Sakafo Mafana Aterina any Am-piasana
Sakafo Mafana Aterina any Am-piasana
MIAINGA amin’ny dimy maraina ianao isan’andro, mba hamonjy ny toeram-piasana. Tsy mba tianao àry ve amin’ny antoandro ny hahazo sakafo mafana sy matsiro, amin’ilay itiavanao azy? Mahazo an’izany ny mpiasa an’arivony any Mumbai, any Inde, noho ireo dabbawala, na mpanatitra sakafo avy any an-trano. *
Nahita hevitra tsara
Tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19, dia nandroso be ny varotra tao Bombay, na Mumbai ankehitriny. Lavitra ny toeram-piasan’ireo mpandraharaha anglisy sy karàna, nefa sarotra ny fitaterana ary mbola vitsy ny hotely fisakafoana. Te hisakafo antoandro toy ny any an-trano anefa ny olona, ka naniraka mpiasa mba hanatitra ny sakafony tany am-piasana. Nahita hevitra àry ny mpandraharaha iray hoe aleo hitadiavam-bola izany. Nanangona tanora tsy an’asa izy, ka nokaramainy haka ny sakafon’ny olona avy any an-trano sy hanatitra izany any am-piasana. Lasa be mpanao izany tatỳ aoriana, ary tena nampidi-bola.
Efa mihamaro izao ny hotely, kanefa mbola be mpitia sy mitsitsy vola kokoa ny sakafo karakaraina any an-trano. Maro koa ny olona mifadifady sakafo, noho ny fahasalamany, na noho ny fivavahany. Misy, ohatra, fady tongolobe, fa ny hafa indray tsy tia tongolo lay. Misy an’ireny anefa ny sakafon’ny hotely, ka aleon’ny olona ny sakafony any an-trano ihany no aterina any am-piasana.
Azo antoka sy marim-potoana
Tsotra ny fomba fanaterana an’ireo sakafo, ary tsy dia niova izany hatramin’izay ka hatramin’izao, fa ny mpanao azy no nihamaro. Lehilahy 5 000 mahery izao no manao io asa io, ary misy koa vehivavy. Sakafo 200 000 mahery
isan’andro no entin’izy ireo. Alainy amin’ny olona eny amin’ny manodidina izany, ary ateriny any amin’ny toeram-piasana samihafa, manerana ilay tanàn-dehibe misy mponina 20 tapitrisa mahery. Tonga hatrany amin’ny 60 kilaometatra ireo dabbawala ireo. Misy mitarika sarety kely mahazaka fitoeran-tsakafo 30 na 40. Misy kosa mitaingina bisikileta na lamasinina. Tonga ara-potoana foana anefa izy ireo, ary tsy mifamadika ireo sakafo. Voalaza fa 1 tao anatin’ny 6 tapitrisa ihany izany no nifandiso! Ahoana no ahavitany an’izany?Nosoratana ho fikambanana mpanao asa soa ireo dabbawala tamin’ny 1956, ka manana komity mpitantana sy tompon’andraikitra hafa. Manana ny vondrona misy azy avy ireo mpiasa, ary samy misy mpanara-maso. Mifanampy foana anefa izy ireo, ary samy mpiombona antoka amin’ilay fikambanana. Izany, hoy izy ireo, no mampandroso ny asany. Mbola tsy nitokona mihitsy ry zareo, tao anatin’izay 100 taona mahery izay.
Mitondra karatra famantarana izy ireo, sady mora fantatra satria manao pataloa malalaka sy amboniny fotsy ary satroka fotsy. Mety hampandoavina lamandy izy ireo raha manadino satroka, na tratra misotrosotro amin’ny ora fiasana, na koa tsy tonga na tara noho ny antony tsy marim-pototra.
