Mahita Fifaliana ny Olona Tsy Mivadika
Mahita Fifaliana ny Olona Tsy Mivadika
“Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.”—OHABOLANA 10:22.
1, 2. Nahoana isika no tsy tokony hifantoka be loatra amin’ny hoavy?
MISY fomba fiteny malagasy manao hoe: “Izay varimbarian’ny lavitra, hono, tsy mahita ny ambany maso.” Izany tokoa no mahazo ny ankizy raha mifantoka be loatra amin’ny tombontsoa ho azony rehefa lehibe izy, ka tsy mahatsapa ny soa raisiny, raha tsy efa dila ela ny fahazazana.
2 Mety hanana an’izany toe-tsaina izany koa na dia ny mpivavaka amin’i Jehovah aza. Angamba isika maniry fatratra ny hahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra hanova ny tany ho paradisa. Na koa tena tsy andrintsika ny hanafoanana ny aretina, fahanterana, fanaintainana, ary ny fijaliana. Tsy misy maharatsy ny manantena an’ireo zavatra ireo. Ahoana anefa raha mifantoka be loatra amin’ny soa ho azontsika amin’ny hoavy isika, ka tsy mahita ny fitahiana ara-panahy efa azontsika ankehitriny? Tena hampalahelo izany! Mety ho mora kivy sy ‘harary fo’ isika amin’izay, satria toa ‘ela fiavy ny fanantenantsika’ fa tsy araka ny nieritreretantsika azy. (Ohabolana 13:12, Fandikan-teny Katolika) Mety ho ketraka na hitsetra tena isika, noho ireo olana atrehintsika. Mety tsy hiezaka handresy an’ireo zava-manahirana isika, fa ho lasa be taraina. Azo sorohina anefa izany rehetra izany, raha misaintsaina sy mankasitraka ny fitahiana raisintsika amin’izao fotoana izao isika.
3. Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?
3 Hoy ny Ohabolana 10:22: “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.” Manankarena ara-panahy ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny. Tsy tokony hahafaly antsika ve izany fitahiana izany? Andeha isika handinika ny lafiny sasany amin’izany, sy ny vokatr’izany eo amintsika. Vao mainka isika ho tapa-kevitra ny hanompo amim-pifaliana hatrany an’ilay Raintsika any an-danitra, raha maka fotoana hisaintsainana ireo fitahiana tondraka arotsany amin’ny “olona marina mandeha amin’ny fahitsiany”, na tsy mivadika aminy.—Ohabolana 20:7.
Fitahiana mampanan-karena antsika ankehitriny
4, 5. Inona no fampianaran’ny Baiboly tena tianao, ary nahoana?
4 Fahalalana marina tsara ny fampianarana ao amin’ny Baiboly. Mihambo ho mino ny Baiboly ny fivavahana ao amin’ny Kristianisma Anarana amin’ny ankapobeny. Tsy mitovy anefa ny fahazoan’izy ireo ny zavatra ampianarin’izy io. Na dia ireo mitovy finoana aza matetika, dia tsy miombon-kevitra raha ny amin’ny zavatra tena ampianarin’ny Soratra Masina. Hafa mihitsy ny mpanompon’i Jehovah! Ilay Andriamanitra marina no ivavahantsika, na inona na inona firenena, na foko, na kolontsaintsika. Haintsika ny anarany, ary fantatsika fa tsy andriamanitra telo izay iray saro-pantarina izy. (Deoteronomia 6:4; Salamo 83:18; Marka 12:29) Tsy miafina amintsika koa fa kely sisa dia ho voaporofo hoe Andriamanitra ihany no manana zo hitondra an’izao rehetra izao, ary anisan’ny hanamarina izany isika tsirairay raha tsy mivadika aminy. Fantatsika ny marina momba ny maty. Tsy mampihorohoro antsika intsony koa ny filazana fa hoe misy Andriamanitra iray mampijaly olona any amin’ny afobe, na mandefa azy ireny any amin’ny afofandiovana.—Mpitoriteny 9:5, 10.
