Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitandrema Amin’ny Mpisoloky ao Amin’ny Internet

Mitandrema Amin’ny Mpisoloky ao Amin’ny Internet

Mitandrema Amin’ny Mpisoloky ao Amin’ny Internet

Mpampianatra efa misotro ronono i William any Floride, Etazonia. Naharay e-mail noheveriny fa avy amin’ilay tambazotra ampiasainy izy. Nasaina nameno taratasy nampiarahina tamin’ilay e-mail izy satria very, hono, ny fanazavana momba ny kaontiny. Nofenoiny ilay izy ary nalefany. Tsy fantany fa lasa tany amin’i Shiva, mpanao heloka bevava any Queens, any New York, ilay e-mail. Nividy milina fanaovam-pirinty tao amin’ny Internet i Shiva, ny ampitson’iny, mba hisolokiana olon-kafa, ka ny nomeraon’ny karatra fitrosan’i William no nampiasainy. Olona 100 000 no nandefasan’i Shiva an’ilay e-mail, ary 100 teo ho eo no voafitany, hoy ny mpanao famotorana.

Nitia lehilahy iray tao amin’ny Internet ny vehivavy iray 56 taona tany Queensland, any Aostralia. Noheveriny fa injeniera anglisy ilay lehilahy. Efa nanome azy 47 000 dolara ilay vehivavy vao nahafantatra hoe mpisoloky iray 27 taona any Nizeria ilay lehilahy. *

MAMPALAHELO fa betsaka ny mpisoloky ao amin’ny Internet. Hoy ny gazety Tatitry ny Mpanjifa (anglisy), tamin’ny 2010: “Mihamampahatahotra foana ny mampiasa Internet. An’arivony tapitrisa ny teti-bidin’ny fahavoazana eo amin’ny mpanjifa. Nihabetsaka ny virosy, nanomboka tamin’ny herintaona. Ny ordinateran’ny 40 isan-jaton’ny fianakaviana amerikanina mampiasa Internet no voa. Misy aza nilaza hoe nahazo virosy maromaro.” Diniho ny fanaon’ireo mpisoloky sy izay azonao atao amin’izany.

Ahoana no ataon’ny mpisoloky?

E-mail no ampiasain’ny mpisoloky maro ao amin’ny Internet. Toy ny jono ireny e-mail ireny satria mampirisika ny olona hanome ny tenimiafiny, ny nomeraon’ny karatra fitrosany, na ny momba ny kaontiny any amin’ny banky. Toy izany ilay nitranga tamin’i William. Misy programa ampiasain’ny mpisoloky mba hahazoana ny adiresy e-mail-n’ny olona.

Mety ho voa ihany ianao na dia tsy manome fanazavana aza, rehefa maharay an’ireny e-mail ireny. Mety hisy programa mpitsikilo (spyware) ho tafiditra any amin’ny ordinateranao raha vao sokafanao ilay e-mail. Mitadidy izay ataonao ireny programa ireny. Eo ireo mitadidy ny bokotra tsindrinao, mba hahazoana ny tenimiafinao sy ny fanazavana hafa momba anao. Ny hafa kosa mitondra anao any amin’ny tranonkalan’ny mpisoloky.

Inona no azonao atao?

Mitandrema amin’ny e-mail misy rohy mampiahiahy. Mety ho afaka hiditra an-tsokosoko ao amin’ny ordinateranao ny olona ratsy saina ka hahita fanazavana momba anao, amin’ny alalan’ny Cheval de Troie. Te hametraka programa mpitsikilo ny mpisoloky mba hangalarana fanazavana. Ireto avy ny tranonkala fampiasan’izy ireo mba hahafantarany ny zavatra tena ilainy amin’izany: Tranonkala fifaneraserana na fanaovana adihevitra na fijerena sary vetaveta, sy tranonkala manome programa tsy fanta-pototra. Aza valiana koa ny e-mail mampanantena zavatra tsara loatra ka tsy mampino.

Mety hampiditra programa mpitsikilo ao amin’ny ordinateranao ianao, raha manindry hafatra milaza hoe mety ho simba ny ordinateranao fa tsindrio eto, na hoe misy sary maimaim-poana ato.

Mitandrema raha mitady asa ao amin’ny Internet ianao. Mampiasa tranonkala sandoka ny mpisoloky mba hahazoana “saran’ny fisoratana anarana” na ny mombamomba ny volan’ny olona mihitsy aza.

