Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Maha Ratsy ny Hatezerana

Ny Maha Ratsy ny Hatezerana

Ny Maha Ratsy ny Hatezerana

Nisy rangahy nividy hani-masaka teo amin’ny mpivarotra. Tezitra be izy satria ela loatra, hono, ilay sakafo. Niditra tao amin’ilay fivarotana izy, nandrahona sy nanosika mpiasa iray, ary namely tehamaina azy. Noraisin’ilay rangahy ny sakafony ary nirintona nivoaka izy.

METY ho tezitra isika indraindray. Anisan’ny fihetseham-pontsika ny fahatezerana, tsy misy hafa amin’ny fitiavana, fanantenana, fanahiana, alahelo, ary ny tahotra. Mety hahasoa ny fahatezerana raha voafehy sy aseho araka ny tokony ho izy. Mahatonga ny olona iray ho tapa-kevitra kokoa handresy sakana na olana, ohatra, izy io.

Misy maha ratsy ny hatezerana koa anefa, araka ny asehon’ilay tantara terỳ aloha. Misy olona mora misafoaka kokoa noho ny hafa na tezitra matetika kokoa na misendaotra kokoa. Mety hivazavaza na hikasi-tanana izy ireny rehefa sosotra. Ny hatezerany indray no mifehy azy, nefa izy no tokony hifehy azy io. Mety hampidi-doza ny hatezerana tsy voafehy toy izany ary mahatonga olana goavana mitohitohy eo amin’ny fisainan’ny olona iray, ny fihetseham-pony, ny toetrany, ny fifandraisany amin’ny hafa, sy ny toy izany.

Sady mampijaly tena ny olona mora tezitra sy tezi-dava no mampijaly ny manodidina azy. Zavatra tsy misy dikany dia efa mety hampisafoaka azy ary mety hampidi-doza izany. Diniho ireto ohatra ireto:

Nisy nitifitra ny hatoky ny lehilahy iray satria nidona kely tamin’ny rangahy iray ny kitapon’ny namany, tamin’izy ireo teny amin’ny lalana be olona.

Novelezin’ny tovolahy iray 19 taona ny zanaky ny fofombadiny, ka maty ilay zaza 11 volana. Nanao lalao video misy herisetra mantsy ilay tovolahy ary nokitihin’ilay zaza ilay kilalao ka resy izy.

Asehon’ny tatitra maro eran-tany fa mihabetsaka ny olona mora misafoaka. Nahoana?

[Efajoro, pejy 3]

Anisan’ny fihetseham-pontsika ny hatezerana. Tsy ratsy àry izy io raha voafehy. Resahina ato amin’ity gazety ity anefa ilay hatezerana mety hanimba ny fahasalamantsika sy ny fihetseham-pontsika ary ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, sady mety hanimba ny hafa.