Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Inona no Diso eo Amin’io Sary Io?

Vakio ny Lioka 17:11-19. Inona no zavatra telo diso eo amin’io sary io? Soraty eo ambany ny valin-teninao, ary lokoy ny sary.

IARAHA-MIDINIKA:

Inona no zavatra nataon’ny boka iray, fa tsy nataon’ny hafa?

Vakio ny Lioka 17:15, 16.

Ahoana no anahafanao azy?

Vakio ny Kolosianina 3:15; 1 Tesalonianina 5:18.

Iza no tokony hisaoranao foana isan’andro?

Vakio ny Salamo 107:8; Jakoba 1:17.

ATAON’NY MPIANAKAVY:

Asao ny vady aman-janakao hanoratra antony iray, fara fahakeliny, tokony hisaorany an’i Jehovah Andriamanitra, antony iray tokony hisaorany ny olona iray ao an-trano, ary antony iray tokony hisaorany ny namany. Soraty avy eo ny zavatra azo atao mba hisaorana azy ireo.

Angony ary Ianaro

KARATRA ARA-BAIBOLY 21 MOSESY

FANONTANIANA

A. Inona avy no boky ao amin’ny Baiboly nasain’i Jehovah nosoratan’i Mosesy?

B. I ․․․․․ sy ․․․․․ no ray aman-drenin’i Mosesy. Natsangan’ny ․․․․․ ․․․․․ izy.

D. Tohizo ity andinin-teny miresaka an’i Mosesy ity: “Tsy azo nohozongozonina mihitsy izy, ...”

MOMBA AZY

Izy no olona voalohany nanao fahagagana. Mpaminanin’Andriamanitra izy, sady mpitsara, mpanome lalàna, ary mpitarika ny Israely. Hitan’ny Israelita hoe nahavita zava-mampahatahotra maro izy.—Deoteronomia 34:10-12; Eksodosy 4:1-9.

VALINY

A. Genesisy, Eksodosy, Levitikosy, Nomery, Deoteronomia, Joba, Salamo 90, ary angamba ny Salamo 91.

B. Amrama, Jokebeda, zanakavavin’i Farao.—Eksodosy 1:15–2:10; 6:20.

D. “... toy ny mahita an’Ilay tsy hita.”—Hebreo 11:27.

Olona sy Tany

Mampionona no anarako, 8 taona aho, ary mipetraka eto Madagasikara. Firy eo ho eo ny Vavolombelon’i Jehovah eto amintsika: 10 000, sa 24 000, sa 62 000?

Aiza amin’ireo teboka ireo no mampiseho ny atỳ amintsika? Ataovy anaty boribory izany.

Ho An’ny Ankizy

Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireo sary ireo. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.

 

VALIN’NY

  1. Folo ireo boka fa tsy 11.

  2. Lehilahy daholo ireo boka ao amin’io tantara io.

  3. “Niankohoka teo an-tongotr’i Jesosy” ilay lehilahy, “ka nisaotra azy.”

  4. 24 000.

  5. B.