiana sy fanampiana olon-kafa.
6. Inona no manampy mba hihazonana ireo fifandraisam-pianakaviana ho eo amin’ny toerany avy?
6 Rehefa manambady ny ankizy, dia miova ny anjara asan’ny ray aman-dreny. Hoy ny ambaran’ny Genesisy 2:24: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany ireo.” (Izahay no manao sora-mandry.) Ny fanekena ireo fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra momba ny fahefan’izay lohany sy ny filaminana tsara dia hanampy ny ray aman-dreny hihazona ny zava-drehetra ho eo amin’ny toerany avy. — 1 Korintiana 11:3; 14:33, 40.
7. Fihetsika tsara dia tsara inona no nambolen’ny ray iray rehefa nandao ny tokantrano mba hanambady, ireo zanany vavy?
7 Rehefa nanambady ny zanakavavy roan’ny mpivady iray, ka niala tao an-trano, dia nahatsiaro fahabangana teo amin’ny fiainany izy mivady. Tamin’ny voalohany, ilay lehilahy dia tsy faly tamin’ireo vinantolahiny. Rehefa nisaintsaina momba ny fotopoto-pitsipika ny amin’ny fahefan’izay lohany anefa izy, dia nahatakatra fa ny vadin’ireo zanany vavy izao no tompon’andraikitra ny amin’ny ankohonany avy. Noho izany, rehefa nangataka torohevitra ireo zanany vavy, dia nanontaniany ny amin’izay noheverin’ny vadiny avy, ary avy eo dia nataony azo antoka ny hanome fanohanana araka izay azony natao. Mihevitra azy ho namana ankehitriny ireo vinantolahiny ary mandray ny toroheviny an-tanan-droa.
8, 9. Tamin’ny fomba ahoana no nifanarahan’ny ray aman-dreny sasany tamin’ny fahaleovan-tenan’ireo zanany tonga olon-dehibe?
8 Ahoana raha toa ireo mpivady vao, na dia tsy manao na inona na inona tsy araka ny Soratra Masina aza, ka tsy manao izay heverin’ny ray aman-dreny ho ny tsara indrindra? “Manampy azy ireo hahita ny fomba fihevitr’i Jehovah foana izahay”, hoy ny hazavain’ny mpivady iray izay manan-janaka efa manambady, “nefa raha tsy mitovy hevitra amin’ny fanapahan-kevitra iray noraisin’izy ireo izahay, dia manaiky azy io ihany ary manome azy ireo ny fanohananay sy ny fampaherezanay.”
9 Any amin’ny tany aziatika sasantsasany, dia misy reny mahita fa tena sarotra ny manaiky ny fahaleovan-tenan’ny zanany lahy. Kanefa, raha manaja ny filaminana sy ny fahefan’izay lohany kristiana izy ireo, dia hahita fa hihena ho faran’izay kely ny fifandonana amin’ny vinantovaviny. Hitan’ny vehivavy kristiana iray fa ny fialan’ireo zanany lahy tao amin’ny tokantranon’ny fianakaviany dia “loharanom-pankasitrahana tsy mitsaha-mitombo”. Mientan-kafaliana izy mahita ny fahaizan’izy ireo mitantana ny ankohonany vaovao. Etsy an-danin’izany koa, izany dia nidika ho fanamaivanana ilay entana ara-batana sy ara-tsaina tsy maintsy zakain’izy mivady eo am-pihanterany.
FANATANJAHANA INDRAY NY FEHIM-PANAMBADIANAREO
10, 11. Torohevitra araka ny Soratra Masina inona no hanampy ny olona hanalavitra ny sasany amin’ireo fandrika rehefa eo anelanelan’ny 40 sy 60 taona eo ho eo izy?
