Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Oleh_Slobodeniuk/E+ via Getty Images

Mampanantena Andriamanitra fa ho Tsara Fiafara ity Tanintsika Ity

Mampanantena Andriamanitra fa ho Tsara Fiafara ity Tanintsika Ity

“Mafy toto ny Tany, fa tsy araka ny nieritreretantsika azy.”

Izany no nolazain’ny ekipana mpikaroka iraisam-pirenena rehefa avy nandinika ny fiovaovan’ny toetrandro. Mino ve ianao hoe miahy ny olombelona ny Mpamorona? Raha izany, dia mampahatsiahy anao ny tenin’ireo mpikaroka ireo hoe rehefa namorona ny tany Andriamanitra, dia misy fomba be dia be efa nataony mba hahafahan’ny tany hiverina amin’ny laoniny na dia simba aza.

Nosimban’ny olona loatra anefa ity planetantsika ity, ka tsy hahavita hanarina irery an’izany ny tany. Nahoana isika no afaka matoky hoe hanao zavatra Andriamanitra?

Mariho ny andinin-teny ao amin’ny efajoro, fa manome toky antsika hoe tsy ho tsara fiafara fotsiny ny tany, fa vao mainka aza ho tena kanto.

  • Noforonin’Andriamanitra ity tanintsika ity. “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.”​—Genesisy 1:1

  • Milaza Andriamanitra fa azy ny tany. “An’i Jehovah a ny tany sy izay rehetra eo aminy.”​—Salamo 24:1

  • Noforonin’Andriamanitra mba haharitra ny tany. “Nataony mafy orina teo ambonin’ny fototra iorenany ny tany, ka tsy hihetsika eo amin’ny toerany mandrakizay mandrakizay.”​—Salamo 104:5

  • Mampanantena Andriamanitra hoe ho azo iainana tsara foana eto an-tany mandrakizay. Hoy “Ilay tena Andriamanitra, Ilay namolavola ny tany ... tsy hoe tsy misy antony ny namoronany azy fa nataony honenana.”​—Isaia 45:18

  • Mampanantena Andriamanitra fa hiaina mandrakizay eto amin’ity tanintsika ity ny olombelona. “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”​—Salamo 37:29

Rehefa namorona ny tany Andriamanitra, dia nataony afaka mankafy azy io ny olombelona nefa tsy hanimba azy. Mitrandraka tafahoatra ny tany anefa ny olona tia tena, ka simba ihany izy io. Soa ihany fa efa nilaza ny Baiboly hoe hofaranan’i Jehovah Andriamanitra izany, amin’ny fotoana mety aminy.​—Apokalypsy 11:18

Mampanantena ny Baiboly fa hovan’Andriamanitra ho Paradisa kanto sy madio ity tanintsika ity amin’izay, ary hanokatra ny tanany izy, ka ‘hanome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamananaina rehetra.’​—Salamo 145:16

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.​—Salamo 83:18.