Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miteny Amim-pahendrena ve Ianao?

Miteny Amim-pahendrena ve Ianao?

Miteny Amim-pahendrena ve Ianao?

‘TAHAKA izay aho tsy niteny an’iny!’ Efa niteny toy izany ve ianao? Sarotra amintsika rehetra tokoa ny mifehy ny lelantsika. Azontsika folahina ny ankamaroan’ny biby, saingy “tsy misy olombelona mahafolaka ny lela”, hoy ny Baiboly. (Jakoba 3:7, 8) Midika ve izany fa tsy mila miezaka mifehy ny lelantsika isika? Tsia! Diniho ireto toro lalan’ny Baiboly ireto, izay hanampy antsika hifehy kokoa an’io zavatra kely nefa manan-kery io:

“Ny teny maro tsy ilaozan’ota, fa malina kosa ny olona mahafehy ny vavany.” (Ohabolana 10:19) Arakaraka ny maha be resaka antsika no mety hahatonga antsika hiteniteny foana, na hanao teny mandratra mihitsy aza. Mora mitatra ny afo rehefa tsy voafehy. Toy izany koa ny lela rehefa tsy voafehy, satria vetivety izy io dia mahavita manely fosafosa na fanendrikendrehana. (Jakoba 3:5, 6) Mihevitra an’izay mety ho vokatry ny tenintsika isika, raha ‘mahafehy ny vavantsika’, izany hoe mieritreritra vao miteny. Ho fantatry ny olona amin’izay fa mahay mifehy tena isika, ka hanaja antsika sy hatoky antsika izy.

‘Aoka [ianao] ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra.’ (Jakoba 1:19) Faly ny olona rehefa mihaino azy tsara isika, satria hitany hoe sady liana amin’izay lazainy isika, no manaja azy. Ahoana anefa raha misy milaza zavatra mampalahelo na mampahatezitra antsika? Mila miezaka isika amin’izay mba “tsy ho mora tezitra” ka hanao hoatr’azy. Sady iza no mahalala raha nisy zavatra nampalahelo azy tany, ka nahatonga azy hanao teny tsy voahevitra. Mety hiala tsiny amintsika mihitsy izy avy eo. Raha sarotra aminao anefa ny hoe “tsy ho mora tezitra”, dia mivavaha mba hahay hifehy tena. Henoin’Andriamanitra ny vavaka atao amim-pahatsorana toy izany.—Lioka 11:13.

“Ny teny malefaka mahavita manapaka taolana.” (Ohabolana 25:15) Manana herim-po ny olona malemy fanahy, fa tsy araka ny eritreretin’ny ankamaroan’ny olona. Mety ho mafy be toy ny taolana ny fanoherana, ary mety ho noho ny fahatezerana na ny fitsarana an-tendrony no mahatonga izany. Afaka mandresy izany anefa isika raha miteny malefaka. Mety ho sarotra anefa ny hoe halemy fanahy, indrindra fa rehefa misy zavatra mampifanditra be. Rehefa mitranga izany dia saintsaino izao: ‘Inona no soa ho azoko raha ampihariko ny toro lalan’ny Baiboly, ary inona no mety hitranga raha tsy manao izany aho?’

Ahitana taratry ny “fahendrena avy any ambony” tokoa ny toro lalan’ny Baiboly. (Jakoba 3:17) Raha maneho an’io fahendrena io isika rehefa miteny, dia ho feno fanajana ny tenintsika, sady hahafinaritra sy hampahery. Ho amin’ny fotoana mahamety azy ny tenintsika, ka ho “toy ny paoma volamena ao anaty fitoerany volafotsy natao sokitra.”—Ohabolana 25:11.