INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?
Nofy avy Amin’Andriamanitra
Nofy ve no nampitan’Andriamanitra hafatra taloha?
“Nanonofy sy nahita fahitana i Daniela [mpaminanin’Andriamanitra] tamin’izy tao am-pandriana. Dia nataony an-tsoratra ilay nofy.”—Daniela 7:1.
IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY
Nampiasa fomba maro Andriamanitra taloha, mba hampitana hafatra tamin’olona. Nampiasa nofy izy indraindray. Tsy zavatra manjavozavo sy tsy dia misy dikany hoatran’ny nofin’ny olona amin’ny ankapobeny anefa ireny nofy ireny, fa mitombina sy mazava tsara sady misy hafatra tiany hampitaina. Nanonofy nahita biby maromaro, ohatra, i Daniela mpaminany. Firenena matanjaka nifandimby, nanomboka tamin’i Babylona ka hatramin’ny androntsika, no asehon’ireo biby ireo. (Daniela 7:1-3, 17) Toy izany koa i Josefa, ilay nitaiza an’i Jesosy. Niteny taminy tamin’ny nofy Andriamanitra hoe tokony hoentiny mitsoaka any Ejipta ny vady aman-janany. Tsy matin’i Heroda, mpanjaka ratsy fanahy, àry i Jesosy. Niteny tamin’i Josefa indray Andriamanitra rehefa maty i Heroda, hoe afaka mody amin’izay izy telo mianaka.—Matio 2:13-15, 19-23.
Mbola misy ve ny nofy avy amin’Andriamanitra?
“Aza mihoatra noho izay voasoratra.” —1 Korintianina 4:6.
IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY
Avy amin’Andriamanitra ireo nofy voalazan’ny Baiboly, ary nasainy nosoratana izy ireny satria misy hevitra tiany ho fantatry ny olona. Hoy mantsy ny 2 Timoty 3:16, 17: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana, mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara ho amin’ny asa tsara rehetra.”
“Ampy fitaovana tsara” tokoa isika satria manana ny Baiboly. Ampianarin’izy io daholo mantsy izay tokony ho fantatsika momba an’Andriamanitra, ny toetrany, ny fitsipiny momba ny fitondran-tena, ary ny fikasany momba ny tany sy ny olona. Tsy mampita hafatra amin’ny alalan’ny nofy intsony anefa Andriamanitra. Raha te hahalala ny hoavy sy izay tiany hataontsika àry isika, dia tsy tokony hitady zavatra hafa “mihoatra noho izay voasoratra’’ ao amin’ny Baiboly. Saika ny olona rehetra koa no afaka mamaky azy io, ka mandinika ny hafatr’Andriamanitra, anisan’izany ireo nofy voalaza ao.
Tena marina ve ireo nofy sy fahitana ao amin’ny Baiboly?
‘Avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.’ —2 Petera 1:21.
IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY
Maro amin’ireo nofy sy fahitana ao amin’ny Baiboly no milaza zavatra mbola ho avy, izay antsoina hoe faminaniana. Matoa nosoratana izy ireny, dia satria azo porofoina hoe tanteraka ve ilay izy, ary milaza ny marina ve ireo mpanoratra azy. Tanteraka tokoa àry ve ny faminanian’ny Baiboly, rehefa nandeha ny fotoana? Diniho, ohatra, ilay fahitana ao amin’ny Daniela 8:1-7, momba ny faharesen’i Babylona, firenena matanjaka fahiny.
Voalaza ao fa nisy osilahy iray nanoto ondrilahy, ka nanitsakitsaka azy. Nolazain’ny anjely tamin’i Daniela avy eo ny dikan’ilay fahitana: ‘Ilay ondrilahy dia ireo mpanjakan’i Media sy Persa. Ilay osilahy lava volo dia ny mpanjakan’i Gresy.’ (Daniela 8:20, 21) Voaporofon’ny tantara tokoa fa i Media-Persa no lasa firenena natanjaka indrindra eran-tany, taorian’i Babylona. Roanjato taona teo ho eo tatỳ aoriana anefa, dia resin’i Aleksandra Lehibe, mpanjakan’i Gresy, i Media-Persa. Tanteraka amin’ny an-tsipiriany hoatr’izany daholo ny faminanian’ny Baiboly, anisan’izany ny nofy voasoratra ao. Izany fotsiny dia efa mampiavaka ny Baiboly amin’ny boky hafa rehetra ampiasain’ny fivavahana. Tena azo atokisana àry ny Baiboly!