Natao Hodinihin’ny Mpianakavy
Natao Hodinihin’ny Mpianakavy
Inona no Tsy Itovizany?
Inona no zavatra telo tsy mampitovy ny sary A sy B? Soraty eo ambany ny valin-teninao, ary lokoy ny sary.
Vakio ny Eksodosy 28:9-12, 33, 36, 37.
1. ․․․․․
2. ․․․․․
3. ․․․․․
4. Iza no sary marina, ilay eo ankavia sa ilay eo ankavanana?
․․․․․
IARAHA-MIDINIKA:
Inona no dikan’ny hoe “masina”? Nahoana no tokony ho masina ny mpivavaka amin’i Jehovah? Ahoana no ampisehoanao fa miezaka ny ho masina ianao?
Vakio ny 2 Korintianina 7:1.
ATAON’NY MPIANAKAVY:
Samy mikaroka momba ny asan’ny mpisoronabe teo amin’ny Israely ny rehetra, ary milaza an’izay nokarohiny avy eo. Ohatra: Inona no sasany amin’ny andraikitry ny mpisoronabe?
Vakio ny Levitikosy 9:7; Deoteronomia 17:9-11.
Nahoana i Jesosy Kristy no Mpisoronabe tsara indrindra?
Vakio ny Hebreo 4:14-16; 7:26-28; 9:11-14.
Angony ary Ianaro
Hetezo, aforeto, ary tehirizo
ROTA KARATRA ARA-BAIBOLY 3
FANONTANIANA
A. Tohizo ilay tenin’i Rota tamin’i Naomy hoe: “Ny firenenao no . . .”
B. Nahoana i Rota no ohatra tsara ho an’ireo mikarakara marary na zokiolona?
D. Fenoy ny banga: Nanambady an’i ․․․․․ i Rota, ary lasa razamben’i ․․․․․ sy ․․․․․.
[Tabilao]
4026 T.K. Taona 1 98
Noforonina Niaina tamin’ny Vita ny fanoratana
i Adama 1200 T.K. tany ho any ny Baiboly
[Sarintany]
Avy tany Moaba ho any Betlehema
MOABA
Betlehema
ROTA
MOMBA AZY
Vehivavy moabita maty vady izy ary nanampy an’i Naomy, rafozany be taona. Nahavita nandao ny tanindrazany izy ary nankany Betlehema, satria tia an’i Naomy sy tsy nivadika taminy ary tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah. Hoy ny olona tamin’i Naomy: ‘Tsara kokoa taminao noho ny zanaka fito lahy ilay vinantovavinao.’—Rota 4:14, 15.
VALINY
A. “. . . ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.”—Rota 1:16.
B. Nahafoy tena sy nazoto niasa izy. —Rota 2:7, 10-12, 17; 3:11.
D. Boaza, Davida Mpanjaka, Jesosy Kristy.—Matio 1:5, 6, 16.
Olona sy Tany
5. Shaé no anarako. Mipetraka atỳ Grande-Bretagne, akaikin’i Eoropa, aho. Firy eo ho eo ny Vavolombelon’i Jehovah atỳ Grande-Bretagne: 13 300 sa 133 000 sa 333 000?
6. Ataovy anaty boribory izay teboka mampiseho ny atỳ aminay. Asio teboka eo amin’izay misy anao, ary jereo ny elanelan’ny misy anao sy Grande-Bretagne.
A
B
D
E
Ho An’ny Ankizy
Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireo sary ireo. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.
● Any amin’ny pejy 7 ny valin’ny pejy 30 sy 31
VALIN’NY PEJY 30 SY 31
1. Soratra eo amin’ny satroka lamba.
2. Vato oniksa eo an-tsorok’i Arona.
3. Lakolosy kely eo amin’ny morontongotr’akanjo.
4. Ilay eo ankavia.
5. 133 000.
6. B.