Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Ahoana no namaritana ny taona sy ny volana taloha?

NANOMBOKA ny taona tsy ara-pivavahana ho an’ny Hebreo tany amin’ny Tany Nampanantenaina, rehefa niasa tany sy namafy voa ry zareo. Mifanitsy amin’ny tapatapaky ny Septambra ka hatramin’ny tapatapaky ny Oktobra eo izany amin’izao.

Fohy kokoa ny taona amin’ny kalandrie manaraka ny fihodinan’ny volana amin’ny Tany (12 volana misy 29 na 30 andro avy) noho ny taona amin’ny kalandrie manaraka ny fihodinan’ny Tany amin’ny masoandro. Nisy fomba samihafa nampiasaina àry mba hampifanitsiana an’ireo kalandrie roa ireo. Nampiana andro vitsivitsy ny taona tsirairay, na nisy volana iray nampiana tsindraindray, angamba eo am-piandohan’ny taona manaraka. Natao izany mba hifanaraka amin’ny fotoana fambolena na fijinjana ny kalandrie.

Nilaza tamin’ny vahoakany anefa Andriamanitra tamin’ny andron’i Mosesy hoe manomboka ny volana Abiba, na Nisana, ny taona ara-pivavahana. Lohataona (Martsa/Aprily) any Israely izany. (Eks. 12:2; 13:4) Nisy fety tamin’io volana io ary nisy ifandraisany tamin’ny fijinjana vary orza ilay izy.​—Eks. 23:15, 16.

Nilaza i Emil Schürer, mpahay tantara, fa “mora ny nahafantatra hoe rahoviana no tokony hampiana volana iray tao amin’ilay kalandrie.” Izao no nosoratany ao amin’ilay bokiny hoe Ny Tantaran’ny Jiosy Tamin’ny Andron’i Jesosy Kristy, (175 T.K.–135 A.K.) (anglisy): “Isaky ny fenomanana amin’ny volana Nisana (14 Nisana) no tokony hankalazaina ny fetin’ny Paska. Tsy maintsy taorian’ny ekinôksa [fotoana itovizan’ny halavan’ny andro sy ny alina] tamin’ny lohataona anefa izy io no nankalazaina. ... Raha hita àry rehefa hifaramparana ny taona hoe hilatsaka alohan’ny ekinôksa amin’ny lohataona ny fetin’ny Paska, dia nivoaka ny didy hoe ampiana volana [faha-13] alohan’ny Nisana.”

Mampiasa an’io fomba io ny Vavolombelon’i Jehovah mba hamantarana hoe rahoviana no tokony hankalazaina ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Lohataona any Israely izy io no atao, ary mifanitsy amin’ny 14 Nisana amin’ny kalandrie hebreo. Ampahafantarina mialoha an’ireo fiangonana eran-tany io daty io. a

Ahoana anefa no nahalalan’ny Hebreo hoe nifarana ny volana iray ary nanomboka ny volana vaovao? Tsotra kely izany amin’izao. Mijery kalandrie fotsiny isika, na mijery an’izany ao anaty telefaonina. Sarotra be anefa izany taloha.

Nisy 30 andro ny volana tamin’ny andron’i Noa. (Gen. 7:11, 24; 8:3, 4) Tsy voatery ho 30 andro foana anefa izany tatỳ aoriana, tao amin’ny kalandrie hebreo. Nanomboka kosa ny volana tao amin’io kalandrie io raha vao tazana hoe tsinana ny volana, izany hoe 29 na 30 andro taorian’ny nanombohan’ilay volana teo aloha.

Niresaka momba ny fiandohan’ny volana i Davida sy Jonatana, indray mandeha. Izao no nolazain-dry zareo: “Tsinam-bolana rahampitso.” (1 Sam. 20:5, 18) Toa efa voafaritra mialoha àry ny fiandohan’ny volana, talohan’ny taonjato faha-11 T.K. Ahoana no nahalalan’ny Israelita hoe nanomboka ny volana? Manazava an’izany ny Mishnah, fitambarana lalàna sy lovantsofina jiosy. Voalaza ao fa ny Fitsarana Avo Jiosy no nampahafantatra an’izany, taorian’ny nodian’ny Jiosy avy natao sesitany tany Babylona. Nivory io fitsarana io isaky ny faha-30 amin’ny volana, nandritra an’ireo fito volana nisian’ny fety. Ry zareo no namaritra hoe rahoviana no hanomboka ny volana manaraka. Ahoana no namaritany an’izany?

Nasiana olona teny amin’ny toerana avo nanodidina an’i Jerosalema mba handinika ny lanitra amin’ny alina. Raha vao tazan-dry zareo hoe tsinana ny volana, dia ampandrenesiny haingana ilay Fitsarana Avo Jiosy. Rehefa ampy ny porofo nananan’ilay fitsarana hoe tsinana tokoa ny volana, dia nampandrenesin-dry zareo hoe manomboka ny volana vaovao. Ahoana anefa raha tsy tazan’ireo mpitily hoe tsinana ny volana, satria semban-drahona ny lanitra na nisy zavona? Raha izany, dia nambara fa 30 andro ilay volana nohitsahina, ary nanomboka ny ampitson’iny ny volana vaovao.

Ahoana no nampandrenesan’ilay Fitsarana Avo Jiosy hoe nanomboka ny volana? Manazava ny Mishnah fa nisy afo narehitra teo an-tampon’ny Tendrombohitra Oliva, akaikin’i Jerosalema. Nisy afo narehitra koa teny amin’ny toerana avo nanerana an’i Israely, mba hampahafantarana an’ilay vaovao. Mpitondra hafatra indray anefa no nampiasaina tatỳ aoriana. Izany no nahafantaran’ny Jiosy tao Jerosalema sy nanerana an’i Israely ary ireo nipetraka tany an-toeran-kafa hoe nanomboka ny volana. Afaka nankalaza fety tamin’ny fotoana nitovy àry ny rehetra.

Hanampy anao hahazo ny ifandraisan’ny volana hebreo sy ireo fety ary ny fizaran-taona tamin’izany, ny tabilao miaraka amin’ity lahatsoratra ity.

a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 1990, p. 15, sy ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny 15 Septambra 1977 (frantsay).