Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny “Rahalahy Poloney”​—Nahoana Izy Ireo no Nenjehina?

Ny “Rahalahy Poloney”​—Nahoana Izy Ireo no Nenjehina?

Ny “Rahalahy Poloney”​—Nahoana Izy Ireo no Nenjehina?

Tamin’ny 1638, dia namely mafy ny fivavahana kely iray fantatra tamin’ny anarana hoe ny Rahalahy Poloney ny antenimiera poloney. Nopotehina ny fiangonana iray sy ny fanontam-pirinty iray, fananan’izy ireo. Nakatona ny Oniversiten’i Raków, ary natao sesitany ny mpampianatra tao.

Roapolo taona tatỳ aoriana, dia nanao zavatra fanampiny ilay antenimiera. Nodidiany hiala tao Polonina ny mpikambana rehetra tamin’ilay fivavahana, izay angamba niisa 10 000 na nihoatra. Ahoana no nahatonga ny toe-javatra ho ratsy be toy izany tao amin’ny tany iray izay noheverina ho anisan’ireo nilefitra indrindra tany Eoropa manontolo, tamin’izany fotoana izany? Inona no nataon’ny Rahalahy Poloney ka nahatonga azy ireo ho mendrika ny fitondrana henjana toy izany?

NANOMBOKA ny zava-drehetra rehefa nisy fisarahana lehibe nitombo tsikelikely teo anivon’ny Fiangonana Kalvinista tany Polonina. Ny foto-pampianarana ny amin’ny Andriamanitra telo izay iray no anton-javatra iray lehibe nahatonga fifandirana. Nanda ilay foto-pampianarana izay nolazainy fa tsy araka ny Soratra Masina ireo mpitarika ny hetsika iray liam-pandrosoana tao amin’ilay fiangonana. Nahatezitra ny mpitarika ny fiangonana izany, ka nahatonga ilay hetsika liam-pandrosoana hisintaka.

Nantsoin’ny Kalvinista hoe Arianina, * ireo olona tsy niray hevitra taminy ireo, fa naleon’ireo mpikambana tamin’io antokon’olona vaovao io kosa niantso ny tenany hoe Kristianina na ireo Rahalahy Poloney. Sôsinianina koa no ahafantarana azy ireo, avy amin’ny hoe Laelius Socin, Italianina iray niharan’ny fitaoman’i Servet. I Faustus Socin, zana-drahalahin’io Laelius Socin io, no nandeha tany Polonina ary nanjary nitana toerana ambony tao amin’ilay hetsika.

Tamin’izany fotoana izany, ny andriandahy poloney iray natao hoe Jan Sienieński dia nitady hanome ho an’ilay fiangonana vaovao “toerana milamina sy miafina”, araka ny niantsoany azy, mba hahatonga azy io hitombo. Nampiasa tombontsoa manokana iray nomen’ny mpanjakan’i Polonina i Sienieński, ka nanorina ny tanànan’i Raków, izay nanjary foibeny tany Polonina, tatỳ aoriana. Nomen’i Sienieński zo maromaro ny mponina tao Raków, anisan’izany ny zo hanao fanompoam-pivavahana tamin-kalalahana.

Voasintona hankao amin’io tanàna vaovao io ny mpanao asa tanana sy ny dokotera, ny mpivaro-panafody sy ny mponina an-tanàn-dehibe ary ny lohandohany tao amin’ireo antokom-pivavahana samy hafa. Fanampin’izany, dia nirohotra tany koa ny mpitondra fivavahana avy tany Polonina, Litoania, Transylvanie, Frantsa ary Angletera mihitsy aza. Tsy ary nanaiky ny zavatra ninoan’ny Sôsinianina avokoa anefa ireny olona vao tonga ireny; noho izany, nandritra ireo telo taona nanaraka, nanomboka tamin’ny 1569 ka hatramin’ny 1572, dia nanjary toerana nisian’ny adihevitra ara-teôlôjia tsy nisy farany i Raków. Inona no vokany?

Trano iray voazarazara

Nanjary voazarazara koa ilay hetsiky ny Sôsinianina, ka teo an-daniny ireo nanaiky fomba fihevitra hentitra kokoa, ary tetsy an-kilany kosa ireo nanana hevitra voalanjalanja kokoa. Niavaka anefa ny zavatra ninoana niombonan’izy ireo, na teo aza ny tsy fitovian-kevitra teo aminy. Nolavin’izy ireo ny Andriamanitra telo izay iray; tsy nety nanao batisa zazakely izy ireo; tsy nitondra fitaovam-piadiana izy ireo, tamin’ny ankapobeny, ary matetika dia tsy nanaiky hitana andraikitra ara-panjakana izy ireo. * Nolavin’izy ireo koa ny fisian’ny afobe ho toeram-pijalijaliana. Tamin’izany rehetra izany, dia ninia tsy nijery ny lovantsofina ara-pivavahana narahin’ny besinimaro izy ireo.