5 Mahafaly koa ny mahafantatra fa tsy nivoatra miandalana avy tamin’ny biby isika. Zavaboarin’andriamanitra kosa isika, ary nataony tahaka ny endriny. (Genesisy 1:26; Malakia 2:10) Nihira ho an’ny Andriamaniny ny mpanao salamo hoe: “Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; mahagaga ny asanao; ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.”—Salamo 139:14.
6, 7. Inona no fiovana nataonao na nataon’olon-kafa ka hitanao fa nitondra fitahiana?
6 Afaka amin’ny fahazarana manimba. Mameno ny fampitam-baovao ny fampitandremana momba ny voka-dratsin’ny fifohana sigara sy fisotroana tafahoatra ary ny fitondran-tena maloto. Tsy miraharaha izany anefa ny olona amin’ny ankapobeny. Inona anefa no ataon’ny olona tso-po, rehefa fantany fa tsy ankasitrahan’ilay Andriamanitra marina ireo fanao ireo, ary malahelo izy rehefa misy manao izany? Mahavariana fa voatosika hiala amin’ireo fahazaran-dratsy ireo izy! (Isaia 63:10; 1 Korintianina 6:9, 10; 2 Korintianina 7:1; Efesianina 4:30) Marina fa ny faniriany hampifaly an’i Jehovah Andriamanitra no anaovany izany, nefa mandray soa koa izy satria lasa salama sy milamin-tsaina kokoa.
7 Sarotra be amin’ny olona maro ny miala amin’ny fahazaran-dratsy. Olona an’aliny anefa no mahavita izany isan-taona. Manolo-tena ho an’i Jehovah izy ireny, ary atao batisa ao anaty rano. Izany no ampisehoany amin’ny besinimaro fa efa niala tamin’ny fanao tsy mampifaly an’Andriamanitra izy. Mampahery antsika rehetra tokoa izany! Vao mainka isika tapa-kevitra ny hiady mafy, mba tsy handevozin’ny fahazarana ratsy sy manimba.
8. Inona no torohevitra ara-baiboly manampy ny fianakaviana ho sambatra?
8 Fianakaviana sambatra. Mihamikorontana ny tokantrano any amin’ny tany maro. Maro ny mpivady misaraka, ary matetika izany no mitondra fahavoazana maharitra ho an’ny ankizy. Efa ho ny 20 isan-jaton’ny tokantrano any amin’ny firenena eoropeanina sasany no tsy misy afa-tsy ray na reny. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika tsy hivadika amin’io lafiny io? Vakio ny Efesianina 5:22–6:4, ary mariho ny torohevitra tsara omen’ny Tenin’Andriamanitra ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy manambady, ary ny ankizy. Azo antoka fa manamafy ny fatoram-panambadiana ny fanarahana an’izay voalaza ao sy izay voalazan’ny andinin-teny hafa. Manampy ny mpivady hitaiza ny zanany araka ny tokony ho izy koa izany, ary mahasambatra ny fianakaviana. Tena fitahiana tokony hahafaly izany!
9, 10. Nahoana no tsy mitovy amin’ny an’ity tontolo ity ny fomba fijerintsika ny hoavy?
9 Azontsika antoka fa hifarana tsy ho ela ny zava-manahirana eran-tany. Tsy voavaha ireo olana goavana misy ankehitriny, na dia eo aza ny fahaizana ara-tsiansa sy ara-teknolojia mbamin’ny ezaka mafy ataon’ny mpitondra sasany. Vao haingana no nanao izao fanamarihana izao i Klaus Schwab, mpanorina ny Fihaonam-be Momba ny Toe-karena Eran-tany: “Tsy mitsaha-mitombo ny olana atrehin’izao tontolo izao, nefa ny fotoana amahana azy tsy mitsaha-mihena.” Niresaka momba ny “loza fahita any amin’ny firenena rehetra izy, anisan’izany ny fampihorohoroana, fahasimban’ny tontolo iainana, ary ny fiovaovan’ny toe-bola.” Hoy i Schwab teo am-pamaranana: “Mafy noho ny hatramin’izay ny olana misy eran-tany, ka mila miara-mientana ny rehetra sady mandray fanapahan-kevitra haingana mba hamahana izany.” Mandroso ihany ny taonjato faha-21, nefa mbola manjombona ny hoavin’ny olombelona amin’ny ankapobeny.