10 Maro samihafa ny fihetsiky ny olona tonga eo anelanelan’ny 40 sy 60 taona eo ho eo. Ny lehilahy sasany dia miova fiakanjo mba hanandramana hiseho ho tanora kokoa. Vehivavy maro no manahy ny amin’ireo fiovana entin’ny fitsaharan’ny fadimbolana. Mampalahelo fa ny olona sasany eo anelanelan’ny 40 sy 60 taona eo ho eo dia mihantsy ny vadiny hahatsapa tsy fahafaliana sy fahasarotam-piaro, amin’ny fijejojejoana amin’olona tsy lahy na tsy vavy tahaka ny tenany, izay tanora kokoa. Ireo lehilahy zokiolona araka an’Andriamanitra anefa dia ‘manana saina miorina tsara’, ka mifehy ireo faniriana tsy araka ny mety. (1 Petera 4:7, NW ). Ireo vehivavy matotra dia miezaka tahaka izany koa mba hihazona ny fiorenan’ny fanambadiany tsara, noho ny fitiavany ny vadiny sy ny faniriany hampifaly an’i Jehovah.
Ohabolana 31:10, 12, 28, fanamarihana ambany pejy.
11 Nahazo tsindrimandry i Lemoela Mpanjaka ka nirakitra an-tsoratra ny fiderana an’ilay “vehivavy mahay” izay ‘manao soa, fa tsy ratsy, [amin’ny vadiny], amin’ny andro rehetra iainany’. (Izahay no manao sora-mandry.) Ny lehilahy kristiana dia tsy hanadino ny hankasitraka ny fikelezana ain’ny vadiny mba hahazaka ny fikorontanana ara-pihetseham-po tsapan’izy io rehefa eo anelanelan’ny 40 sy 60 taona eo ho eo izy. Ny fitiavan-dralehilahy dia hanosika azy ‘hidera ny vadiny’. —12. Ahoana no ahafahan’ireo mpivady mifanatona kokoa, arakaraka ny fandehan’ireo taona?
12 Nandritra ireo taona feno zavatra natao tamin’ny fitaizana ny ankizy, dia samy nety ho nanilika tamim-pifaliana ireo fanirianareo manokana ianareo roa mba hikarakarana ny zavatra nilain’ireo zanakareo. Aorian’ny fahalasanan’izy ireo, dia izay no fotoana hifantohanareo indray amin’ny fanambadianareo. “Rehefa nandao ny tokantrano ireo zanakay vavy”, hoy ny lehilahy iray, “dia nanomboka ‘nampiaraka’ tamin’ny vadiko toy ny tamin’ny voalohany indray aho.” Hoy ny lehilahy iray hafa: “Mifampiahy ny amin’ny fahasalaman’ny ankilany izahay ary mifampahatsiahy ny amin’ny ilana ny hanaovana fanatanjahan-tena.” Mba tsy hahatsiarovana ho manirery, dia maneho fahaiza-mampiantrano vahiny amin’ny mpikambana hafa ao amin’ny kongregasiona izy mivady. Eny, ny fanehoana fiheverana ny hafa dia mitondra fitahiana. Fanampin’izany, dia mampifaly an’i Jehovah izany. — Filipiana 2:4, NW; Hebreo 13:2, 16.
13. Inona no anjara asan’ny firesahana tsy an-kifonofono sy amim-pahamarinana, rehefa miara-mihantitra ny mpivady?
13 Aza avela hisy hantsana eo amin’ny fifampiresahana hitombo eo aminareo mivady. Mifampiresaha amin-kalalahana. (Ohabolana 17:27). “Samy mandalina ny fahazoanay ny hevitry ny ankilany izahay, amin’ny fifampiahiana sy amin’ny fifanehoam-piheverana”, hoy ny teny nataon’ny lehilahy iray. Mitovy hevitra amin’izany ny vadiny, ka manao hoe: “Rehefa nihantitra izahay, dia nanjary nankafy ny miara-misotro dite sy ny mifampiresaka ary ny miara-miasa.” Ny firesahanareo tsy an-kifonofono sy amim-pahamarinana dia afaka manampy mba hanamafy ny fehim-panambadianareo, ka hanome azy io fahaiza-miarina indray izay hampandamòka ireo famelezan’i Satana, ilay mpandrotika fanambadiana.
