Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mont-Blanc, Ilay Tendron’i Eoropa

Mont-Blanc, Ilay Tendron’i Eoropa

Mont-Blanc, Ilay Tendron’i Eoropa

MBOLA kely i Horace de Saussure (1740-1799), izay teratany soisa mpandinika ny zavaboary, dia efa babon’ilay fitambaran-tendrombohitra atao hoe Mont-Blanc, na ilay goavam-ben’i Alpes. Tena sarotra aleha izy io, ka nilaza izy fa hanome loka an’izay tafakatra eny an-tendrony, izay mahatratra 4 807 metatra. Nisy nanao ezaka manokana hiakarana teny an-tampon’izy io, nanomboka tamin’ny 1741. Tamin’ny Aogositra 1786 anefa vao tafakatra teny an-tendron’i Mont-Blanc i Jacques Balmat, mpitrandraka kristaly, sy Michel-Gabriel Paccard, dokotera, izay samy avy any Chamonix, Frantsa. Tonga teny amin’ilay tendron’i Eoropa koa i Saussure ny taona manaraka, niaraka tamin’ny manam-pahaizana momba ny tendrombohitra. Nananika ny Col du Géant izy tamin’ny 1788, ary nijanona tany tapa-bolana mahery. Izany no voalohany tamin’ireo fifaninanana mianika tendrombohitra voarakitra an-tsoratra.

Nisy ekipa notarihin’ny Italianina koa tafakatra teny an-tampon’i Mont-Blanc, tamin’ny 1855. Lalan-kafa no nandehanan’izy ireo ary sarotra kokoa ilay dia. Sivy taona taorian’izay vao nisy olona niainga avy tany Italia tonga teny an-tampon’izy io. Tsy nanana fitaovana maoderina ireny olona mahery fo ireny, fa tehina misy lohany vy no mba nampiasainy. Nilaza i Giotto Dainelli, mpandinika toetany, fa tamin’izany dia “nilana herim-batana sy herin-tsaina ny fianihana tendrombohitra, raha vao miainga eo am-potony sy rehefa manaraka an’ireo lalana mbola tsy fantatra. Tsy mahazo an-tsaina an’izany mihitsy angamba ireo mpianika tendrombohitra ankehitriny.” Efa nandehanana imbetsaka izao na dia ireo toerana sarotra aleha indrindra any Mont-Blanc aza.

Noheverina ho tany mbola tsy fantatra i Mont-Blanc fahiny ela be, na dia eo afovoan’i Eoropa aza no misy azy. Tamin’ny 1088 no voalohany nisy firesahana mazava tsara momba azy. Nantsoina hoe rupes alba na “tendrombohitra fotsy” izy tao amin’ny sarin’ny tanin’ny moanina mpanara-dia an’i Benoît, tao Chamonix. Nantsoin’ny mponina hoe Tendrombohitra Voaozona izy io nandritra ny taonjato maro, noho ireo angano momba ny demonia sy dragona monina ao. Toa hadino tsikelikely ilay anarany mampahatahotra, matoa hita tamin’ny sary tamin’ny 1744 ilay anarana hoe Mont-Blanc.

Rehefa tazanin-davitra

Tsy hita i Mont-Blanc manontolo raha tsy avy eny ambony fiaramanidina. Mampisaraka an’i Italia sy Frantsa ary Soisa izy io, 600 kilaometatra toradroa ny velarany, 50 kilaometatra mahery ny lavany, ary maherin’ny 4 000 metatra ny haavon’ny tendrombohitra sasany ao aminy. Ireo tendrombohitra ireo dia sosona vato manify mangirangirana sy granita, izay samy avy ao anaty tany. Sokajin’ny manam-pahaizana ho tendrombohitra vao haingana izy io, satria 350 000 000 taona “monja.” Nitriatra ilay granita noho ny rivotra sy ny orana ary ny vongan-dranomandry, ka lasa nisy tevana sy tendrony tsara tarehy erỳ, izay tena mahaliana ny mpianika tendrombohitra.

Rehefa jerena akaiky

Na ireo tsy mpianika tendrombohitra mahay aza dia afaka mahita akaiky ny ao afovoan’i Mont-Blanc, noho ireo fitaovam-pitaterana manokana nampiasaina nanomboka tamin’ny 1958. Any amin’ny 3 842 metatra no misy ny Aiguille du Midi, ary io no toerana avo indrindra tongan’ireny fitaovam-pitaterana ireny. Tazana avy eny ny lohasaha tsara tarehin’i Chamonix.

