TOKO FAHA-13
Sarobidy ny Aina
-
Nahoana isika no tian’Andriamanitra hanaja ny aina?
-
Ahoana ny fiheverany ny fanalana zaza?
-
Ahoana no ampisehoantsika fa manaja ny aina isika?
1. Iza no namorona ny zavamananaina rehetra?
HOY i Jeremia mpaminany: ‘I Jehovah no tena Andriamanitra. Izy no Andriamanitra velona.’ (Jeremia 10:10) I Jehovah Andriamanitra koa no Mpamorona ny zavamananaina rehetra. Hoy ny zavaboary any an-danitra taminy: “Namorona ny zava-drehetra ianao, ary noho ny sitraponao no nampisy sy namoronana azy ireny.” (Apokalypsy 4:11) Hoy koa i Davida Mpanjaka, rehefa nidera azy: “Ianao no loharanon’aina.” (Salamo 36:9) Fanomezana avy amin’Andriamanitra àry ny aina.
2. Inona avy no omen’Andriamanitra mba hivelomantsika?
2 I Jehovah koa no mamelona antsika. (Asan’ny Apostoly 17:28) Manome antsika sakafo hohanina izy, rano hosotroina, rivotra hiainana, ary tany hipetrahana. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 14:15-17.) Nataony koa izay hahatonga ny fiainantsika hahafinaritra. Raha tena te ho sambatra anefa isika, dia mila mianatra sy mankatò ny lalàny.—Isaia 48:17, 18.
HAJAO NY AINA
3. Inona no mampiseho fa tsy nankasitraka ny namonoana an’i Abela Andriamanitra?
3 Tian’Andriamanitra hanaja ny aina isika, izany hoe ny aintsika sy ny ain’olon-kafa. Nisy fotoana tezitra be tamin’i Genesisy 4:3-8) Nosazin’i Jehovah àry i Kaina.—Genesisy 4:9-11.
Abela zandriny lahy i Kaina zanak’i Adama sy Eva. Nampitandrina an’i Kaina i Jehovah tamin’izay fa mety hanao fahotana lehibe izy raha tsy mifehy ny hatezerany. Tsy noraharahain’i Kaina anefa izany, fa ‘namely an’i Abela rahalahiny izy ka nahafaty azy.’ (4. Inona no nolazain’Andriamanitra ao amin’ny Lalàn’i Mosesy, ka mampiseho hoe tena sarobidy ny aina?
4 An’arivony taona tatỳ aoriana, dia tian’i Jehovah hanompo azy araka izay tiany ny Israelita ka nomeny lalàna. Nantsoina hoe Lalàn’i Mosesy ireo lalàna ireo, satria tamin’ny alalan’i Mosesy mpaminany no nanomezana azy. Voalaza ao, ohatra, hoe: “Aza mamono olona.” (Deoteronomia 5:17) Midika izany fa tian’Andriamanitra hihevitra ny ain’olona ho sarobidy ny Israelita, satria tena sarobidy aminy ny aina.
5. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fanalana zaza?
5 Ary ahoana no tokony hiheverana ny ain’ny zaza ao am-bohoka? Nilaza ny Lalàn’i Mosesy fa voasazy izay olona manao zavatra mahafaty ny zaza ao an-kibon-dreniny. Sarobidy amin’i Jehovah koa àry, na dia ny ain’ny zaza ao am-bohoka aza. (Vakio ny Eksodosy 21:22, 23; Salamo 127:3.) Midika izany fa tsy mety ny manala zaza.
6. Nahoana isika no tsy tokony hankahala olona?
6 Ahoana no tokony hiheverantsika ny olon-kafa, raha manaja ny aina isika? Hoy ny Baiboly: “Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona, ary fantatrareo fa tsy misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao aminy.” (1 Jaona 3:15) Raha te hiaina mandrakizay isika, dia mila esorintsika tanteraka ao am-pontsika ny fankahalana, satria io matetika no mahatonga ny herisetra. (1 Jaona 3:11, 12) Tena mila mianatra mifankatia isika.