Fomba fiasa isan’andro
Efa vonona ilay sakafo, amin’ny 8.30 maraina. Mety ho ny renim-pianakaviana no nahandro sy nanao azy anaty fitoerany, na dabba izay misy vilia jobo maromaro mifanaingina sy tahony vy mihazona azy. Manangona ny sakafon’ireo olona eny amin’ny manodidina ny dabbawala, ary mametraka izany eo amin’ny bisikileta na sarety kely. Mankany amin’ny gara haingana izy avy eo, mamonjy ny namany. Any izy ireo no manasokajy an’ireo fitoeran-tsakafo, mba hahitana izay haterina miaraka, toy ny fanaon’ny mpizara taratasy.
Efa misy litera sy nomerao ary loko mampiavaka azy ny fitoeran-tsakafo tsirairay. Izany no amantarana ny tanàna nakana azy, ny gara hampiakarana azy sy hampidinana azy, ny toeram-piasana hanaterana azy, ary ny rihana misy ilay birao. Atao ao anaty karazana kesika hazo ireo fitoeran-tsakafo haterina amin’ny toerana iray, ary mahazaka fitoeran-tsakafo 48 ny kesika iray. Rehefa tonga ny lamasinina, dia ampidirina ao amin’ny vagao manokana akaikin’ny mpamily ny kesika. Rehefa eo amin’ny gara lehibe iray, dia sokajina indray ireo fitoeran-tsakafo mba hahitana izay gara hampidinana azy. Sokajina farany izy ireo rehefa tonga, ary aterina amin’ny bisikileta na sarety any amin’ny tompony.
Sady mandaitra no tsy mandany vola izany. Afaka mandeha ihany ny dabbawala na dia mitohana aza ny fifamoivoizana, satria afaka mitsofoka anelanelan’ny fiara izy, na koa mandeha amin’ny sisin’ny arabe. Tonga tsara any am-piasan’ny olona àry ny sakafo, fara fahatarany amin’ny 12.30 antoandro. Lasa misakafo koa ireo dabbawala avy eo. Manangona an’ireo fitoeran-tsakafo indray izy ireo amin’ny 1.15 hatramin’ny 2.00. Aterina any an-tranon’ilay fianakaviana izany avy eo, mba hosasana sy hampiasaina indray ny ampitso. Sady haingana no tsy manahirana izany rehetra izany, satria asa ifarimbonana!
Asa tsotra nefa hajain’ny olona
Tena ankasitrahan’ny olona ny asa tsara ataon’ireo dabbawala. Fikambanana maro no nandinika ny fomba fanateran’izy ireo entana, ka nampihatra izany tamin’ny asany. Maro koa ny fandaharana tamin’ny tele, nampahafantatra momba azy ireo. Nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny Gazetiboky Forbes Iraisam-pirenena (anglisy) mihitsy izy ireo, satria faran’izay kely ny fahadisoana nataony. Voalaza ao amin’ny Boky Guinness Momba ny Zavatra Niavaka Indrindra Eran-tany (anglisy) ny momba azy ireo. Namoaka fanazavana mahakasika azy ireo koa ny Oniversite Momba ny Varotra any Harvard, Etazonia. Tonga nitsidika azy ireo mihitsy ny olona ambony, anisan’izany ny printsy anglisy iray. Tena nampiaiky azy ny asan’izy ireo, ka nisy vitsivitsy nasainy tamin’ny mariaziny tany Angletera.
Efa mampiasa ordinatera sy finday izao ny dabbawala, mba hanaovana kaonty sy hitadidiana ny olona hanaterana sakafo. Tsy niova anefa ny fomba fiasan’izy ireo. Rehefa manakaiky ny ora fisakafoana, dia matoky ireo mpiasa any Mumbai fa tsy maintsy tonga eo ny sakafony avy any an-trano, sady mbola mafana! Ary tsy ho tara izany na dia iray minitra aza!
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 2 “Fitoeran-tsakafo” no atao hoe dabba, ary ilay olona manatitra azy no wala. Miovaova ny fanoratra ilay teny.
[Sary, pejy 11]
Atao anaty vagao ireo “dabba”
[Sary, pejy 11]
Mora entina ny “dabba”, satria misy tahony mihazona tsara an’ireo vilia jobo mifanaingina
[Sary, pejy 12]
Orinasa maro no naka tahaka ny fomba fiasan’ny “dabbawala”