Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hoatran’ny mahafinaritra ny fialam-boly misy resaka herin’ny maizina na ahitana olona manana hery miafina, nefa mampidi-doza

MATOAN-DAHATSORATRA | AVY AMIN’IZA NY HERY MIAFINA?

Ahoana no Fiheveran’ny Baiboly ny Herin’ny Maizina?

Ahoana no Fiheveran’ny Baiboly ny Herin’ny Maizina?

MARO no mieritreritra hoe natao hamitahana olona fotsiny ny zavatra misy resaka herin’ny maizina, na foronin’ny mpanao filma. Mampitandrina antsika amin’izy ireny anefa ny Baiboly. Milaza, ohatra, ny Deoteronomia 18:10-13 hoe: “Aoka tsy hisy eo aminao ny olona ... manao sikidy, na mampiasa herin’ny maizina, na mitady fambara, na mpilalao ody, na mpilaza ozona famosaviana, na olona mankany amin’ny mpamoha angatra na mankany amin’ny mpilaza ny hoavy, na olona manontany amin’ny maty.” Fa nahoana? Hoy ihany ilay andininy: “Maharikoriko an’i Jehovah mantsy izay rehetra manao ireo zavatra ireo. ... Aoka ianao tsy hanan-tsiny eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao.”

Raran’ny Baiboly àry izay rehetra misy ifandraisany amin’ny fanahy ratsy. Nahoana?

AHOANA NO NIANDOHAN’IZY IRENY?

Milaza ny Baiboly fa namorona anjely an-tapitrisany Andriamanitra, ela be talohan’ny namoronany ny tany. (Joba 38:4, 7; Apokalypsy 5:11) Nataony afaka misafidy izy ireny hoe hanao ny tsara na tsia. Nisy anefa nifidy ny hikomy tamin’Andriamanitra, ka nandao ny toerany tany an-danitra mba hanakorontana ny fiainan’ny olona. Lasa “feno herisetra” àry ny tany.—Genesisy 6:2-5, 11; Joda 6.

Resahin’ny Baiboly hoe mahavita mamitaka olona an-tapitrisany ireny anjely ratsy ireny. (Apokalypsy 12:9) Fantany fa te hahalala ny hoavy ny olona ka izay no hararaotiny.—1 Samoela 28:5, 7; 1 Timoty 4:1.

Marina aloha fa misy hery miafina hoatran’ny hoe afaka manampy ny olona. (2 Korintianina 11:14) Miezaka manajamba ny sain’ny olona anefa ny anjely ratsy, amin’izay izy ireo tsy mahafantatra ny marina momba an’Andriamanitra.—2 Korintianina 4:4.

Tena mampidi-doza àry ny mifandray amin’ny fanahy ratsy, raha jerena ny Baiboly. Nampianarina momba an’izany ireo olona te ho lasa mpianatr’i Jesosy, ka nanao zavatra. ‘Nanangona ny bokiny ary nandoro izany ireo zatra nampiasa herin’ny maizina’, na dia lafo be aza izy ireny.​—Asan’ny Apostoly 19:19.

“Lasa betsaka ny ankizivavy mieritreritra hoe tsara ny milalao ody. Anisan’ny mahatonga izany angamba ny zavatra hitany amin’ny boky sy filma ary tele. Ahitana mpamosavy tsara tarehy mantsy amin’izy ireny tato ho ato.”—Fanadihadiana natao tamin’ny tanora, 2014

Maro koa ankehitriny no nanapa-kevitra hoe tsy hanao zavatra na fialam-boly misy herin’ny maizina intsony. Toa nahay namantatra ny hoavy na ny loza hitranga, ohatra, i Maria, * tamin’izy 12 taona. Namaky karatra (tarot) izy mba hahafahany milaza ny hoavin’ny mpiara-mianatra taminy. Tanteraka ny teniny ka lasa nahafinaritra azy ny asan’ny maizina.

Nieritreritra i Maria hoe nahazo fahasoavana avy amin’Andriamanitra. Hoy izy: “Nisy zavatra nampiady saina ahy anefa. Nahay namantatra ny hoavin’ny olon-kafa aho, fa tsy nahay namantatra ny hoaviko rehefa namaky karatra. Mba tiako ho fantatra koa anefa ny ahy.”

Very hevitra i Maria satria betsaka ny fanontaniana nanitikitika ny sainy. Nivavaka tamin’Andriamanitra àry izy, ary nisy Vavolombelon’i Jehovah niresaka taminy tatỳ aoriana. Nanomboka nianatra Baiboly tamin’izy ireo izy. Nianarany tao fa tsy avy amin’Andriamanitra ny fahaizany mamantatra ny hoavy. Hitany tao koa fa tsy tokony hitahiry zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina ireo te ho naman’Andriamanitra. (1 Korintianina 10:21) Nariany àry izay boky sy zavatra hafa nifandray tamin’izany. Resahiny amin’ny hafa izao ny fahamarinana nianarany tao amin’ny Baiboly.

Tena tia namaky tantara foronina miresaka olona manana hery miafina i Michael, tamin’ny mbola zatovo. Hoy izy: “Nisy tanora hoatr’ahy noresahina tao amin’izy ireny, ary nitety toerana tsy tena misy izy ireo. Nahafinaritra ahy ny nampitovy ny tenako tamin-dry zareo.” Lasa fahazaran’i Michael ny namaky boky momba ny mazia sy ny fombafomba ifandraisana amin’i Satana. Niaiky izy hoe: “Te hahalala zavatra aho dia namaky boky sy nijery filma miresaka an’izany.”

Nianatra Baiboly anefa i Michael, ka nahatsapa hoe mila mifidy tsara an’izay boky vakiny izy. Hoy izy: ‘Nataoko lisitra izay zavatra nananako ka nisy ifandraisany tamin’ny herin’ny maizina. Nopotehiko daholo ilay izy avy eo. Hitako tao amin’ny 1 Korintianina 10:31 fa tokony “hataoko ho voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra.” Mieritreritra foana aho izao hoe “misy zavatra tsy manome voninahitra an’Andriamanitra ve ato amin’ity boky ity?” Tsy vakiko ilay izy raha misy.’

Mety tsara ny iantsoana ny Baiboly hoe jiro. Izy io ihany mantsy no mampiharihary ny marina momba ny herin’ny maizina. (Salamo 119:105) Mampanantena koa anefa izy io fa tsy hisy anjely ratsy intsony amin’ny hoavy. Hisy vokany be eo amin’ny fiainan’ny olombelona izany. Milaza, ohatra, ny Salamo 37:10, 11 hoe: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. Handinika an’izay nisy azy ianao, nefa tsy ho eo intsony izy. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.”

^ feh. 10 Novana ny anarana ato.