HO AN’NY FIANAKAVIANA | TANORA
Tsara ve ny Manao Fialam-boly Mampangitakitaka?
OLANA
“Tao anaty tionelina aho, ary nijoro teo akaikin’ny lamasinina iray nirimorimo. Nangitakitaka be aho, dia hoatran’ny hadinoko ny olana nahazo ahy.”—Eric. *
“Avy teny amin’ny harambato avo be aho no nitsoraka tao anaty rano. Tsapako nandritra ny segondra vitsivitsy hoe tsisy nifehifehy ahy. Matetika no tiako ny nanao an’ilay izy, nefa natahotra aho indraindray.”—Larissa.
Maro koa izao ny tanora te hamantatra ny fetran’ny mety ho vitany. Manao zavatra mampidi-doza izy ireo indraindray. Te hanao an’izany koa ve ianao? Hanampy anao ity lahatsoratra ity, raha izany.
TSARA HO FANTATRAO
Mety hanandevo ilay izy. Mangitakitaka vetivety ianao, dia avy eo mitady zavatra mampangitakitaka kokoa. Hoy i Marco, izay tia nandeha tany anaty tionelina fandehanan’ny lamasinina: “Nahazo fahafinaretana vetivety aho, dia avy eo te hanao an’ilay izy indray, dia hoatr’izay foana.”
Nahafinaritra an’i Justin ny nanao kiraro misy kodiarana sady nitazona tamin’izay fiara nandalo. Hoy izy: “Nampangitakitaka be ilay izy dia lasa te hamerina foana aho. Tiako ho gaga izay mahita ahy. Tany amin’ny hopitaly anefa no niafarako.”
Mety tsy hisaina tsara ianao rehefa teren’ny namana. Hoy i Luc: “Noteren’ny namako hianika trano avo be aho nefa tsy nanao aro loza. Hozy ry zareo: ‘Vitan’ialahy leisy io a!’ Natahotra be aho. Nangovitra aho rehefa nianika an’ilay rindrina.” Hoy i Larissa, ilay voaresaka tetsy aloha: “Nanao ny fanaon’ny ankizy rehetra fotsiny aho.”
Misy koa mampiasa ny Internet mba hanerena an-kolaka ny hafa. Alefan’izy ireo ao ny video misy olona manao fialam-boly mampangitakitaka. Derain’izy ireo ny zava-bitan’ilay olona, fa tsy asehony hoe mampidi-doza. Vetivety dia be mpijery ireny video ireny. Lasa malaza àry izay manao an’ilay fialam-boly sady mahaliana ny olona ny ataony.
Izao, ohatra, no hita amin’ny video sasany be mpijery: Olona mandalo vato misakana (ohatra hoe tamboho, trano, tohatra) ka mihazakazaka rehefa hianika an’ilay izy, na mitsambikina haingana. Tsy manao aro loza anefa izy. Mety hanatsoaka
hevi-diso àry ianao hoe 1) tsy dia atahorana handratra ilay izy, ary 2) manao an’ilay izy daholo ny olona. Lasa alaim-panahy hanao fialam-boly mampidi-doza àry ianao.Misy fomba tsara sy azo antoka kokoa azonao amantarana ny fetran’ny mety ho vitanao. Hoy ny 1 Timoty 4:8: “Mahasoa kely ihany ny fampiasan-tena.” Ampitandremana koa anefa isika mba “hisaina tsara.” (Titosy 2:12) Ahoana no azo anaovana an’izany?
INONA NO AZONAO ATAO?
Fantaro raha mampidi-doza ilay fialam-boly. Hoy ny Baiboly: “Miezaka hahalala ny zava-misy ny olona malina rehefa hanao zavatra, fa hadalana kosa no haelin’ny tsisy saina.” (Ohabolana 13:16) Raha te hanao zavatra iray ianao, dia fantaro aloha sao dia mampidi-doza ilay izy. Saintsaino hoe: ‘Atahorana handratra na hahafaty ahy ve ity fialam-boly tiako hatao ity?’—Toro Lalana: Ohabolana 14:15.
Izay manaja ny aina ihany atao namana. Tena namana ny olona iray, raha tsy mampirisika anao hanao zavatra mampidi-doza na mampahatahotra. Hoy i Larissa: “Niova ny fiainako rehefa olona tsara toetra sy nahay nandanjalanja no nataoko namana. Nanampy ahy hahay hifidy fialam-boly ry zareo.”—Toro Lalana: Ohabolana 13:20.
Saintsaino hoe: “Atahorana handratra na hahafaty ahy ve ity fialam-boly ity?”
Ataovy izay fialam-boly tianao nefa aza manao zavatra mampidi-doza. Hoy ny boky Tanora Tia Misetrasetra (anglisy): “Mianatra mametraka fitsipika ho an’ny tenanao ianao” rehefa mihalehibe, “ary mamantatra hoe hatraiza ny fetra tokony hanarahana an’izany.” Azonao atao ny mamantatra ny fetran’ny mety ho vitanao rehefa any amin’ny toerana tsy mampidi-doza. Mampiasà aro loza ary mitandrema tsara.
Miezaha hanaja tena. Tsy hohajain’ny olona ianao raha sahisahy manao zavatra mampidi-doza mba hahazoana fahafinaretana. Hanaja anao kosa izy ireo raha hainao ny miatrika olana eo amin’ny fiainana. Hoy i Larissa: “Mbola nanao zavatra hafa nampidi-doza aho, taorian’ilay nitsoraka avy teny amin’ny harambato iny. Tahaka izay aho tsy nanaiky hanao an’ireny.”
Fehiny: Aza manao zavatra mampidi-doza mba hahazoana fahafinaretana. Mahaiza kosa mifidy fialam-boly.—Toro Lalana: Ohabolana 15:24.
^ feh. 4 Novana ny anarana sasany.