Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Mety sy ny Tsy Mety: Tari-dalana Mahasoa

Ny Mety sy ny Tsy Mety: Tari-dalana Mahasoa

Olona an-tapitrisany no mahita hoe mahasoa sady azo itokisana ny tari-dalan’ny Baiboly. Andao isika handinika lafiny efatra manamarina an’izany.

1. Fanambadiana

Samy manana ny heviny momba ny fanambadiana sy izay hahasambatra ny tokantrano ny olona.

HOY NY BAIBOLY: “Tsy maintsy tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy tsirairay, fa ny vehivavy indray tokony hanaja lalina ny vadiny.”​—Efesianina 5:33.

NY DIKANY: Fandaharana avy amin’Andriamanitra ny fanambadiana, ka fantany izay ilain’ny mpivady mba hahasambatra an-dry zareo. (Marka 10:6-9) Sambatra ny mpivady rehefa tsy mifantoka amin’izay ho azony, fa amin’izay azony omena mba hahamafy orina ny tokantranony. Hita amin’ny fomba itondran’ny lehilahy sy ikarakarany ny vadiny hoe tia azy izy. Ary ahoana no ahitana hoe manaja ny vadiny ny vehivavy? Hita amin’ny fomba firesany sy ny ataony izany.

MAHASOA NY TARI-DALAN’NY BAIBOLY: Nieritreritra i Quang sy Thi, avy any Vietnam, fa tsy ho sambatra mihitsy ny tokantranon-dry zareo. Matetika no tsy tsara fanahy i Quang. Izao no nolazainy: “Tsy niraharaha ny fihetseham-pon’i Thi aho, ary matetika aho no nanambanimbany azy.” Te hisaraka taminy i Thi. Hoy izy: “Tsapako hoe tsy afaka ny hatoky na hanaja ny vadiko intsony aho.”

Nahafantatra an’izay ampianarin’ny Baiboly i Quang sy Thi tatỳ aoriana, sady lasa nahay nampihatra ny Efesianina 5:33. Izao no nolazain’i Quang: “Nanampy ahy io andininy io hahita hoe tokony ho tsara fanahy aho. Tokony hataoko tsapan’i Thi koa hoe tiako izy, ary manome izay ilainy aho sady mikarakara azy tsara na ara-batana na ara-pihetseham-po. Rehefa manao an’izany aho dia lasa tiany sy hajainy indray.” Hoy indray i Thi: “Vao mainka ataon’ny vadiko izay hahatsapako hoe tiana sy voaro aho ary tsy manana ahiahy, arakaraka ny ampiharako ny Efesianina 5:33 sy ampisehoako hoe manaja azy aho.”

Misy fanazavana fanampiny momba ny fanambadiana ao amin’ilay Mifohaza! No. 2 2018 hoe “Torohevitra 12 Mahasambatra ny Fianakaviana”, ao amin’ny jw.org/mg.

2. Fifandraisana amin’ny olona

Matetika ny olona no ratsy fanahy amin’ny hafa noho ny resaka firazanana, fiaviana, paozy, fivavahana, na noho izy lehilahy tia lehilahy na vehivavy tia vehivavy.

HOY NY BAIBOLY: “Hajao ny karazan’olona rehetra.”​—1 Petera 2:17.

NY DIKANY: Tsy milaza ny Baiboly hoe tokony hanavakava-bolon-koditra isika, na hankahala lehilahy tia lehilahy na vehivavy tia vehivavy, na hankahala teratany vahiny. Mampirisika antsika kosa izy io mba hanaja ny olona rehetra na inona na inona firazanany, fiaviany, na fari-piainany. (Asan’ny Apostoly 10:34) Na dia tsy ekentsika aza izay inoan’ny hafa na ataony, dia mbola afaka ny ho tsara fanahy sy hanaja azy foana isika.​—Matio 7:12.

MAHASOA NY TARI-DALAN’NY BAIBOLY: Nampianarina an’i Daniel hoe mampisy olana ny fireneny ny olona avy any Azia. Lasa tsy tiany maizina àry izay olona avy any, ary matetika izy no nanompa azy ireny teny imason’olona. Izao no nolazainy: “Mba hanamarinana hoe mety ny nataoko, dia hoy aho hoe: ‘Ka izaho ange tia tanindrazana e!’ Tsy tao an-tsaiko mihitsy hoe tsy nety ny fomba fisainako na ny nataoko.”

Nianatra an’izay ampianarin’ny Baiboly i Daniel tatỳ aoriana. Hoy izy: “Tsy maintsy nanova tanteraka ny fomba fisainako aho. Nila nampitoviko tamin’ny an’Andriamanitra ny fahitako ny olona, izany hoe mitovy daholo isika na avy aiza na avy aiza.” Izao no tsapan’i Daniel amin’izao rehefa mihaona amin’ny olona izy: “Matetika aho no tsy mieritreritra akory hoe avy aiza ry zareo. Tiako ny karazan’olona rehetra, ary manana namana be any amin’ny tany samihafa aho.”