7. Milazà zavatra sasany fanaon’ny olona tsy manaja ny aina.
7 Ary ahoana no ampisehoantsika fa manaja ny aintsika isika? Tsy te ho faty ny ankamaroan’ny olona. Romanina 6:19; 12:1; 2 Korintianina 7:1.) Tsy maintsy miala amin’ireo fanao ireo isika, raha tiantsika hankasitrahany ny fanompoana ataontsika. Mety ho sarotra be izany, nefa afaka manampy antsika i Jehovah. Tena faly izy raha miezaka manaja ny aina nomeny antsika isika.
Misy anefa manao zavatra mety hahafaty mba hahazoana fahafinaretana. Be dia be, ohatra, no mifoka sigara na rongony, na mihinam-paraky. Mankarary anefa ireny, ary matetika no mahafaty. Tsy mihevitra ny aina ho masina izay zatra manao an’ireo. Fanao maloto ireo amin’Andriamanitra. (Vakio ny8. Nahoana isika no tokony hitandrina foana?
8 Raha manaja ny aina isika, dia hitandrina tsara foana mba hisorohana loza. Tsy hanaonao foana na hisetrasetra loza isika, satria fotsiny hoe mahafinaritra na manaitaitra ilay izy. Hitandrina tsara isika rehefa mitondra fiara, ary tsy hanao fanatanjahan-tena misy herisetra na mampidi-doza. (Salamo 11:5) Izao no lalàna nomen’Andriamanitra ny Israelita fahiny, rehefa nanao trano nisy tafo marin-tampona izy ireo: “Asio arofanina ny tampon-trano raha manao trano vaovao ianao. Amin’izay dia tsy hahatonga trosan-dra amin’ny tranonao ianao. Mety hisy olona hianjera mantsy avy eny.” (Deoteronomia 22:8) Inona no ianaranao avy amin’izany? Amboary tsara, ohatra, ny tohatra ao an-tranonao, mba tsy hisy olona hibolisatra na hianjera ka haratra mafy. Raha manana fiara indray ianao, dia kojakojao tsara ilay izy mba hisorohana loza. Aza avela hampidi-doza anao na ny olon-kafa ny tranonao na ny fiaranao.
9. Ahoana no fomba itondrantsika ny biby, raha manaja ny aina isika?
9 Ahoana indray no tokony hiheverantsika ny ain’ny biby? Masina koa ny ain’izy ireny amin’ny Mpamorona. Avelany hamono biby isika mba hatao sakafo na akanjo na hiarovan-tena amin’ny loza. (Genesisy 3:21; 9:3; Eksodosy 21:28) Tsy tiany anefa raha mampijaly biby isika na mamono azy ireny, mba hialana voly fotsiny. Tsy mihevitra ny aina ho masina isika raha manao an’izany.—Ohabolana 12:10.
HAJAO NY RA
10. Ahoana no nampisehoan’Andriamanitra fa mifandray ny aina sy ny ra?
10 Hoy i Jehovah tamin’i Kaina, rehefa namono an’i Abela zandriny izy: “Miantsoantso mitaraina amiko avy amin’ny tany ny ran’ny rahalahinao.” (Genesisy 4:10) Ny ain’i Abela no tian’i Jehovah horesahina tamin’ilay hoe rany. Toy ny hoe nitaraina tamin’i Jehovah mba hanao ny rariny ny ran’i Abela, na ny ainy. Tsy maintsy sazina àry i Kaina, satria nesoriny ny ain’i Abela. Hita koa hoe mifandray ny aina sy ny ra, rehefa jerena ny didin’i Jehovah tamin-dry Noa. Voankazo sy legioma ary voamadinika ihany mantsy no nohanin’ny olona talohan’ny Safodrano. Taorian’ny Safodrano izy ireo vao navelan’i Jehovah nihinana hena. Hoy izy tamin’i Noa sy ny zanany: “Azonareo atao sakafo ny biby mihetsiketsika rehetra izay velona.” Nilaza anefa izy hoe: ‘Tsy azonareo hanina ny nofo misy aina, izany hoe mbola misy ra.’ (Genesisy 1:29; 9:3, 4) Midika izany fa tena mifandray ny aina sy ny ra amin’i Jehovah.