Samy nampihatra fanoherana nivaivay tamin’io antokon’olona io ny mpitondra fivavahana kalvinista sy katolika, fa ireo mpitondra fivavahana sôsinianina kosa dia nanararaotra ny rivo-piainana nisy fileferana ara-pivavahana nampandrosoin’ny mpanjaka poloney toa an-dry Sigismond II Auguste sy Stephen Báthory mba hampianarana ireo heviny.

Ilay asa nitondra fiovana lehibe nataon’i Budny

Tsy nahafa-po ny mpamaky maro ny fandikan-tenin’ny Baiboly kalvinista izay nampiasaina be dia be tamin’izany fotoana izany. Tsy avy tamin’ireo fiteny tany am-boalohany mantsy no nanaovana ilay fandikan-teny, fa avy tamin’ny Vulgate latina sy fandikana frantsay iray nisy tamin’izany fotoana izany. “Natao sorona ny fifikirana tamin’ny soratra tany am-boalohany sy ny naha araka ny marina ny hevitra, fa ny fomba fanoratra kanto no nomena toerana lehibe”, hoy ny manam-pahaizana iray. Maro ny fahadisoana tafatsofoka. Noho izany, dia nisy manam-pahaizana iray be mpahalala, nantsoina hoe Szymon Budny, nasaina hanitsy ilay fandikan-teny. Nanapa-kevitra izy io fa ho mora kokoa ny hamokatra fandikan-teny vaovao tanteraka, toy izay hanitsy ilay fandikan-teny tranainy. Nanomboka niasa tamin’ilay tetik’asa i Budny, tokony ho tamin’ny 1567.

Rehefa nanao ilay fandikan-teny i Budny dia nofakafakainy tsara ny teny tsirairay sy ny endrika samihafa isehoany. Mbola tsy nisy nanao toy izany mihitsy tany Polonina. Rehefa sarotra ny fandikana ny andinin-teny hebreo, dia nomarihiny teny an-tsisim-pejy ny dikany ara-bakiteny. Rehefa tena nilaina, dia namorona teny vaovao izy, ka niezaka nitady ny fiteny poloney fampiasa andavanandro tamin’izany fotoana izany. Ny tanjony dia ny hanome ho an’ny mpamaky fandikan-tenin’ny Baiboly nifikitra tamin’ny soratra tany am-boalohany sy araka ny marina.

Nivoaka tamin’ny 1572 ny Baiboly manontolo nadikan’i Budny. Novan’ireo mpampanonta an’ilay asa anefa ny fandikana ny Soratra Grika nataony. Tsy kivy i Budny fa nanomboka niasa tamin’ny dikan-teny iray nohavaozina, izay vitany roa taona tatỳ aoriana. Tsara kokoa noho ireo fandikan-teny poloney teo aloha ilay fandikana ny Soratra Grika niavaka nataon’i Budny. Ambonin’izany dia naveriny teo amin’ny toerana maro tokony hisy azy ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah.

Nandritra ny tapany farany tamin’ny taonjato faha-16 sy ireo telopolo taona voalohany tamin’ny taonjato faha-17, dia nanjary foibe ara-pivavahana sy ara-tsaina i Raków, foiben’ilay hetsika. Tao no namoahan’ireo mpitarika sy mpanoratra teo anivon’ny Rahalahy Poloney ny trakta nosoratany sy ny zava-bitany.

Nampandroso ny fampianarana izy ireo

Nanomboka nahazo vahana ny asa famoahana zavatra vita pirinty nataon’ny Rahalahy Poloney, tokony ho tamin’ny taona 1600, rehefa natsangana tao Raków ny milina fanontam-pirinty iray. Afaka namokatra lahatsoratra madinika sy boky be velarana tamin’ny fiteny maromaro ilay milina fanontam-pirinty. Vetivety foana dia afaka nifaninana tamin’ireo foibe fanontam-pirinty tsara indrindra tany Eoropa ilay tao Raków. Azo inoana fa zavatra vita an-tsoratra hatramin’ny 200 no vita pirinty tamin’io milina io, nandritra ireo 40 taona nanaraka. Nisy orinasa mpamokatra taratasy an’ny Rahalahy Poloney nanome taratasy ambony karazana, nampiasaina tamin’izany zavatra vita an-tsoratra izany.

Vetivety foana dia hitan’ny Rahalahy Poloney fa nilaina ny nampianatra ireo mpiray finoana taminy sy ny hafa. Mba hanaovana izany dia naorina ny Oniversiten’i Raków tamin’ny 1602. Ireo zanaky ny Rahalahy Poloney sy ireo zazalahy katolika sy protestanta no nianatra tao. Sekoly teôlôjika ilay oniversite, kanefa tsy ny fivavahana no hany taranja nampianarina tao. Nampianarina tao koa ny fiteny vahiny, ny fitsipi-pitondran-tena tokony harahina, ny toe-karena, ny tantara, ny lalàna, ny lôjika, ny zavaboary, ny matematika, ny fitsaboana ary ny fanatanjahan-tena. Nanana tranomboky lehibe iray izay nihalehibe hatrany noho ilay milina fanontam-pirinty teo an-toerana, ilay oniversite.

