Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Tsy Hianatra Intsony ve Aho?

Tokony Tsy Hianatra Intsony ve Aho?

Manontany ny Tanora Hoe...

Tokony Tsy Hianatra Intsony ve Aho?

Kilasy fahafiry ianao no tokony hanajanona fianarana, araka ny hevitrao?

․․․․․

Kilasy fahafiry kosa, raha araka ny hevitry ny ray aman-dreninao?

․․․․․

MITOVY hevitra ve ianao sy ny ray aman-dreninao? Tsy te hianatra intsony angamba ianao, indraindray, na dia mitovy hevitra aza ianareo, ary na dia mbola mianatra aza ianao. Mety ho efa nitranga taminao ny toy ireto:

“Miady saina be aho indraindray ka tsy te hiarina eo am-pandriana. ‘Fa maninona moa aho no mila mankany am-pianarana sy mianatra zavatra tsy hampiasaiko akory?’ ”—Rachel.

“Matetika aho no leo sy tsy te hianatra intsony ka te hiasa. Tsy hitako izay soa azoko amin’ny fianarana fa aleoko mikarama.”—John.

“Efa ho adiny efatra isan’alina no laniko anaovana devoara! Be loatra sady tsy mety tapitra ny laza adina sy ny zavatra asaina atao, ka tsy vitako intsony fa te hiala aho.”—Cindy.

“Nisy saika hanapoaka baomba tany am-pianarana ary intelo no nisy nanandrana namono tena. Nisy ankizy iray namono tena koa tany, ary misy andian-jiolahy mahery setra. Leo be aho indraindray ka tsy te hianatra intsony.”—Rose.

Efa tojo olana toy ireo ve ianao? Inona no mahatonga anao tsy te hianatra intsony?

․․․․․

Efa masaka ao an-tsainao angamba ny hiala amin’ny fianarana. Ahoana anefa no hahalalanao raha efa tena tokony hiala ianao, na te hiala satria fotsiny leo?

Tokony tsy hianatra intsony ve ianao?

Fantatrao ve fa mila mianatra mandritra ny dimy ka hatramin’ny valo taona ny ankizy any amin’ny tany sasany, ary folo ka hatramin’ny roa ambin’ny folo taona any an-tany hafa? Tsy mitovy àry ny taonan’ny ankizy mianatra sy ny kilasy tsy maintsy andalovany, maneran-tany.

․․․․․

Afaka mianatra any an-tranony koa ny ankizy any amin’ny tany sasany, ka tsy mila mankany am-pianarana. Mety ho taranja vitsivitsy no ianarany na izy rehetra. Mazava ho azy fa mamela azy hanao izany ny ray aman-dreniny sady manampy azy. Tsy hoe miala amin’ny fianarana ny ankizy toy izany.

Diniho àry ireto fanontaniana ireto raha mikasa ny tsy hianatra intsony ianao, nefa mbola tsy nahavita fianarana:

Inona no takin’ny lalàna? Efa hitantsika hoe tsy mitovy ny faharetan’ny fotoana tsy maintsy hianarana any an-tsekoly. Hafiriana, fara fahakeliny, no tsy maintsy hianaran’ny ankizy atỳ aminareo? Efa nianatra nandritra an’io fe-potoana io ve ianao? Tsy tokony hanajanona fianarana ianao raha toa izany ka mahatonga anao tsy hanaraka ny torohevitry ny Baiboly hoe ‘ekeo ny manam-pahefana.’—Romanina 13:1.

Efa vitako ve ny fianarana ilaiko mba hanatratrarana ny tanjoko? Inona no tanjona tianao hotratrarina ka ilanao ny fianarana? Mbola tsy hainao ve? Ilainao fantarina izany. Raha tsy fantatrao ny tanjonao, dia ho toy ny mpandeha lamasinina tsy mahalala ny toerana tiany haleha ianao. Iaraho midinika amin’ny ray aman-dreninao àry ilay hoe  “Ny Tanjoko Amin’ny Fianarana”, eo amin’ny pejy 28, ary fenoy ilay izy. Hanampy anao hifantoka amin’ny fianarana izany, ary ho hitanareo hoe hafiriana ianao no tokony hianatra any am-pianarana.—Ohabolana 21:5.

Mety hilaza ny faharetan’ny fotoana tokony hianaranao ny mpampianatra na ny olon-kafa. Ny ray aman-dreninao anefa, raha ny marina, no hanapa-kevitra farany. (Ohabolana 1:8; Kolosianina 3:20) Tsy tsara ny mijanona, raha mbola tsy vitanao ilay fianarana ilainao mba hanatratrarana ny tanjonao.

Nahoana aho no te hiala? Aza mamita-tena! (Jeremia 17:9) Mora mitady fialan-tsiny hanaovan-javatra ratsy ny olombelona.—Jakoba 1:22.

Soraty eto ny antony tsara mety hahatonga anao hiala aloha kokoa.