11. Tsy navelan’Andriamanitra hatao ahoana ny ra, nanomboka tamin’ny andron’i Noa?
11 Manaja ny ra isika raha tsy mihinana azy io. Hoy i Jehovah tao amin’ilay Lalàna ho an’ny Israelita: ‘Raha misy amin’ny zanak’Israely mihaza ka mahazo bibidia na vorona azo hanina, dia hararany amin’ny tany ny rany, ka hototofany vovoka. Aza mihinana ny ran’ny nofo, na nofon’inona izany na nofon’inona.’ (Levitikosy 17:13, 14) Efa 800 taona talohan’io ilay didin’i Jehovah tamin’i Noa hoe aza mihinana ra, nefa mbola nanan-kery ihany ilay izy tamin’io. Nazava àry ny fomba fihevitr’i Jehovah, hoe: Afaka nihinan-kena ny mpanompony, fa tsy nahazo nihinana ra. Tsy maintsy nararany tamin’ny tany ny ra, ka hoatran’ny hoe namerina ny ain’ilay biby tamin’Andriamanitra izy ireo tamin’izany.
12. Inona ny didy momba ny ra, nomena tamin’ny alalan’ny fanahy masina, ary mbola manan-kery ankehitriny?
Asan’ny Apostoly 15:28, 29; 21:25) Tsy maintsy ‘mifady ny ra’ koa àry ny Kristianina, satria amin’Andriamanitra dia ratsy hoatran’ny manompo sampy sy mijangajanga ny mihinana ra.
12 Tamin’ny taonjato voalohany, dia nandinika an’izay didy tsy maintsy ankatoavin’ny Kristianina rehetra ny apostoly sy ny mpiandraikitra. Izao no tapaka, rehefa avy nivory izy ireo: “Sitraky ny fanahy masina sy izahay ny tsy hanampy enta-mavesatra anareo, afa-tsy ireto zavatra tsy maintsy hotandremana ireto: Ny mifady ny zavatra natao sorona ho an’ny sampy, sy ny ra sy ny biby nokendaina [izany hoe tsy nalatsa-dra] ary ny fijangajangana.” (13. Nahoana no tsy manaiky hampidiran-dra ny olona mifady ny ra?
13 Tsy hampiditra ra amin’ny vatantsika koa isika, raha mifady ny ra. Nahoana? Eritrereto hoe asain’ny dokotera mifady toaka ianao. Midika ve izany hoe ny misotro toaka ihany no tsy mety, fa tsy maninona raha ampidirina amin’ny lalàn-dra ilay izy? Mazava ho azy fa tsia. Hoatr’izany koa ilay hoe mifady ny ra. Tsy hampiditra ra amin’ny vatantsika mihitsy isika, na amin’ny fomba ahoana izany na amin’ny fomba ahoana. Raha tena mifady ny ra àry isika, dia tsy hanaiky hampidiran-dra mihitsy, na iza na iza mampirisika antsika hanao izany.
14, 15. Inona no tokony hataon’ny Kristianina raha milaza aminy ny dokotera hoe tsy maintsy hampidiran-dra izy, ary nahoana?
14 Ahoana anefa raha maratra mafy ny Kristianina iray na mila fandidiana lehibe? Ahoana raha milaza ny dokotera fa tsy maintsy hampidiran-dra izy, raha tsy izany dia ho faty? Mazava ho azy fa tsy te ho faty izy. Te hiaro an’ilay aina sarobidy nomen’Andriamanitra izy, ka hanaiky an’izay fitsaboana hafa tsy ampiasana ra. Hitady an’izany fitsaboana izany izy raha misy, ka hanaiky an’izay rehetra azo asolo ny ra.
15 Tsy handika ny lalàn’Andriamanitra mihitsy anefa ny Kristianina, satria fotsiny hoe te ho ela velona kokoa eto Matio 16:25) Tsy te ho faty isika. Mety tsy ho afaka hiaina mandrakizay anefa isika, raha mandika ny lalàn’Andriamanitra mba hiarovana ny aintsika. Hendry isika raha matoky hoe ara-drariny ny lalàn’Andriamanitra. Mino tanteraka koa isika fa raha sanatria maty, dia hahatsiaro antsika ilay Mpanome Aina ka hanangana antsika amin’ny maty.—Jaona 5:28, 29; Hebreo 11:6.
amin’ity tontolo ity. Hoy mantsy i Jesosy: “Izay te hamonjy ny ainy dia hamoy azy, ary izay mamoy ny ainy noho ny amiko kosa dia hahazo azy.” (16. Tena tapa-kevitra hanao inona ny mpanompon’Andriamanitra?