Marani-tsaina be ny mpangalatra ka mahavita miditra amin’ny firaketan’ny orinasa na ny firaketan’ny fikambanana mpamatsy vola ary mangalatra fanazavana. Nisy mpisoloky tafiditra tao amin’ny ordinateran’ny fivarotana lehibe iray any Etazonia, tamin’ny Janoary 2007, ka nahita fanazavana momba ny mpanjifa an-tapitrisany, anisan’izany ny mombamomba ny karatra fitrosan’izy ireo. Tafiditra tany amin’ny ordinateran’ny banky maromaro ireo mpisoloky any Nizeria, ka nangalatra kaodin’olona 1 500 000 mba hakana vola amin’ny milina mpamoaka vola. Mangalatra fanazavana momba ny karatra fitrosan’olona, na ny momba ny olona mihitsy aza, ny mpiasa ratsy saina sy ny mpisoloky ary mivarotra izany ao amin’ny Internet. Betsaka no manao varo-maizina toy izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Nampitandrina momba ny loza vokatry ny fitadiavana vady ao amin’ny Internet ny Mifohaza! 8 Mey 2005, pejy 16-18 sy 8 Jona 2005, pejy 12-14.

[Efajoro, pejy 11]

E-mail hatao jono: E-mail mampirisika ny olona hanome ny tenimiafiny, ny nomeraon’ny karatra fitrosany, na ny momba ny kaontiny any amin’ny banky, ho an’ny tranonkala sandoka

Spyware: Programa mitadidy izay ataonao ao amin’ny ordinateranao

Cheval de Troie: Programa natao hidirana an-tsokosoko ao amin’ny ordinatera iray nefa toa manao zavatra tsy mampidi-doza

[Efajoro/Sary, pejy 12, 13]

Aza Manaiky Hofitahina!

ARAHO IRETO MANARAKA IRETO MBA TSY HAHAVOAFITAKA ANAO:

1 Ataovy azo antoka fa mandeha foana ilay programa natao hiarovana ny ordinateranao (pare-feu). Tokony hohavaozina tsy tapaka koa izay programa mila havaozina sy ny programa miaro amin’ny virosy.

2 Ataovy kopia foana izay rakitra ilainao, ary tehirizo tsara.

3 Mieritrereta tsara fa aza tonga dia matoky an’izay lazaina ao amin’ny Internet. Hoy ny Ohabolana 14:15: “Mino ny teny rehetra reny ireo mbola tsy dia nandia fiainana, fa ny malina kosa mandinika ny diany.”

4 Aza tia harena loatra. (Lioka 12:15) Mitandrema amin’ireo tolotra “maimaim-poana” na tranonkala mivarotra entana mora loatra. Mety ho fandrika izany.

5 Mitandrema amin’ny e-mail mampiahiahy na hafatra voaray eo no ho eo, indrindra raha hafatra misy rohy na manontany ny momba anao, ohatra hoe asainy manamarina tenimiafina ianao.—Ohabolana 11:15.

6 Ataovy sarotra vinavinaina ny tenimiafinao ary ovao tsy tapaka. Aza mampiasa tenimiafina mitovy ho an’ny kaonty samihafa.

7 Izay tranonkala malaza ho azo antoka ihany no omeo ny fanazavana momba ny karatra fitrosanao na momba ny volanao.

8 Ataovy marina tsara ny adiresy ampidirinao, indrindra raha adiresina fikambanana mpamatsy vola. Tsipelina diso iray monja dia mety hitondra anao any amin’ny tranonkalan’ny mpisoloky.

9 Mampiasà tambazotra voaro rehefa handefa fanazavana saro-pady, toy ny mombamomba ny karatra fitrosana. Mialà ao amin’ny kaontinao rehefa vita izay nataonao.

10 Jereo matetika ny filazalazana momba ny volanao miditra sy mivoaka any amin’ny banky. Resaho avy hatrany ilay banky raha mahatsikaritra zavatra mampiahiahy ianao.

11 Mitandrema rehefa mampiasa tambazotra tsy mampiasa kabla (Wi-Fi) satria mety ho azon’ny mpangalatra angalarana fanazavana izany ary azony alefa any amin’ny tranonkalan’ny mpisoloky ianao.

12 Aza manaiky rehefa anontaniana ianao hoe tianao hotadidina ve ny tenimiafinao. Misy programa afaka mitadidy ny tenimiafinao rehetra mantsy.