Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Iresahako Amin’i Dada sy Neny?

Ahoana no Iresahako Amin’i Dada sy Neny?

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana no Iresahako Amin’i Dada sy Neny?

“Efa tsy mora tamiko ny niresaka ny fihetseham-poko tamin’i Dada sy Neny. Notapahin-dry zareo anefa ny teniko, ka tsy tafavoakako indray ilay izy!”—Rotsy. *

MAY erỳ ianao ny haka hevitra tamin’i Dada sy Neny, tamin’ianao mbola kely. Nolazainao tamin’izy ireo izay vaovao renao, na lehibe na tsia. Tsy nihafahafa mihitsy ianao niresaka izay tao an-tsainao sy tao am-ponao. Natokisanao ny torohevitr’izy ireo.

Tsapanao anefa izao fa tsy mahatakatra ny fihetseham-ponao intsony ry zareo. Hoy i Felana: “Nanomboka nitomany sy namboraka ny tao am-poko tamin’i Dada sy Neny aho, indray hariva, nandritra ny sakafo. Nihaino ahy ry zareo, nefa hoatran’ny tsy nahatakatra ny fihetseham-poko.” Ny vokany? “Nankany amin’ny efitranoko aho, ary vao mainka nitomany!”

Aleonao tsy miresaka amin’ny ray aman-dreninao indraindray. Hoy i Setra: “Miresaka zavatra maro amin’i Dada sy Neny aho. Tiako anefa indraindray raha tsy fantatr’izy ireo izay rehetra ato an-tsaiko.”

Ratsy ve ny tsy miresaka zavatra sasany amin’ny ray aman-dreny? Tsy voatery, raha mbola tsy mamitaka azy ireo ianao. (Ohabolana 3:32) Marina fa toa tsy mahatakatra ny fihetseham-ponao ny ray aman-dreninao, na ianao no tsy te hiresaka aminy. Mila miresaka amin’izy ireo anefa ianao, ary izy ireo koa mila mahalala izay tsapanao.

Miresaha foana!

Azo oharina amin’ny fitondrana fiara ny fifampiresahana amin’ny ray aman-dreny. Tsy hoe hijanona tanteraka akory ianao, raha misy sakana eny an-dalana. Hitady lalana hafa fotsiny ianao. Ireto misy ohatra.

Sakana #1: Te hiresaka ianao, fa toa tsy mihaino anao ny ray aman-dreninao. Hoy ny ankizivavy iray atao hoe Lila: “Sarotra amiko ny miresaka amin’i Dada. Efa niteny elaela aho indraindray vao hoy izy: ‘Oay, azafady! Niresaka tamiko angaha ianao teo?’ ”

FANONTANIANA: Ahoana raha tena mila miresaka ny olana mahazo azy i Lila? Manana safidy telo izy, fara fahakeliny.

Safidy A Safidy B Safidy D

Mikiakiaka amin’ny Tsy miresaka amin- Miandry fotoana

dadany. Mety drainy intsony. mety kokoa

hivazavaza izy hoe: Tsy hiezaka hiresahana an’

“Zava-dehibe ange hiresaka ny olana ilay izy indray.

ity ry Dada e! mahazo azy amin’ny Afaka miresaka

Mba henoy aho!” ray aman-dreniny mivantana amin-

intsony i Lila. drainy i Lila, na

manoratra taratasy.

Iza amin’ireo no hitanao hoe tokony hataon’i Lila? ․․․․․

Andeha hojerentsika ny safidy tsirairay, mba hahitana izay mety ho vokany. Variana ny dadan’i Lila ka tsy mahita fa efa tezitra be ny zanany. Raha ny Safidy A no fidin’i Lila, dia mety tsy ho azon’ny rainy hoe nahoana izy no mivazavaza. Tsy voatery hoe hihaino azy kokoa ny rainy raha manao izany izy. Tsy manaja na manome voninahitra ny ray aman-dreniny koa izy amin’izany. (Efesianina 6:2) Tsy hahomby àry ny safidy nataony.

Ny Safidy B no tsotra indrindra, saingy tsy mahasoa indrindra. Nahoana? Satria “tsy tanteraka ny fikasana raha tsy misy resaka amim-pahatsorana, fa tanteraka kosa izany raha maro ny mpanolo-tsaina.” (Ohabolana 15:22) Mila miresaka amin’ny ray aman-dreniny i Lila, raha te hamaha ny olana mahazo azy. Mila mahalala izay mitranga eo amin’ny fiainany koa izy ireo, mba hanampiany azy. Tsy vahaolana àry ny tsy miresaka.