16 Tena tapa-kevitra hifady ny ra ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny. Tsy hihinana ra mihitsy izy ireo, na ahoana na ahoana fomba ikarakarana azy. Tsy hanaiky hampidiran-dra mihitsy koa izy ireo, mba hitsaboana azy. * Matoky izy ireo fa mahafantatra an’izay tena mahasoa azy ireo ilay Mpamorona ny ra. Mino an’izany koa ve ianao?
ZAVATRA IRAY IHANY NO AZO AMPIASANA RA
17. Inona ihany no navelan’i Jehovah Andriamanitra hampiasana ny ra, teo amin’ny Israely fahiny?
17 Nantitranterin’ny Lalàn’i Mosesy fa zavatra iray ihany no azo ampiasana ny ra. Nandidy ny Israelita i Jehovah hoe: Levitikosy 17:11) Rehefa nanota ny Israelita, dia nila nanao sorona biby mba hahazoana famelan-keloka, ka nafafy teo amin’ny alitara ny ran’ilay biby. Tany amin’ny tranolay masina izany no natao. Rehefa vita ny tempoly tatỳ aoriana, dia tany indray no natao ilay sorona. Rehefa nanao fanatitra ihany ny Israelita, vao nahazo nampiasa ra.
“Ao amin’ny ra ny ain’ny nofo. Ary nasaiko natao teo amin’ny alitara ny ra mba handrakofana ny fahotanareo, satria ny ra no mandrakotra fahotana noho ny aina ao aminy.” (18. Inona ny soa raisintsika avy amin’ny ra nalatsak’i Jesosy?
18 Tsy eo ambany Lalàn’i Mosesy ny tena Kristianina ka tsy manao fanatitra biby, ary tsy manisy ram-biby eo amin’ny alitara. (Hebreo 10:1) Ny fampiasana ra teo amin’ny alitara tamin’ny andron’ny Israely fahiny anefa, dia mifanitsy amin’ilay sorona sarobidy nataon’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra. Efa hitantsika fa namoy ny ainy ho antsika izy, rehefa nanaiky handatsaka ny rany ho sorona. Nankany an-danitra izy taorian’izay, ary natolony an’Andriamanitra indray mandeha monja ny vidin’ilay ra nalatsany. (Hebreo 9:11, 12) Afaka mahazo famelan-keloka àry isika, ary ho afaka hiaina mandrakizay. (Matio 20:28; Jaona 3:16) Zava-dehibe tokoa ny nampiasana ny ra tamin’io. (1 Petera 1:18, 19) Tsy ho voavonjy isika raha tsy mino fa tena sarobidy ny ra nalatsak’i Jesosy.
19. Inona no tsy maintsy ataontsika, raha te ho “afaka amin’ny ran’ny olona rehetra” isika?
19 Tena mankasitraka an’i Jehovah Andriamanitra isika, satria tia antsika izy ka nanome aina antsika. Tokony ho sarobidy amintsika koa ny ain’olon-kafa, satria sarobidy amin’Andriamanitra. Mila mazoto mampahafantatra amin’ny olona àry isika fa ho afaka hiaina mandrakizay izy ireo, raha mino ny soron’i Jesosy. (Vakio ny Ezekiela 3:17-21.) Raha manao an’izany isika, dia ho afaka hilaza hoatran’ny apostoly Paoly hoe: “Afaka amin’ny ran’ny olona rehetra aho, satria tsy niahotra nilaza taminareo ny sitrapon’Andriamanitra rehetra.” (Asan’ny Apostoly 20:26, 27) Hita hoe tena manaja ny aina sy ny ra isika, raha miresaka amin’ny olona momba an’Andriamanitra sy ny fikasany.
^ feh. 16 Raha mila fanazavana momba ny fitsaboana azo atao solon’ny fampidiran-dra ianao, dia jereo ny lahatsoratra hoe “Zavatra Tsara Kokoa azo Asolo ny Ra” ao amin’ny bokikely Ahoana no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.