Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Mahasoa ve ny Torohevitry ny Baiboly?

Tena Mahasoa ve ny Torohevitry ny Baiboly?

Tena Mahasoa ve ny Torohevitry ny Baiboly?

‘Mba marina ve izany zavatra lazain’ity olona ity izany?’ Mety hieritreritra toy izany ianao rehefa misy olona mivarotra zavatra aminao, na misy mpanao politika manao fampielezan-kevitra. Tsy te handany vola amin’ny zavatra mora simba ianao, ary tsy te handany fotoana amina resaka tsy mahasoa.

METY hieritreritra koa ianao hoe: ‘Misy zavatra mahasoa tokony ho fantatro ve ao amin’ny Baiboly? Tsy ho very fotsiny ve ny fotoanako, raha miezaka mamaky sy mianatra azy io aho?’ Manampy anao hahita ny valin’izany ny andinin-teny iray ao amin’ny Baiboly, manao hoe: ‘Ny fahendrena dia hamarinin’ny asany.’ (Matio 11:19) Ny vokatra azo rehefa mampihatra torohevitra na “fahendrena” no ahitana raha mahasoa ilay izy na tsia. Maro ny olona nanokana fotoana hianarana Baiboly, ary hiresaka ny sasany amin’izy ireo isika. Ho hitanao avy amin’ny zavatra lazain’izy ireo, raha tokony hamaky sy hianatra an’io boky tsy manan-tsahala io ianao na tsia.

Manao ahoana ny olona rehefa maty?

Mipetraka any Etazonia i Karen, ary efa maty ny reniny. Efa hatramin’ny mbola kely izy, no nino fa mankany an-danitra daholo ny olona tsara fanahy rehefa maty. Tsy dia nampahery azy anefa izany. Nanontany tena izy hoe: ‘Hoatran’iza re izay i Neny any an-danitra any e? Ahoana no hahitako azy raha tonga any aho? Mba ho any an-danitra ve anefa aho rehefa maty, sa halefa any an-toeran-kafa?’

Nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Karen, ka fantany fa tsy mankany an-danitra ny maty. Toy ny hoe ao anatin’ny torimaso lalina fotsiny izy ireo. ‘Tsy mahalala na inona na inona ny maty’, hoy ny Mpitoriteny 9:5. Hahita ny reniny indray ve anefa i Karen?

Nampahery sy nahatonga azy hanana fanantenana ilay andinin-teny hoe: “Aza gaga amin’izany fa ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny [feon’i Kristy], dia hivoaka izy ireo.” (Jaona 5:28, 29) Fantany fa hanangana ny maty Andriamanitra amin’ny alalan’ny Zanany, ary hiaina eto an-tany indray izy ireo. Hoy i Karen: “Mora eken’ny saina ny fampianaran’ny Baiboly momba ny fahafatesana sy ny fananganana ny maty.”

Ahoana no ahalalana ny fivavahana marina?

Pentekotista i Angela tamin’izy 14 taona. Nivavaka ho azy ny pasiteran’izy ireo mba hahazoany ny fanahy masina, ka nanomboka niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra izy. Hitan’ny ray aman-dreniny anefa fa tsy mifanaraka amin’ny Baiboly ny fampianaran’ny Pentekotista. Tsy niangona tany intsony àry ry zareo, fa nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nalahelo i Angela tamin’ny voalohany. Tsy ela anefa dia hitany fa tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Baiboly ny zavatra ataon’ny Pentekotista. Izao, ohatra, no resahin’ny Jaona 17:3: “Mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.” Takatr’i Angela fa tsy maintsy mahalala an’Andriamanitra ny olona iray vao hahazo sitraka aminy. Hoy izy: “Ahoana moa no hahazoako ny fanahin’Andriamanitra, raha izaho aza tsy nahalala tsara azy akory? Izany ve dia mba hety?” Hoy koa izy: “Misaotra an’i Jehovah aho, noho izy nanampy ahy hahita ny fivavahana marina tamin’ny alalan’ny Teniny.”

Torohevitra nanova olona

“Mora tezitra aho taloha”, hoy i Gabriel, mipetraka any Inde. “Mikiakiaka sy manipy zavatra aho rehefa tezitra, ary manompa na mikasi-tanana mihitsy aza. Nanampy ahy hifehy tena ny fianarana Baiboly. Tony aho izao, na dia misy zavatra tena mampahatezitra aza.”

Namaky andinin-teny maro i Gabriel, anisan’izany ny Ohabolana 16:32 hoe: “Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.” Mora tezitra koa i Dhiraj taloha. Hoy izy: “Takatro avy amin’io andinin-teny io fa ratsy toetra ny olona tsy mahafehy fahatezerana, ary tsara toetra kosa ny olona mahafehy tena.”

Mipetraka any Afrika Atsimo i Philip, ary jiolahy izy taloha. Tia niady sy nandroba ary niteny ratsy izy. Nigadra izy noho ny heloka vitany. Tena naniry hahalala an’Andriamanitra anefa i Philip. Nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, ary naniry hiova sy hanompo an’Andriamanitra. Nialany ny fahazaran-dratsiny, ary tsy niaraka tamin’ny jiolahy namany intsony izy. Inona no fahamarinana ara-baiboly nandrisika azy hiova toy izany?