ANKAFIZO IREO ZAFIKELINAREO
14. Inona no miharihary fa anjara asan’ny reniben’i Timoty teo amin’ny fitomboan’i Timoty ho Kristiana?
14 Ireo zafikely no “satroboninahitry” ny zokiolona. (Ohabolana 17:6). Ny fiarahana amin’ny zafikely dia afaka ny ho tena faharavoravoana — sady feno aina no mamelombelona. Ny Baiboly dia miresaka amin’ny fomba tsara momba an’i Loisa, renibe iray izay, niaraka tamin’i Eonika zanany vavy, dia nizara ny zavatra ninoany tamin’i Timoty zafikeliny mbola zazakely. Nitombo io ankizy io, tamin’ny fahalalana fa samy nihevitra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ho sarobidy ny reniny sy ny renibeny. — 2 Timoty 1:5; 3:14, 15, NW.
15. Raha ny amin’ireo zafikely, anjara sarobidy inona no azon’ireo raibe sy renibe raisina, nefa inona no tokony hohalavirin’izy ireo?
15 Io àry dia faritra manokana iray izay ahafahan’ny raibe sy renibe manana anjara sarobidy indrindra. Ry raibe sy renibe, efa nizara ny fahalalanareo momba ny fikasan’i Jehovah tamin’ireo zanakareo ianareo. Ankehitriny ianareo dia afaka manao izany koa amin’ny taranaka iray hafa indray! Ankizy kely maro no mientan-kafaliana mahare ny raibeny sy renibeny milaza tantara ara-baiboly. Mazava ho azy fa tsy haka ny andraikitry ny rainy handentika ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly ao amin’ny zanany, ianareo. (Deoteronomia 6:7, NW ). Mameno izany andraikitra izany kosa ianareo. Enga anie ny vavakareo ka ho ny an’ilay mpanao salamo manao hoe: “Mandra-pahantitro sy fotsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô, mandra-pilazako ny sandrinao amin’ny taranaka sy ny asanao lehibe amin’izay rehetra mbola ho avy.” — Salamo 71:18; 78:5, 6.
16. Ahoana no ahafahan’ireo raibe sy renibe tsy ho tonga anton’ny fitomboan’ny fihenjanana ao amin’ny fianakaviany?
16 Mampalahelo fa ny raibe sy renibe sasany dia mampihanta aoka izany an’ireo ankizy kely, hany ka manjary misy fihenjanana mitombo eo amin’ny raibe sy renibe sy ireo zanany efa lehibe. Kanefa ny hatsaram-panahinareo Efesiana 6:1-3). Raha ilaina, dia azonao atao ny manolotra ny hisava ny lalana ho an’ilay ankizy, amin’ny firesahana amin’ny ray aman-dreniny. Miresaha amim-pahatsorana amin’ny zafikelinao momba izay nianaranao tao anatin’ireo taona lasa. Afaka mitondra soa ho azy ny firesahanao amim-pahamarinana sy ny fahatsoranao.
feno fahatsoram-po angamba dia mety hanamora ny hamborahan’ny zafikelinareo ny ao am-pony aminareo, rehefa tsy ta hampiharihary zavatra amin’ny ray aman-dreniny izy. Indraindray ireo ankizy dia manantena fa hiombona aminy ho fanoherana ny ray aman-dreniny ny raibeny sy renibeny moramorainy. Ahoana amin’izay? Mampihara fahendrena ary ampirisiho ny zafikelinao hiresaka tsy an-kifonofono amin’ny ray aman-dreniny. Afaka manazava aminy ianao fa mampifaly an’i Jehovah izany. (MAHAIZA MANITSY NY FIHETSIKAO EO AM-PIHANTERANAO