10 Faly tokoa isika satria mahafantatra fa efa nanorina ny Fanjakan’ny Mesia i Jehovah, ary izy io no afaka hamaha ny olana rehetra mahazo ny olombelona! Io no hampiasain’ilay Andriamanitra marina, mba ‘hampitsahatra [ny] ady’ sy hampanjaka ny “fiadanana.” (Salamo 46:9; 72:7) ‘Hamonjy ny mahantra, ny ory, ary ny reraka amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny’, i Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka voahosotra. (Salamo 72:12-14) Tsy hisy ny mosary rehefa hitondra io Fanjakana io. (Salamo 72:16) ‘Hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny masontsika [i Jehovah], ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.’ (Apokalypsy 21:4) Efa miorina any an-danitra io Fanjakana io, ary tsy ho ela izy io dia hamaha ny olana rehetra eto an-tany.—Daniela 2:44; Apokalypsy 11:15.
11, 12. a) Mitondra fahasambarana mandrakizay ve ny fikatsahana fahafinaretana? Hazavao. b) Inona no tena mahasambatra?
11 Fantatsika hoe inona no tena mahasambatra. Inona tokoa no tena mahasambatra? Nilaza ny psikology iray fa zavatra telo no mahasambatra: fahafinaretana, fananana zavatra atao (asa sy fikarakarana ankohonana), fananana tanjona (ankoatra ny fiahiana izay hahasoa ny tenanao). Ny fahafinaretana no nolazainy fa maivan-danja indrindra amin’izy telo ireo. Hoy izy: “Tsara ho fantatra izany, satria tena betsaka ny olona tsy manao afa-tsy ny mikatsaka fahafinaretana.” Inona no lazain’ny Baiboly momba izany?
12 Izao no nolazain’i Solomona, mpanjakan’ny Israely fahiny: “Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin’ny hafaliana hianao, ka dia mifalia amin’ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany. Hoy izaho, miantso ny fihomehezana: Fahadalana, ary ny fifaliana hoe: Mahefa inona?” (Mpitoriteny 2:1, 2) Milaza ny Soratra Masina fa mihelina ihany ny fahasambarana entin’ny fahafinaretana. Ary ny asa? Misy asa faran’izay tsara azontsika atao, dia ny fitoriana ilay Fanjakana sy fanaovana mpianatra. (Matio 24:14; 28:19, 20) Manao asa afaka mamonjy ny tenantsika sy izay mihaino antsika isika, rehefa manambara ilay hafatra mamonjy aina raketin’ny Baiboly. (1 Timoty 4:16) “Mpiara-miasa amin’Andriamanitra” isika, ka mahatsapa fa “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (1 Korintianina 3:9; Asan’ny Apostoly 20:35) Mahatonga ny fiainantsika hisy heviny kokoa io asa io, sady anisan’ny fomba amalian’ny Mpamorona an’i Satana Devoly, ilay miteny ratsy azy. (Ohabolana 27:11) Nasehon’i Jehovah antsika tokoa, fa ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra no ahitana ny tena fahasambarana mandrakizay.—1 Timoty 4:8.
13. a) Nahoana ny Sekolin’ny Fanompoana no fitahiana mahafaly? b) Inona no soa noraisinao avy tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana?
