Voaporofon’ny Siansa ve fa Tsy Misy Andriamanitra?
Voaporofon’ny Siansa ve fa Tsy Misy Andriamanitra?
EFA 50 taona no tsy nino an’Andriamanitra i Antony Flew, filozofa anglisy tena nohajain’ny namany. Ilay lahatsoratra nosoratany tamin’ny 1950 hoe “Teolojia sy Hosoka” no “niely indrindra tamin’ireo lahatsoratra momba ny filozofia natao pirinty, nandritra ny taonjato” faha-20. Nantsoina hoe “mpitsikera lehibe indrindra ny finoana an’Andriamanitra” i Flew, tamin’ny 1986. Tena tsy nisy nanampo àry izay nitranga tamin’ny 2004. Nilaza mantsy izy fa niova ny heviny.
Ny siansa no nampiova hevitra an’i Flew. Niaiky izy fa tsy nety ho tongatonga ho azy izao rehetra izao sy ny lalàna mifehy ny natiora ary ny fiainana. Mitombina ve izany?
Avy aiza ny lalàna mifehy ny natiora?
Nilaza i Paul Davies, mpahay fizika sy mpanoratra, fa vitan’ny siansa tsara ny manazava ny zava-mitranga voajanahary, toy ny orana. Hoy anefa izy: ‘Sarotra kokoa ny mamaly ny fanontaniana toy ny hoe “Nahoana no misy ny lalàna mifehy ny natiora?” Tsy tena nahavaly ny fanontaniana toy izany ny zavatra hitan’ny mpahay siansa. Mbola eo foana ireo fanontaniana lehibe tsy voavaly hatramin’ny nisian’ny fandrosoana, ary mbola manahiran-tsaina antsika.’
Hoy i Flew tamin’ny 2007: “Ny tena zava-dehibe dia tsy hoe mirindra tsara fotsiny ny zavaboary, fa hoe mifanaraka tsara amin’ny matematika ny firindrany, marina foana, ary ‘mifandray.’ Nilaza i Einstein fa porofon’ny ‘fahaiza-misaina’ izy ireny. Izao no fanontaniana tokony hapetratsika: Ahoana no nahatonga ny zavaboary hirindra toy izany? Azo antoka fa nanontany an’izany koa ry Newton sy Einstein ary Heisenberg. Ny Sain’Andriamanitra no valiny nomen’izy ireo.”
Maro amin’ireo mpahay siansa to teny no manaiky fa tsy mifanipaka amin’ny siansa ny finoana hoe nisy zavatra manan-tsaina nahatonga an’izao rehetra izao. Tsy mahafa-po kosa ny filazana hoe nisy ho azy izao rehetra izao sy ny lalàna mifehy azy ary ny fiainana. Fantatsika fa tsy maintsy nisy namorona ny fitaovana fampiasantsika, indrindra fa ireo be pitsiny.
Inona no hinoanao?
Marina fa milaza ilay antokon’olona vaovao hoe manohana azy ireo ny siansa. Tsy ny siansa ihany anefa no hanohanany ny heviny, fa ny zavatra inoany koa. Mino izy ireo fa kisendrasendra no nampisy an’izao rehetra izao. Ireo mino an’Andriamanitra kosa mino fa misy zavatra manan-tsaina nahatonga an’izao rehetra izao. Nilaza i John Lennox, mpampianatra matematika any amin’ny Oniversiten’i Oxford any Angletera, fa ampirisihin’ilay antokon’olona ny hafa mba hihevitra fa “tsy misy marim-pototra ny zavatra inoan’ny mpivavaka.” Hoy koa izy: “Tokony hoantitranterintsika fa diso hevitra [io antokon’olona io].” Ny finoan’iza àry no tena mitombina? Ny an’ireo tsy mino an’Andriamanitra sa ny an’ireo mino azy? Diniho, ohatra, ny niandohan’ny fiainana.