Raha ilay Safidy D kosa no fidin’i Lila, dia tsy hoe hilavo lefona izy fa hiandry fotoana mety hiresahana an’ilay olana. Mety ho maivamaivana kokoa izy, raha manoratra taratasy kely ho an-drainy. Ny fanoratany an’izany koa angamba no hanampy azy hamoaka izay tena tiany holazaina rehefa mihaino azy ny rainy. Rehefa mamaky an’ilay taratasy ny dadany, dia ho fantany amin’izay ny tian’i Lila holazaina. Mety hanampy azy hahatakatra kokoa ny olana mahazo an’i Lila izany. Samy mandray soa amin’ilay safidy àry izy mianaka.

Inona no safidy hafa mety hananan’i Lila? Soraty eto ambany izany, raha mahita ianao. Soraty avy eo ny mety ho vokany.

․․․․․

Sakana #2: Te hiresaka aminao ny ray aman-dreninao, nefa ianao tsy mazoto. Hoy i Sarindra: “Tsy tiako mihitsy ny totofana fanontaniana raha vao tonga ao an-trano, nefa aho efa vizana avy nianatra. Efa tsy te hieritreritra ny tany am-pianarana intsony aho, nefa i Dada sy Neny tonga dia manontany hoe: ‘Nanao ahoana ny tany? Tsisy olana?’ ” Azo antoka hoe fiahiana an’i Sarindra no nanontanian’izy ireo an’izany. Nitaraina anefa izy hoe: “Tsy tiako ny miresaka ny tany am-pianarana, rehefa reraka ny vatako sy ny saiko.”

FANONTANIANA: Inona no azon’i Sarindra atao? Manana safidy telo koa izy, fara fahakeliny.

Safidy A Safidy B Safidy D

Midongy tsy Miresaka ihany. Ahemotra ilay

mety mamaly. Hamaly resaka momba ny

Mety hilaza izy hoe: boraingina ny “tany an-tsekoly”,

“Tsy te hiresaka fanontanian’ny fa zavatra hafa

mihitsy aho aloha ray aman-dreniny no resahina.

izao, fa aza i Sarindra. Hilaza amin’ny ray

helingelenina!” aman-dreniny i

Sarindra hoe aleo

resahina amin’ny fotoana

hafa ny zavatra natao

tany an-tsekoly, izany

hoe rehefa milamina

kokoa ny sainy. Afaka

miteny amim-pahatsorana

izy avy eo hoe: “Nandeha

tsara ve ny zava-

drehetra nataonareo

androany?”

Iza amin’ireo no hitanao hoe tokony hataon’i Sarindra? ․․․․․

Andeha hojerentsika indray ny safidy tsirairay, mba hahitana izay mety ho vokany.

Sorena sy tsy te hiresaka i Sarindra, talohan’ny nifidianany an’ilay Safidy A. Mbola sorena anefa izy taorian’izay. Manamelo-tena koa izy, satria nivazavaza tamin’ny ray aman-dreniny.—Ohabolana 29:11.

Nalahelo ny ray aman-drenin’i Sarindra, noho izy nilelalela ary avy eo tsy niteny tsy nivolana. Mety hanahy koa izy ireo sao manafin-javatra izy. Mety hanery azy hiresaka izy mivady, fa vao mainka hampahatezitra azy izany. Tsy hahomby àry ny safidy nataony.

Toa tsara noho ilay Safidy A ny Safidy B. Efa mba nifampiresaka mantsy i Sarindra sy ny ray aman-dreniny. Tsy tena vokatry ny fo anefa ilay izy, ka tsy nahafinaritra araka ny nirin’izy ireo.

Tony kokoa izao i Sarindra, satria nahemotra ho amin’ny fotoana hafa ilay resaka momba ny “tany an-tsekoly”, araka ilay Safidy D. Faly ny ray aman-dreniny rehefa nahita azy niezaka niresaka. Tsara kokoa io safidy io, satria samy ‘nihevitra izay hahasoa ny hafa’ izy ireo, “fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany”, araka ny toro lalana ao amin’ny Filipianina 2:4.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Novana ny anarana sasany.

ERITRERETO IZAO:

◼ Nahoana no mandray anjara amin’ny fifampiresahana tsara ny fotoana?Ohabolana 25:11.