Toy ny hoe hiroborobo hatrany arakaraka ny fandroson’ny taonjato faha-17, ny Rahalahy Poloney, kanefa tsy izany no nitranga.

Nanohitra ny eglizy sy ny fanjakana

Nanazava toy izao i Zbigniew Ogonowski, avy ao amin’ny Sekoly Ambony Momba ny Siansa any Polonina: “Nanomboka niharatsy haingana ny toe-javatra nisy ny Arianina teto Polonina, tamin’ny faran’ny folo taona fahatelo tamin’ny taonjato faha-17.” Ny fitomboan’ny zavatra nataon’ny mpitondra fivavahana katolika tamim-pahasahiana no nahatonga izany. Nampiasain’izy ireo ny fomba rehetra, anisan’izany ny fanendrikendrehana sy ny fanasoketana, mba hanalana baraka ny Rahalahy Poloney. Nanamora ilay famelezana ny fiovan’ny toe-draharaha ara-politika tany Polonina. Fahavalon’ny Rahalahy Poloney ilay mpanjaka poloney vaovao, i Sigismond III Vasa. Ny mpandimby azy, indrindra fa i Jean II Casimir Vasa, dia nanohana toy izany koa ny ezaka nataon’ny Eglizy Katolika mba hanoherana ny Rahalahy Poloney.

Halohalika ny ranombary rehefa nolazaina fa ninia nanimbazimba lakroa iray ny mpianatra vitsivitsy avy tao amin’ny oniversiten’i Raków. Nanjary antony namboamboarina mba handravana ilay foiben’ny Rahalahy Poloney io zava-niseho io. Nampangaina teo anatrehan’ny fitsaran’ny antenimiera ho ‘nampihanaka ny faharatsiana’ tamin’ny fanohanany an’io oniversite io sy ny fanontam-pirintiny, ny tompon’ilay oniversiten’i Raków. Nampangaina ho mpanongam-panjakana sy mpiliba ary ratsy fitondran-tena ny Rahalahy Poloney. Nanapa-kevitra ilay antenimiera fa tokony hakatona ny Oniversiten’i Raków, ary hopotehina ilay fanontam-pirinty sy ilay fiangonan’ny Rahalahy Poloney. Nodidiana hiala tao amin’ilay tanàna ireo mpino. Noroahina hiala tao Polonina ireo mpampianatra tao amin’ilay oniversite, raha tsy izany dia hovonoina ho faty. Nifindra tany amin’ny toeram-pialofana azo antoka kokoa toa an’i Silezia sy i Slôvakia, ny Rahalahy Poloney sasany.

Tamin’ny 1658, dia namoaka didy ilay antenimiera fa tsy maintsy nivarotra ny fananany ny Rahalahy Poloney ary tsy maintsy nifindra tany amin’ny tany hafa tao anatin’ny telo taona. Nohafohezina ho roa taona io fe-potoana io tatỳ aoriana, ary hovonoina ho faty na iza na iza nilaza tena ho nanaraka ny finoan’izy ireo taorian’izay.

Nanorim-ponenana tany Holandy ny Sôsinianina sasany, ary nanohy ny asa fanontam-pirintiny tany. Nisy kôngregasiôna iray niasa tany Transylvanie hatrany am-piandohan’ny taonjato faha-18. Tamin’ny fivorian’izy ireo, izay notarihina hatramin’ny intelo isan-kerinandro, dia nihira salamo izy ireo, nihaino toriteny ary namaky katesizy izay nomanina mba hanazavana ny fampianarany. Mba hitandrovana ny fahadiovan’ny kôngregasiôna, ireo mpiray finoana dia nahitsy, nanarina mafy ary, raha tena nilaina, dia noroahina.

Mpianatra ny Tenin’Andriamanitra ny Rahalahy Poloney. Nahita fahamarinana sarobidy sasantsasany izy ireo, ary dia tsy nisalasala nizara izany tamin’ny hafa. Niely nanerana an’i Eoropa anefa izy ireo tamin’ny farany, ka hitany fa nihasarotra ny fihazonana ny firaisan-tsaina teo amin’izy ireo. Rehefa nandeha ny fotoana dia tsy hita intsony ny Rahalahy Poloney.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 I Arius (250-336 am.f.i.) dia pretra avy any Aleksandria izay nanambara fa ambany kokoa noho ny Ray i Jesosy. Nolavin’ny kônsilin’i Nicée io fiheverany io tamin’ny 325 am.f.i.​—Jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Jona 1989, pejy 27.

^ feh. 9 Jereo ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Novambra 1988, pejy 19, “Les Sociniens​—Pourquoi n’acceptaient-ils pas la Trinité?”

[Sary, pejy 23]

Tranona mpitondra fivavahana sôsinianina iray

[Sary, pejy 23]

Ambony: Raków ankehitriny; eo an-kavanana ilay mônasitera naorina tamin’ny 1650 mba hamongorana ny soritry ny “Arianisma”; ambany: Teto amin’ity toerana ity no nananganan’ny mpitondra fivavahana katolika lakroa mba hihantsiana ady tamin’ny Rahalahy Poloney

[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]

Title card of Biblia nieświeska by Szymon Budny, 1572