Nasehon’ny Vavolombelon’i Jehovah azy ilay tenin’i Jesosy hoe: “Tsy misy mahay manatona ahy raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka ahy.” (Jaona 6:44) Hoy i Philip: “Nahita toetra tsara tao amiko i Jehovah, ary notaominy aho mba ho anisan’ny vahoakany, dia izao fianakavian’ny mpirahalahy mahafinaritra izao.” Nisy vokany lalina taminy koa ireo tantara ao amin’ny Baiboly mampiseho fa mamindra fo amin’ny mpanota mibebaka i Jehovah. Hoy izy: “Tsapako fa mahay mandanjalanja i Jehovah rehefa mifandray amin’ireo olona tsy lavorary nibebaka tamin’ny fahotany.”—2 Samoela 12:1-14; Salamo 51.

Niboboka toaka, nidoroka zava-mahadomelina, niloka, ary naloto fitondran-tena i Wade, tanora aostralianina. Tsy nahatsiaro sambatra anefa izy. Niresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, indray andro, ary nanaiky hianatra Baiboly. Inona no vokatr’izany?

Hoy izy: “Tena nanohina ny foko ny fomba nitondran’i Jesosy ny olona rehetra, anisan’izany ny ankizy. Tsara fanahy sy nangoraka ary tia olona izy. Naniry hanahaka an’i Jesosy aho, arakaraka ny nahafantarako azy. Nianarako tao amin’ny Baiboly ny atao hoe tena lehilahy, sy ny fomba azoko anatsarana ny toetrako.” Ary ahoana ny amin’ireo zava-dratsy rehetra nataony taloha? Hoy izy: “Nianarako tao amin’ny Baiboly, fa raha mibebaka sy manova ny fitondran-tenako aho, dia hamela ahy Andriamanitra. Ho afaka hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany mihitsy aza aho. Afaka manana hoavy sambatra aho izao!” (Matio 5:5) Niova i Wade ary manompo an’i Jehovah izy ankehitriny sady manana feon’ny fieritreretana madio.

Tenin’olona naniry hanatsara ny fiainany ireo hitantsika teo ireo. Niatrika olana izy ireo ary nanana fanontaniana maro nanitikitika ny sainy, ka nianatra Baiboly mba hahitana vahaolana. Niaiky izy ireo, rehefa nahita ny soa noraisiny, fa azo ianteherana ny Baiboly ary mahasoa ny tari-dalany. Ary ahoana ny aminao?

Hoy ny Soratra Masina: “Sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana. Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara. Saro-bidy noho ny voahangy izy; ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy. Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia. Làlana mahafinaritra ny làlany, ary fiadanana ny alehany rehetra. Hazon’aina ho an’izay rehetra mifikitra aminy izy; ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.”—Ohabolana 3:13-18.

[Efajoro/​Sary, pejy 25]

NANAMPY NY VOAFONJA IRAY NY BAIBOLY

Nanana tokantrano sambatra i Bill. Nigadra anefa izy tsy ampy herintaona taorian’ny nanambadiany, noho ny heloka nataony taloha.

Nalahelo be izy rehefa nieritreritra ireo taona maro holaniny ao am-ponja. Tapa-kevitra izy avy eo fa hanao zavatra tsara mandritra ny fotoana higadrany. Hoy izy: “Nipetraka teo ambony fandriana aho ary namaky sy nianatra Baiboly.” Nampihariny koa izay nianarany. Hoy izy: “Tsara fanahy tamin’ny voafonja hafa aho, ary fantatr’izy ireo fa tsy te hanao ratsy toa azy. Izao no nolazain’izy ireo: ‘Miezaka hahalala an’Andriamanitra sy ny Baiboly i Bill. Izany no andaniany ny fotoanany. Tsy hanisy ratsy olona mihitsy izy.’ ”

“Tsy nampidirin’izy ireo tamin’ny adiny na ny zava-dratsy hafa nataony aho, noho ny laza tsara nananako. Tsapan’ireo mpiambina fa tsy hanahirana azy ireo aho. Tsy nampiarahina niasa tamin’ny voafonja hafa intsony aho tatỳ aoriana. Nampihatra ny torohevitry ny Baiboly aho, ary tena niaro ahy izany.”

Nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah natao tao am-ponja i Bill, ary nazoto niresaka ny zavatra nianarany tamin’ny voafonja hafa. Natao batisa tany am-ponja izy. Hoy izy rehefa namisavisa ny lasa: “Lany tamin-javatra tsy nisy dikany ireo 50 taona niainako. Te hiova aho. Miaiky aho fa tsy misy fomba azon’ny voafonja anaovana an’izany, afa-tsy ny mampihatra izay ampianarin’ny Baiboly. Tokony hianatra miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao, raha te hahafantatra ny marina ao amin’ny Baiboly. Tsy sarotra mihitsy izany! Ny fivavahan’izy ireo ihany no mampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.”

Efa nivoaka ny fonja izao i Bill, ary mazoto manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny fiangonana iray any Etazonia. Mbola mianatra ny Tenin’Andriamanitra foana izy mivady, ary mampihatra izay ianarany. Miaiky izy ireo fa marina ilay teny ao amin’ny Isaia 48:17, 18 hoe: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao.”

[Sary, pejy 23]

Karen, Etazonia

[Sary, pejy 23]

Angela, Romania

[Sary, pejy 24]

Dhiraj, Inde

[Sary, pejy 24]

Gabriel, Inde

[Sary, pejy 24, 25]

Philip sy ny fianakaviany, Afrika Atsimo

[Sary, pejy 24]

Wade, Aostralia