Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manam-paharetana

Manam-paharetana

Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe manam-paharetana izy?

Ro 2:4; 9:22

Jereo koa ny Ne 9:30

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Je 7:23-25​—Nohazavain’i Jehovah hoe nanam-paharetana be tamin’ilay vahoakany nikiry tsy nankatò izy

    • 2Pe 3:3-9, 15​—Nohazavain’ny apostoly Petera hoe ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe manam-paharetana izy ary nahoana. Nolazainy koa anefa hoe misy fetrany izany

Nahoana isika no tokony hiezaka hanam-paharetana?

Oh 25:15; Ef 4:1-3; 2Ti 2:24, 25; 4:2

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 39:19-21; 40:14, 15, 23; 41:1, 9-14​—Namidy ho andevo i Josefa ary nogadraina tsy ara-drariny nandritra ny taona maro tany Ejipta. Nanam-paharetana anefa izy ka niaritra an’izany sady nanam-pinoana foana

    • He 6:10-15​—Niresaka momba ny modely nomen’i Abrahama ny apostoly Paoly mba hampianarana ny Kristianina hoe zava-dehibe ny manam-paharetana