․․․․․

Soraty eto ny antony ratsy mety hahatonga anao haniry hiala.

․․․․․

Inona avy ny antony tsara nosoratanao? Te hanampy ara-bola ny fianakavianao angamba ianao, na te hanampy olona hianatra momba an’Andriamanitra. Inona indray ny antony ratsy? Angamba ianao tsy te hanao devoara sy hanala fanadinana. Sarotra ny mamantatra hoe tsara sa ratsy ny tena antony tsy itiavanao mianatra intsony.

Jereo indray izay nosoratanao, ary omeo naoty 1 ka hatramin’ny 5. Ataovy amin’ny saina tsy miangatra izany, ka izay antony tsy dia lehibe omena isa 1 fa izay tena lehibe omena isa 5. Mety ho te hiala olana fotsiny ianao matoa tsy te hianatra intsony. Ho gaga ianao raha izany tokoa no izy.

Inona no maharatsy azy?

Toy ny hoe mitsambikina avy eny ambony lamasinina ianao nefa mbola tsy tonga akory, raha miala amin’ny fianarana. Mety tsy hampahazo aina ilay lamasinina sady hisy mpandeha hanorisory. Tsy ho tody any amin’izay alehanao anefa ianao ary mety haratra mafy, raha mitsambikina avy eny ambonin’ilay lamasinina. Mety hahita olana ianao ary tsy ho tratranao ny tanjonao amin’ny fianarana, raha miala ianao. Diniho ireto:

Olana mety hitranga haingana Mety ho sarotra aminao ny hahazo asa, ary na mahazo asa aza ianao, dia mety ho kely kokoa ny karamanao rehefa ampitahaina amin’ny karamanao raha nahavita fianarana ianao. Mety ho voatery hanao asa maro kokoa sy ela kokoa ianao, mba hahazoana izay tena ilaina eo amin’ny fiainana. Mety hahasosotra kokoa noho ny tany am-pianarana izany.

Olana maharitra Voaporofo fa mora marary, manan-janaka aloha loatra, mety higadra, ary voatery miantehitra amin’ny fanampiana ara-tsosialy ny olona mijanona aloha amin’ny fianarana.

Marina fa mety hitranga aminao ihany ireo olana ireo, na dia nahavita fianarana aza ianao. Nahoana anefa ianao no hitady olana tsy amin’antony ka hiala aloha kokoa?

Ny soa azo avy amin’ny fianarana

Marina fa mety ho te hiala ianao raha tsy afa-panadinana na misy mahasosotra anao any am-pianarana. Toa tsy misy dikany aminao ny olana hafa mety hitranga amin’ny hoavy raha ampitahaina amin’izany. Aza tonga dia mifidy ny hiala anefa, fa diniho aloha izay nolazain’ireo tanora voalaza terỳ aloha. Nandray soa izy ireo satria tsy nanajanona ny fianarany.

“Nianatra nizaka olana aho ka lasa natanja-tsaina. Hitako fa miankina amiko ihany ny hahatonga an’izay ataoko hahafinaritra. Lasa nihanahay zava-kanto aho tany am-pianarana, ary hilaiko izany rehefa hiasa aho.”—Rachel.

“Fantatro izao fa ho tratrako ny tanjoko raha miezaka mafy aho. Misy taranja teknika ianarako eny amin’ny lise. Tena ilaiko izany satria hanampy ahy hahay hanamboatra milina fanaovam-pirinty. Io tsinona no asa tiako hatao.”—John.

“Lasa nihanahay namaha olana aho, na tany am-pianarana na tany an-kafa. Nihamatotra aho rehefa nianatra namaha olana, na tany am-pianarana izany na teo amin’ny fiaraha-monina na tany an-kafa.”—Cindy.

“Nanampy ahy hiomana ho amin’ny olana any am-piasana ny fianarana. Betsaka koa ny zava-nitranga tany am-pianarana. Nahatonga ahy hieritreritra momba ny finoako izany, ka vao mainka aho niaiky fa marina ny zavatra ninoako.”—Rose.

Hoy i Solomona Mpanjaka: “Aleo ny fiafaran’ny raharaha toy izay ny fiandohany. Aleo olona manam-paharetana toy izay olona mihevi-tena ho ambony.” (Mpitoriteny 7:8) Aza miala amin’ny fianarana àry fa manàna faharetana ka alamino ireo olana. Ho hitanao fa ho tsara kokoa ny fiafaran’ny raharaha, raha manao izany ianao.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

ERITRERETO IZAO:

● Ho afaka hanararaotra tsara ny fotoana ianaranao ianao, raha manana tanjona mora tratrarina. Nahoana?

● Nahoana no tena ilaina ny mahafantatra izay karazan’asa tianao hatao aorian’ny fianarana?

[Efajoro/Sary, pejy 27]

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

“Tany am-pianarana aho no lasa tia namaky boky. Mahafinaritra erỳ ny hoe mamaky boky ianao, dia lasa mahazo ny hevitry ny hafa sy ny fihetseham-pony.”