Misy fanazavana fanampiny ao amin’ilay Mifohaza! No. 3 2020 hoe: “Vahaolana Amin’ny Fanavakavahana”, ao amin’ny jw.org/mg.

3. Vola

Betsaka no mikatsaka vola aman-karena, amin’izay sambatra sy manana hoavy tsara kokoa.

HOY NY BAIBOLY: “Fiarovana hoatran’ny vola ihany ... ny fahendrena. Izao anefa ny tombony azo amin’ny fahalalana: Rehefa ampiarahina amin’ny fahendrena izy io, dia miaro ny ain’izay manana azy.”​—Mpitoriteny 7:12.

NY DIKANY: Ilaina ny vola nefa tsy afaka miantoka ny fahasambarantsika na ny hoavintsika izy io. (Ohabolana 18:11; 23:4, 5) Tena ho sambatra sy hanana hoavy azo antoka kosa isika, raha mampihatra ny fahendrena avy amin’Andriamanitra hita ao amin’ny Baiboly.​—1 Timoty 6:17-19.

MAHASOA NY TARI-DALAN’NY BAIBOLY: Ny hangoron-karena no tena nifantohan’i Cardo, lehilahy iray any Indonezia. Izao no nolazainy: “Nankafy an’izay nonofinofisin’ny ankamaroan’ny olona aho. Nitety tany aho, sady afaka nividy entana sy aotomobilina ary trano lafo be.” Tsy naharitra anefa izany. Hoy i Cardo: “Nisy nisoloky aho, dia nanjavona tao anatin’ny indray mipy maso ny vola niezahako mafy nangonina an-taonany maro. Ny fiainako manontolo mihitsy no lany nikatsahako harena, nefa inona no mba azoko? Tsapako hoe nisy banga ny fiainako, ary nahatsiaro hoe tsy nisy nilana azy aho sady diso fanantenana.”

Nanomboka nampihatra ny torohevitry ny Baiboly momba ny vola i Cardo. Tsy atontony amin’ny fikatsahana harena intsony ny heriny manontolo. Aleony kosa mifidy fiainana tsotra kokoa. Hoy izy: “Ny zavatra ara-panahy no tena harena sady maharitra mandrakizay. Matory tsara aho izao isak’alina sady tena sambatra.”

Raha te hahafantatra an’izay resahin’ny Baiboly momba ny vola ianao, dia vakio ilay hoe “Manampy ve ny Fianarana Ambony sy ny Vola?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana No. 3 2021, ao amin’ny jw.org/mg.

4. Firaisana ara-nofo

Be dia be ny hevitry ny olona momba ny hoe inona no mety sy tsy mety amin’ny resaka firaisana.

HOY NY BAIBOLY: “Tokony ... hifady ny fijangajangana [ianareo]. Tokony hahay hifehy tena ianareo tsirairay, mba ho masina sy mendrika foana ny vatanareo, fa tsy hanao hoatran’ny hafa firenena tsy mahalala an’Andriamanitra. Manaram-po amin’ny filan’ny nofo tsy voafehy mantsy izy ireny, sady tsy mety afa-po mihitsy.”​—1 Tesalonianina 4:3-5.

NY DIKANY: Milaza ny Baiboly fa misy fetra ny fomba anehoana ny faniriana hanao firaisana. Tafiditra amin’ny hoe “fijangajangana” ny fanitsakitsaham-bady, fivarotan-tena, firaisana eo amin’ny olona tsy mpivady, firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ary ny firaisana amin’ny biby. (1 Korintianina 6:9, 10) Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny firaisana, ary natokany ho an’ny lehilahy sy vehivavy mpivady ihany.​—Ohabolana 5:18, 19.

MAHASOA NY TARI-DALAN’NY BAIBOLY: Izao no nolazain’i Kylie, vehivavy iray any Aostralia: “Nieritreritra aho tamin’izaho mbola tsy nanambady hoe hahatsapa ho tiana sy tsy hanana ahiahy raha manao firaisana. Inona akory anefa no teo? Lasa nitebiteby sy vaky fo aho.”

Nianatra sy nampihatra an’izay ampianarin’ny Baiboly momba ny firaisana i Kylie, tatỳ aoriana. Hoy izy: “Hitako hoe natao hiarovana antsika ny fitsipik’Andriamanitra, amin’izay isika tsy mijaly na marary fo. Mahatsiaro ho tsy manana ahiahy sy tiana aho izao, satria manao an’izay tian’i Jehovah hataoko. Misoroka ratram-po be dia be ilay izaho mampihatra ny tari-dalan’ny Baiboly!”

Misy fanazavana fanampiny ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Tokantranomaso?”, ao amin’ny jw.org/mg.

Manampy antsika hahalala an’izay mety sy tsy mety ny Mpamorona antsika. Tsy mora indraindray ny manaraka ny tari-dalany momba ny fitondran-tena, nefa tsy very maina ny ezaka ataontsika. Afaka matoky isika hoe ho sambatra foana raha mankatò an’izany.