13 Fandaharam-panofanana sarobidy sy mahomby. Anti-panahy eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah i Gerhard. Hoy izy: “Tena nanahirana ahy ny niteny, tamin’izaho mbola tanora. Tsy nazava ny zavatra nolazaiko ary nanomboka niakanakam-piteny aho rehefa natahotra. Nihevi-tena ho ambany aho, ary nanjary ketraka. Nampanaovin’ny ray aman-dreniko fiofanana manokana aho mba hahaizako hiteny, nefa tsy nahomby izany. Tsy kilema ara-batana mantsy ilay izy, fa olana ara-pihetseham-po. Nanome fanampiana tena tsara anefa i Jehovah, dia ny Sekolin’ny Fanompoana. Nampahery ahy ny nandray anjara tamin’io sekoly io. Nanao araka izay fara heriko aho mba hampiharana izay nianarako. Nahomby ilay izy! Nisosa kokoa ny fomba fiteniko, tsy ketraka intsony aho, ary lasa nanana fahasahiana kokoa teny amin’ny fanompoana. Manao lahateny mihitsy aza aho izao. Tena velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho, noho izy nanatsara ny fiainako tamin’ny alalan’io sekoly io.” Tena mahafaly antsika tokoa ny fomba ampiofanan’i Jehovah antsika, mba hanatontosantsika ny asany!
14, 15. Inona no fanampiana mora azo, rehefa ao anatin’ny fotoan-tsarotra isika? Hazavao amin’ny ohatra.
14 Mifandray akaiky amin’i Jehovah isika sady tohanan’ireo rahalahy maneran-tany. Nanahy mafy i Katrin, mipetraka any Alemaina, rehefa nandre fa nisy horohoron-tany lehibe niteraka safodrano tany Azia atsimoatsinanana. Nandeha tany Tailandy mantsy ny zanany vavy tamin’io fotoana io. Tsy fantatr’i Katrin, tao anatin’ny iray andro sy tapany, raha mbola velona ny zanany, na anisan’ireo olona naratra sy maty, izay nitombo isan’ora. Maivamaivana erỳ i Katrin tamin’ny farany, rehefa naharay antso an-telefaonina nanome toky fa nieren-doza ny zanany!
15 Inona no nanampy an’i Katrin nandritra ireo ora maro nampitebiteby azy? Nanoratra izy hoe: “Nivavaka tamin’i Jehovah foana aho tamin’ny ankamaroan’io fotoana io. Nahazo hery sy nilamin-tsaina kokoa aho isaky ny avy nanao izany. Nitsidika sy nampahery ahy koa ireo namana kristianina be fitiavana.” (Filipianina 4:6, 7) Ho mafy kokoa ny nanjo an’i Katrin nandritra ireo ora maro nampitaintaina azy, raha tsy teo ny valim-bavaka avy tamin’i Jehovah, sy ny fampaherezan’ireo mpiray finoana be fitiavana! Tena fitahiana tsy manam-paharoa ny fananantsika fifandraisana akaiky amin’i Jehovah sy ny Zanany, ary ireo rahalahy kristianina! Sarobidy loatra izany ka tsy tokony hohamaivanina!
16. Milazà fitantarana mampiseho fa tena sarobidy ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty.
16 Fanantenana hahita indray ireo havan-tiantsika nodimandry. (Jaona 5:28, 29) Notezaina tao amin’ny fahamarinana i Matthias. Tsy nahatsapa ireo fitahiana azony anefa izy, ka nandao ny fiangonana kristianina tamin’izy mbola zatovo. Efa niverina izy izao, ary nanoratra hoe: “Tsy mba niresaka zava-dalina niaraka tamin’i Dada izany mihitsy aho. Imbetsaka izahay mianaka no nifamaly tao anatin’ireo taona lasa. Nitady izay hahasoa ahy foana anefa i Dada. Tena tia ahy izy, nefa tsy tsapako akory izany tamin’ireny fotoana ireny. Nipetraka teo akaikin’ny fandriany aho tamin’ny 1996, namihina ny tanany, ary nitomany be sady nilaza taminy fa tena tia azy aho ary nanenina mafy tamin’izay rehetra nataoko. Tsy nahare ahy anefa izy. Nindaosin’ny fahafatesana izy, rehefa avy narary vetivety. Raha mbola velona aho rehefa hitsangana amin’ny maty ny raiko, dia hanonitra ny lasa izahay. Azo antoka fa ho faly izy raha mandre fa anti-panahy aho izao, ary mpisava lalana maharitra izaho sy ny vadiko.” Fitahiana ho antsika tokoa ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty!