Milaza avy hatrany ireo mino ny evolisiona (na fiovana miandalana) fa tsy fantatra ny niandohan’ny fiainana, na dia samihafa aza ny hevitr’izy ireo momba izany. Milaza i Richard Dawkins, izay tsy mino an’Andriamanitra, fa tsy maintsy ho nisy ho azy tany ho any ny fiainana, raha jerena ireo planeta maro be eo amin’izao rehetra izao. Maro anefa ny mpahay siansa to teny tsy tena mino an’izany. Hoy i John Barrow, mpampianatra any Cambridge: “Tsy nety ho niova miandalana mihitsy ny zavamananaina sy ny saina. Be pitsiny sy sarotra iainana mantsy ny tontolo manodidina, ka tena tsy ho afaka ny hivoatra tsikelikely tao ny fiainana. Ho tafahoatra ny hieritreretana hoe ho afaka hiforona ao anatin’ny fotoana iray ny zava-drehetra rehefa misy karbonina ampy tsara.”
Tadidio koa fa tsy zavatra simika maromaro mitambatra fotsiny ny zavamananaina. Tsy nisy kosa izany raha tsy teo ny fanazavana tena be pitsiny ao amin’ny ADN. Mila dinihina koa àry hoe avy aiza izany fanazavana izany, rehefa hiresaka momba ny niandohan’ny fiainana. Kisendrasendra fotsiny ve, ohatra, no nahazoana fanazavana be pitsiny toy izay hita ao amin’ny programan’ordinatera, raikipohy, rakipahalalana, ary na dia ny fomba fanamboarana mofomamy aza? Mazava ho azy fa tsia! Be pitsiny lavitra anefa ny fanazavana ao amin’ny rafi-pandovan-toetran’ny zavamananaina ary tena mahomby ny fomba fiasany, ka tsy misy afaka mifampitaha aminy ireo rehetra ireo.
Mifanaraka amin’ny siansa ve ny hoe nisy ho azy izao rehetra izao?
Milaza ny hevitr’ireo tsy mino an’Andriamanitra i Paul Davies, ka hoy izy: ‘Efa toy izao mihitsy izao rehetra izao. Tsy fantatra mihitsy ny momba azy, fa misy fotsiny mba hampisy ny fiainana. Raha tsy izany, [hono,] dia tsy ho nisy isika ary tsy ho afaka hiady hevitra momba izany. Mety hifampiankina na tsia ireo zavatra eo amin’izao rehetra izao, nefa tsy manaraka lamina sady tsy misy tanjona, ary na misy aza izany, dia tsy ho takatry ny saintsika mihitsy.’ Nilaza izy fa “misy mahatsara an’io fomba fihevitra io. Mora tohanana ilay izy, ka azo atao hirika fialana”, izany hoe fomba mety tsara hisorohana adihevitra.
Hoy i Michael Denton, mpikaroka momba ny zavamananaina, tao amin’ny boky nosoratany: ‘Tsy mifanaraka amin’ny siansa [ny fampianarana momba ny evolisiona], fa mitovitovy amin’ny fitsipiky ny fanandroana fahiny.’ Nilaza koa izy fa anisan’ny sarotra ekena indrindra ny hevitr’i Darwin momba ny evolisiona.
Hebreo 3:4) Ekenao ve izany?
Sarotra ekena tokoa ny hoe nisy ho azy izao rehetra izao. Eritrereto hoe misy mpikaroka mahita bolongam-bato. Mety hieritreritra izy fa vokatry ny kisendrasendra ny bikan’izy io, ary mitombina izany. Mahita sarivongana voamboatra tsara izy avy eo. Hilaza ve izy fa nisy ho azy izany? Tsia. Tsy maintsy hieritreritra izy hoe: ‘Nisy nanamboatra ity.’ Toy izany koa, fa milaza ny Baiboly hoe: “Nisy nanao ny trano rehetra, fa ilay nanao ny zava-drehetra kosa dia Andriamanitra.” (Hoy i Lennox: “Rehefa mihamahafantatra momba an’izao rehetra izao isika, dia vao mainka hiaiky fa misy Andriamanitra Mpamorona, ary misy antony matoa izy nanao an’izao rehetra izao. Izany no fanazavana mitombina indrindra momba ny hoe nahoana isika no misy.”
Mampalahelo fa anisan’ny mahatonga ny olona tsy hino an’Andriamanitra ny zava-dratsy atao amin’ny anarany. Misy àry mihevitra fa ho tsara kokoa ny fiainana raha tsy misy ny fivavahana. Ahoana ny hevitrao?