17. Fahatapahan-kevitr’ilay mpanao salamo inona no tokony hotahafin’ireo Kristiana mihantitra?
17 Arakaraka ny androsoan’ny taona, dia ho hitanao fa tsy afaka manao ireo zavatra rehetra nataonareo taloha na tianao hatao, ianao. Ahoana no ahafahan’ny tena miatrika ny fihanterana? Ao an-tsainao ianao dia mety hahatsiaro ho mbola 30 taona, nefa ny topy maso amin’ny fitaratra dia mitory zava-misy hafa. Aza kivy. Hoy ny fitalahoan’ilay mpanao salamo tamin’i Jehovah: “Aza manary ahy, rehefa antitra aho; ary aza mahafoy ahy, rehefa ketraka ny heriko.” Aoka ianao ho vonona hanahaka ny fahatapahan-kevitr’ilay mpanao salamo. Hoy izy: “Izaho (...) dia hanantena mandrakariva, ary hitombo lalandava ny fiderako Anao.” — Salamo 71:9, 14.
18. Ahoana no ahafahan’ny Kristiana matotra iray mampiasa amin’ny fomba mahasoa ny fotoana fisotroany ronono?
18 Maro no niomana mialoha mba hampitomboany ny fiderany an’i Jehovah rehefa hisotro ronono amin’ny asany izy. “Nanaovako fandaharana mialoha izay hataoko rehefa hahavita fianarana ny zanakay vavy”, hoy ny hazavain’ny ray iray izay efa misotro ronono ankehitriny. “Nanapa-kevitra ny hanomboka ny fanompoana fitoriana manontolo andro aho, ka nivarotra ny fandraharahako mba ho malalaka Isaia 46:4.
hanompoako an’i Jehovah amin’ny fomba feno kokoa. Nivavaka aho mba hahazoako ny fitarihan’Andriamanitra.” Raha mihamanakaiky ny fotoana hisotroanao ronono ianao, dia manovoza fampiononana avy amin’izao fanambaran’ilay Mpamorona Lehibe antsika izao: “Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy-volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo.” —19. Torohevitra inona no omena an’ireo izay mihantitra?
19 Mety tsy ho mora ny fahaiza-mifanaraka amin’ny fisotroan-dronono amin’ny asa. Nanoro hevitra an’ireo lehilahy anti-panahy mba “hahonon-tena” ny apostoly Paoly. Izany dia mitaky fifehezan-tena ankapobe, dia ny tsy fanekena ho resin’ny fironana hitady fiainana mampiadana. Mety hilaina bebe kokoa noho ny taloha aza ny fahazarana sy ny fahaiza-manitsy tena, rehefa misotro ronono ny tena. Aoka àry ianao ho be hatao, ka ‘[hanan-javatra be dia be hatao foana, NW ] amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrao fa tsy foana tsy akory ny fikelezanao aina ao amin’ny Tompo’. (1 Korintiana 15:58). Halalaho ka anampio ny fanampiana ny hafa, ireo zavatra hataonao. (2 Korintiana 6:13). Kristiana maro no manao izany, amin’ny fitoriana amin-jotom-po ny vaovao tsara amin’ny hafainganam-pandeha nahitsiny. Rehefa mihantitra ianao, dia aoka ianao “hatanjaka amin’ny finoana, amin’ny fitiavana, amin’ny faharetana”. — Titosy 2:2.
FIATREHANA NY FAMOIZANA NY VADINAO
20, 21. a) Amin’izao fandehan-javatra ankehitriny izao, inona no tsy maintsy mampisaraka ny mpivady amin’ny farany? b) Tamin’ny ahoana i Ana no ohatra tsara dia tsara ho an’ireo olona namoy ny vadiny?