“Tsy misy fijaliana ampiarahiny amin’izany”
17. Raha misaintsaina ny fitahian’i Jehovah isika, inona no tokony ho vokatr’izany eo amintsika?
17 Hoy i Jesosy Kristy momba ny Rainy any an-danitra: “Izy ... mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ary mandatsaka ny orana amin’ny marina sy ny tsy marina.” (Matio 5:45) Raha ny ratsy fanahy sy ny tsy marina aza omen’i Jehovah Andriamanitra fitahiana, tsy mainka ve fa ireo tsy mivadika aminy? Milaza ny Salamo 84:11 fa “tsy hiaro zava-tsoa amin’izay mandeha amin’ny fahitsiana Izy.” Ho feno fankasitrahana sy fifaliana tokoa ny fontsika, rehefa saintsainintsika ny fikarakarana sy fiahiana manokana asehon’Andriamanitra amin’ireo tia azy!
18. a) Nahoana isika no afaka milaza fa tsy misy fijaliana ampiarahin’i Jehovah amin’ny fitahiany? b) Nahoana no maro amin’ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika no mijaly?
18 “Ny fitahian’i Jehovah” no nahatonga ny vahoakany hanan-karena ara-panahy. Mahazo toky koa isika fa “tsy azon’ny fisasarana ampiana izany”, na hoe “tsy misy fijaliana ampiarahiny amin’izany”, araka ny teny hebreo tany am-boalohany. (Ohabolana 10:22) Nahoana no maro amin’ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika no mijaly mafy noho ny fitsapana? Miatrika olana sy fahoriana isika, noho ny antony telo. 1) Ny fironantsika hanota. (Genesisy 6:5; 8:21; Jakoba 1:14, 15) 2) I Satana sy ny demoniany. (Efesianina 6:11, 12) 3) Ity tontolo ratsy ity. (Jaona 15:19) Mamela antsika hiaritra zava-dratsy i Jehovah, nefa tsy izy no mahatonga azy ireny. “Avy any ambony” aza, raha ny marina, “ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra, satria izany midina avy any amin’ny Rain’ny fahazavana.” (Jakoba 1:17) Tsy mampijaly ny fitahian’i Jehovah.
19. Inona no miandry an’ireo tsy mivadika?
19 Ireo mifandray akaiky amin’Andriamanitra no manankarena ara-panahy. Raha mifandray tsara aminy isika, dia ‘hanana harena tsara tahiry ho an’ny tenantsika, izany hoe fototra tsara ho amin’ny hoavy. Amin’izay isika dia hihazona mafy ny tena fiainana’, dia ny fiainana mandrakizay. (1 Timoty 6:12, 17-19) Hahazo harena ara-panahy isika sady handray fitahiana hafa, ao amin’ny tontolo vaovao. Hahazo ny tena fiainana izay rehetra “mihaino ny feon’i Jehovah.” (Deoteronomia 28:2) Aoka àry isika ho tapa-kevitra kokoa ny hanompo hatrany an’i Jehovah amim-pifaliana sy tsy hivadika aminy.
Inona no Nianaranao?
• Nahoana no tsy fahendrena ny mifantoka be loatra amin’ny hoavy?
• Inona avy ireo fitahiana raisintsika ankehitriny?
• Nahoana ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky no mijaly?
[Fanontaniana]