Azo lazaina hoe efa fantatra tsara daholo ireo toerana rehetra amin’i Mont-Blanc, ankehitriny. Hita tsara ny hakanton’ireo vato mangatsiaka eny an-tendron’i Eoropa ireo rehefa tarafin’ny masoandro, indrindra fa aloha kelin’ny hiposahany sy hilentehany. Manopy mena samihafa izy ireo amin’izay, miaraka amin’ny taratry ny granita.

[Efajoro/Sary, pejy 23]

Tanteraka Ilay Nofinofy momba ny Tionelin’i Mont-Blanc

“Nahita lohasaha roa aho, ka mitovy ny mponina eo sady iray ihany ny fiteniny. Hisy lalana haorina any ambanin’i Mont-Blanc, indray andro any, ka ho tafaray ireo lohasaha roa ireo.” Roanjato taona tatỳ aoriana vao tanteraka io nofinofin’i Horace de Saussure io. Efa nisy fangatahana natao tamin’ny mpanjakan’i Piémont sy Sardaigne, tamin’ny 1814. Tamin’ny 1959 anefa vao natomboka ny asa, ary tamin’ny 1965 no vita. Mirefy 11,6 kilaometatra ilay tionelina, ary miainga ao Italia, any amin’ny 1 381 metatra ambonin’ny ranomasina, ka mifarana any Frantsa, any amin’ny 1 274 metatra ambonin’ny ranomasina.

Nisy kamiao nirehitra tao amin’ilay tionelina, tamin’ny 24 Martsa 1999. Tafakatra 1 000 degre ny mari-pana, ka fiara maro no nitsonika. Olona 39 no maty satria sempotra, ary 30 teo ho eo no naratra. Nanomboka ny fanamboarana an’ilay tionelina, taorian’ny herintaona nanaovana fanadihadiana. Nosokafana indray izy io tamin’ny 25 Jona 2002, na teo aza ny fanoheran’ny mponina sy ny mpiaro ny tontolo iainana, izay nilaza fa mandoto rivotra ny kamiao. Vao haingana izay, dia fiara 132 474 no nandalo tao amin’ilay tionelina, nandritra ny efa-bolana.

[Sary]

Sary mampiseho an’i H. de Saussure, any Chamonix, Frantsa

[Sary nahazoan-dalana]

Library of Congress, Prints & Photographs Division, Photochrom Collection, LC-DIG-ppmsc-04985

[Efajoro/Sary, pejy 24, 25]

MANDEHANDEHA MANODIDINA AN’ILAY “GOAVAM-BE”

Ireo mpianika tendrombohitra mahay no tena mpankany amin’i Mont-Blanc. Afaka mankafy ny hakanton’izy io anefa, na dia ireo mbola tsy nianika tendrombohitra mihitsy aza, rehefa mandehandeha manodidina azy. Alaina avy lavitra matetika ireo sarina tendrombohitra tsara indrindra, fa tsy avy eny an-tampony. Mampitolagaga ny hakanton’i Mont-Blanc rehefa tazanina avy eny amin’ireo toeram-pitazanana maro manodidina azy. Afaka mandeha an-tongotra 130 kilaometatra mitety azy ireny ny mpankafy zavaboary raha matanjaka. Miara-tsidihina ny sasany amin’ireny toerana ireny, ary antsoina hoe Fitsidihana An’i Mont-Blanc izany. Mitondra anao any Frantsa sy Italia ary Soisa io fitsidihana misy fizarana folo io. Mandeha adiny telo ka hatramin’ny adiny fito isan’andro ianao, ary afaka mankafy toerana kanto. Afaka mandeha eny amin’ny iray amin’ireo tendrombohitra manodidina an’ilay “goavam-be” kosa ireo tsy manam-potoana firy.

[Sary]

Aiguille du Midi no toerana avo indrindra tongan’ilay fitaovam-pitaterana

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy Michel Caplain; http://geo.hmg.inpg.fr/mto/jpegs/020726/L/12.jpg

[Sarintany, pejy 22]

(Jereo ny gazety)

FRANTSA

SOISA

ITALIA

Mont-Blanc

[Sary, pejy 22]

Sarin-dry Saussure mianika an’i Mont-Blanc, tamin’ny 1787

[Sary nahazoan-dalana]

© The Bridgeman Art Library International

[Sary, pejy 23]

Mont-Blanc