“Tsy haiko indraindray ny mandamina ny fotoanako. Vao mainka loza anefa raha tsy nianatra aho! Ny fianarana no nanampy ahy hanana fandaharam-potoana sy hanaraka an’izany ary hamita an’izay tena tokony hatao.”

[Sary]

Esme

Christopher

[Efajoro, pejy 28]

NY TANJOKO AMIN’NY FIANARANA

  Inona no tena antony ianarana? Mba hanomanana anao hahita asa hivelomana sy hamelomana ny fianakavianao any aoriana. (2 Tesalonianina 3:10, 12) Efa fantatrao ve ny karazan’asa tianao hatao, sy ny fotoana holaninao any am-pianarana mba hiomanana amin’izany? Valio ireto fanontaniana ireto, mba hahitana raha manampy anao amin’izany ny fianarana ataonao:

Inona no manavanana ahy? (Ohatra: Mahay mifandray amin’olona ve aho? Tia manao asa tanana na manamboatra zavatra ve aho? Mahay mandini-javatra sy mamaha olana ve aho?)

․․․․․

Inona avy ny asa ahafahako mampiasa ny zavatra haiko?

․․․․․

Inona avy ny asa azo atao atỳ aminay?

․․․․․

Inona izao ny zavatra ianarako ka hanampy ahy amin’ny asa hataoko?

․․․․․

Inona avy ny fianarana misy ka hanampy ahy kokoa hanatratra ny tanjoko?

․․․․․

Tadidio fa ny hahazoanao an’izay fahaizana ilainao no antony ianaranao. Aza manao zavatra tafahoatra àry ka hoe hianatra tsy misy farany, satria fotsiny te hiala amin’ireo andraikitry ny olon-dehibe. Toy ny mpandeha mijanona mandrakizay “ao anaty lamasinina” ianao raha manao izany.

[Efajoro, pejy 29]

HO AN’NY RAY AMAN-DRENY

“Mankaleo ahy ny mpampianatra anay!” “Be loatra ny devoarako!” “Ny misondrotra kilasy aza efa hila tsy ho vitako, koa nahoana aho no mbola hanohy ihany?” Tsy te hianatra intsony ny ankizy sasany, noho ny antony toy ireo, nefa mbola tsy ampy fahaizana hameloman-tena. Inona no azonao atao raha tsy te hianatra intsony ny zanakao?

Diniho ny fiheveranao ny fianarana. Nihevitra ny fianarana ho fandaniam-potoana ve ianao? Toy ny hoe ‘tao am-ponja’ ve ny fiheveranao ny tenanao tamin’ianao nianatra, ka tsy maintsy niaritra ianao mandra-pahatongan’ny fotoana nahafahanao nanao zavatra hafa tianao kokoa? Mety ho toy izany koa àry ny fiheveran’ny zanakao. Izao anefa no tokony ho izy: Ny fianarana ampy no hanampy ny zanakao hahazo “fahendrena” sy “fahaiza-misaina”, izay ilainy mba hahatongavany ho olon-dehibe matotra.—Ohabolana 3:21.

Omeo izay ilainy. Misy ankizy mety ho afaka hahazo naoty tsara kokoa, saingy tsy hainy ny fomba fianatra na tsy manana toerana mety tsara hianarana izy. Izao, ohatra, no ilaina rehefa mianatra: Latabatra voalamina tsara, hazavana ampy tsara, ary boky fianarana. Hihamahay ny zanakao ary hazoto kokoa hianatra Baiboly, raha ampiofaninao sy omenao toerana mety tsara hianarana sy hisaintsainana.—1 Timoty 4:15.

Manaova zavatra. Hevero ho toy ny namana fa tsy fahavalo ireo mpanabe. Ataovy izay hihaonana aminy ary fantaro izy ireo. Resaho aminy ny tanjon’ny zanakao sy ny olana mahazo azy. Raha sarotra amin’ny zanakao, ohatra, ny mahazo naoty tsara, dia fantaro ny antony. Mety hieritreritra ve izy hoe hampijalin’ny namany raha mahay? Sa ilay mpampianatra no mahatonga azy tsy hahay? Sa ilay taranja no olana? Marina fa mila mianatra zavatra sarotra izy, nefa tokony ho takatry ny sainy izany. Ary sao dia manana aretina izy, ohatra hoe tsy mahita tsara na tsy mahavita mianatra zavatra sasany?

Azo inoana kokoa fa hahay ny zanakao, arakaraka ny hanampianao azy amin’ny fianarana, na any an-tsekoly izany na eo amin’ny fianarana Baiboly.—Ohabolana 22:6.

[Sary, pejy 29]

Toy ny hoe mitsambikina avy eny ambony lamasinina ianao nefa mbola tsy tonga akory, raha miala amin’ny fianarana