1. Mifanaraka Amin’ny Tantara
Antony Atokisana ny Baiboly
1. Mifanaraka Amin’ny Tantara
Sarotra ny hatoky ny zavatra lazain’ny boky iray, raha hita fa misy tsy marina ao anatiny. Aoka hatao hoe mamaky boky momba ny tantara ianao. Milaza izy io fa tamin’ny 1958 no nahazo fahaleovan-tena ny firenena malagasy, na antsoiny hoe mpanjaka ny filoham-pirenena. Tsy hisalasala ny amin’ny zavatra hafa resahin’io boky io ve ianao, rehefa mahita zavatra diso toy izany?
MBOLA tsy nisy nahavita nanaporofo fa tsy mifanaraka amin’ny tantara ny Baiboly. Olona tena nisy sy zavatra tena nitranga no resahiny.
Olona. Tsy eken’ny mpanao tsikera hoe tena nisy i Pontio Pilato. Io governora romanina tany Jodia io no nanolotra an’i Jesosy hofantsihana. (Matio 27:1-26) Misy porofon’izany anefa. Nisy vato [1] hita mantsy tany Kaisaria, any Mediterane, tamin’ny 1961. Voasoratra eo amin’izy io fa efa mpitondra tao Jodia i Pilato.
Talohan’ny 1993, dia ny Baiboly ihany no nanaporofo fa tena nisy i Davida, ilay mpiandry ondry be herim-po lasa mpanjakan’ny Israely. Nahita vato bazalta [2] tany amin’ny faritra avaratr’i Israely anefa ny mpanao fikarohana ambanin’ny tany, tamin’ny 1993. Tombanana ho tamin’ny taonjato fahasivy T.K. ilay izy, ary milaza ny manam-pahaizana fa misy soratra eo amin’izy io hoe “Taranak’i Davida” sy hoe “mpanjakan’ny Israely.”
Zava-nitranga. Milaza ny Baiboly fa niady tamin’ny firenen’ny Israely ny firenen’i Edoma, tamin’ny andron’i Davida. (1 Tantara 18:12, 13) Maro ny manam-pahaizana nisalasala ny amin’izany. Nilaza mantsy izy ireo fa olon-tsotra mpiandry ondry ny Edomita tamin’izany, ary mbola tsy voalamina tsara na natanjaka be hampahatahotra ny Israely, raha tsy efa ela tatỳ aoriana. Hita tamin’ny fikarohana ambanin’ny tany natao vao haingana anefa, fa “taonjato maro talohan’izany i Edoma no efa fiaraha-monina nandroso be, toy ny hita ao amin’ny Baiboly.”—Ny Arkeolojia sy ny Baiboly (anglisy).
Anaram-boninahitra. Maro ny mpitondra teto amin’ity tontolo ity, nandritra ireo 1 600 taona nanoratana ny Baiboly. Marina foana ny anaram-boninahitra iantsoana azy ireny, ao amin’ny Baiboly. ‘Lehibem-paritra’ tokoa, ohatra, i Heroda Antipasy, ary tena ‘governora’ i Galio. (Lioka 3:1; Asan’ny Apostoly 18:12) Milaza ny Ezra 5:6 fa governoran’ilay faritany persanina “an-dafin’ny ony” na ny Reniranon’i Eofrata, i Tatenay. Nisy soratra mitovy amin’izany teo amin’ny vola madinika iray tamin’ny taonjato fahefatra T.K. Voalaza eo fa mpitondra an’ilay faritany “An-dafin’ny Ony “ i Mazaeus, governora persanina.
Zava-dehibe ny filazana ny marina, na dia amin’ny tsipiriany madinika aza. Raha azontsika atokisana àry ny tsipiriany madinika nosoratan’ny mpanoratra Baiboly, tsy vao mainka ve isika hatoky ny zavatra hafa nosoratany?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 5]
1: Photograph © Israel Museum, Jerusalem; courtesy of Israel Antiquities Authority; 2: HUC, Tel Dan Excavations; sary: Zeev Radovan