20 Zava-misy mampalahelo, nefa marina, ny hoe amin’izao fandehan-javatra ankehitriny izao, ireo mpivady dia hosarahin’ny fahafatesana amin’ny farany. Ny Kristiana namoy ny vadiny dia mahalala fa matory ankehitriny ilay olo-malalany. Matoky izy fa hahita ny vadiny indray. (Jaona 11:11, 25). Mbola mampahory ihany anefa ilay famoizana. Ahoana no ahafahan’ilay vady tavela miatrika azy io? *
21 Hanampy ny fitanana ao an-tsaina ny olona ara-baiboly Lioka 2:36-38). Ny fiainan’i Ana nanaovany fanompoana nomban’ny fivavahana dia tsy isalasalana fa fanafody lehibe tamin’ilay alahelo sy fahatsiarovana ho manirery tsapany noho izy maty vady.
iray izay. I Ana dia nanjary maty vady, fito taona monja taorian’ny nanambadiany, ary rehefa mamaky momba azy isika, dia efa 84 taona izy. Azontsika antoka fa ory izy fony namoy ny vadiny. Ahoana no nahazakany izany? Nanompo an’i Jehovah Andriamanitra andro aman’alina tao amin’ny tempoly izy. (22. Ahoana no nahazakan’ny vehivavy sy ny lehilahy sasany maty vady ny fahatsiarovany ho manirery?
22 “Ny zava-tsarotra lehibe indrindra ho ahy dia ny tsy fananako namana hiresahana”, hoy ny hazavain’ny vehivavy iray 72 taona, izay nanjary maty vady folo taona lasa izay. “Olona nahay nihaino ny vadiko. Niresaka momba ny kongregasiona izahay, sy momba ny anjara noraisinay teo amin’ny fanompoana kristiana.” Hoy ny vehivavy maty vady iray hafa: “Na dia manasitrana aza ny fotoana, dia hitako fa araka ny marina kokoa ny milaza hoe izay ataon’ny olona iray amin’ny fotoanany no manampy azy ho sitrana. Tsara toerana kokoa mba hanampiana ny hafa ianao.” Mitovy hevitra amin’izany ny lehilahy 67 taona iray maty vady, ka manao hoe: “Ny fomba mahatalanjona iray hahazakana ny alahelo dia ny fanomezanao avy amin’ny tenanao mba hampiononana ny hafa.”
HEVERIN’ANDRIAMANITRA HO SAROBIDY AMIN’NY FAHANTERANA
23, 24. Fampiononana lehibe inona no omen’ny Baiboly ho an’ireo be taona, indrindra fa ireo izay nanjary maty vady?
23 Na dia manesotra aminao ny vady malalanao aza ny fahafatesana, i Jehovah dia mitoetra ho mahatoky hatrany, ho azo antoka hatrany. “Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah”, hoy ny hiran’i Davida Mpanjaka fahizay, “izany no tadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny.” — Salamo 27:4.
24 “Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa”, hoy ny ampirisihan’ny apostoly Paoly. (1 Timoty 5:3). Ny torohevitra manaraka an’io toromarika io dia manondro fa ireo mpitondratena mendrika ka tsy nanana havana akaiky, dia nety ho nila fanohanana ara-nofo avy tamin’ny kongregasiona. Na dia izany aza, ilay toromarika mba ‘hanaja’ dia mahafaoka ny hevitra ny amin’ny fiheverana azy ireny ho sarobidy. Fampiononana toy inona moa no azon’ireo vehivavy sy lehilahy araka an’Andriamanitra ka maty vady, tovozina avy amin’ny fahalalana fa mihevitra azy ho sarobidy sady hanohana azy, i Jehovah! — Jakoba 1:27.
25. Tanjona inona no mbola eo anoloan’ireo zokiolona?
25 “Ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy”, hoy ny ambaran’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. “Satroboninahitra tsara tarehy [izy io, rehefa, NW ] ao amin’ny làlan’ny fahamarinana no ahazoana azy.” (Ohabolana 16:31; 20:29). Manohiza àry, na manambady ianao na nanjary tokan-tena indray, mihazona ny fanompoana an’i Jehovah ho eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainanao. Hanana laza tsara eo anatrehan’Andriamanitra ianao dieny ankehitriny, ary fahatsinjovana fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo iray izay tsy hisian’ny fanaintainan’ny fahanterana intsony. — Salamo 37:3-5; Isaia 65:20.
^ feh. 20 Mba hahazoana firesahana misy tsipiriany kokoa momba io foto-kevitra io, dia jereo ny bokikely Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao, natontan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.