◼ Nahoana no mahasoa ny miresaka amin’ny ray aman-dreny?—Joba 12:12.

[Efajoro/Sary, pejy 18]

RESAKA TSY MIFANKAHAZO

Sarotra aminao ve ny miresaka amin’ny ray aman-dreninao? Hafa mihitsy ve ny fandraisany ny resakao?

Rehefa milaza ianao hoe...

Tsy te hiresaka an’izany aho.

Dia izao no fandraisany azy...

“Aleoko miresaka amin’ny namako sy mamboraka aminy izay tsapako, toy izay hiresaka aminareo satria tsy misy dikany amiko ianareo.”

Rehefa milaza ianao hoe...

Tsy ho azonareo mihitsy ilay izy.

Dia izao no fandraisany azy...

“Efa antitra loatra ianareo, ka tsy maharaka. Tsy ho azonareo mihitsy ilay izy, na inona na inona ataonareo.”

[Efajoro/Sary, pejy 21]

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

Noresahiko tamin’ny ray aman-dreniko ny olana nitranga tany am-pianarana. Gaga be aho fa nihaino tsara ry zareo. Mora erỳ ny namaha an’ilay olana, noho ny fanampian’izy ireo.”—Natalie.

Tsy mora foana akory ny miresaka amin’ny ray aman-dreny. Rehefa miresaka aminy anefa ianao, ka mamboraka izay ao am-ponao, dia hoatran’ny hoe nisy enta-mavesatra nesorina teo an-tsorokao.”—Devenye.

[Efajoro, pejy 21]

HO AN’NY RAY AMAN-DRENY

Manahy angamba ianao sao dia sarotra amin’ny zanakao ny miresaka aminao. Diniho ny tenin’ny tanora sasany tamin’ny Mifohaza!, momba ny antony tsy iresahany amin’ny ray aman-dreniny. Apetraho amin’ny tenanao ireo fanontaniana avy eo, ary jereo ao amin’ny Baiboly ny andinin-teny.

“Sarotra amiko ny manatona an’i Dada, satria be herehina loatra izy, na any am-piasana na eo anivon’ny fiangonana. Hoatran’ny tsy mba misy fotoana azo iresahana aminy mihitsy.”—Avotra.

‘Nasehoko tsy nahy tamin’ny fihetsiko ve hoe sahirana be aho, ka tsy afaka miresaka amin-janako? Raha izany, inona no azoko atao mba ho mora hatonina aho? Inona no fotoana atokako hiresahana aminy?’—Deoteronomia 6:7.

“Nitomany aho nanatona an’i Neny sady niresaka taminy hoe nisy ankizy niady tamiko tany am-pianarana. Mba nitady tambitamby aho, nefa izaho indray no nobedesiny. Tsy niresaka zavatra manokana taminy intsony aho nanomboka teo.”—Njara.

‘Inona no ataoko rehefa miresaka ny zava-manahirana azy ny zanako? Na dia mila manitsy azy aza aho, azoko atao ve ny miezaka mifehy tena sy mihaino ary mangoraka aloha, vao manome torohevitra?’—Jakoba 1:19.

“Tezitra ihany ny ray aman-dreny, indraindray, na dia miteny aza izy ireo hoe tsy ho tezitra rehefa miresaka aminy ny zanany. Diso fanantenana ilay ankizy noho izany.”—Rondro.

‘Raha mitantara zavatra mahatezitra ahy ny zanako, ahoana no ifehezako ny tenako eo am-pandrenesana an’ilay izy?’—Ohabolana 10:19.

“Imbetsaka i Mama no mitantara amin’ny namany ny zavatra manokana noresahiko taminy. Lasa tsy natoky azy intsony aho.”—Tiana.

‘Mihevitra ny fihetseham-pon-janako ve aho, ka tsy manaparitaka an’ireo zavatra manokana noresahiny tamiko?’—Ohabolana 25:9.

“Be dia be ny zavatra tiako horesahina amin’ny ray aman-dreniko. Mila ny fanampian’izy ireo fotsiny aho mba hanombohako ny resaka.”—Koloina.

‘Mitady fomba iresahana amin-janako ve aho? Inona no fotoana tsara indrindra ifampiresahanay?’—Mpitoriteny 3:7.

[Sary, pejy 19]

Aza milavo lefona rehefa misy sakana tsy ahafahanao miresaka amin’ny ray aman-dreninao. Mitadiava fomba hafa