Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona Ireo Harena “Tsara Afina” ao Amin’i Kristy?

Inona Ireo Harena “Tsara Afina” ao Amin’i Kristy?

Inona Ireo Harena “Tsara Afina” ao Amin’i Kristy?

‘Tsara afina ao aminy ny harenan’ny fahendrena rehetra sy ny harenan’ny fahalalana rehetra.’—KOL. 2:3.

1, 2. a) Inona no zavatra niavaka hita tamin’ny 1922, ary aiza izy ireo izao? b) Inona no asain’Andriamanitra ataontsika rehetra?

HEVERINA ho vaovao lehibe ny fahitana harena nafenina, any amin’ny tany maro. Nahita zavatra niavaka, ohatra, ilay Anglisy mpikaroka atao hoe Howard Carter, tamin’ny 1922. Nahita ny fasan’i Farao Toutankhamon izy, rehefa niezaka mafy an-taonany maro sy niaritra zava-tsarotra isan-karazany. Feno zava-tsarobidy efa ho 5 000 tao anatin’ilay izy.

2 Tena nahatalanjona ireo zava-tsarobidy ireo, nefa tehirizina any amin’ny tranombakoka sisa izao ny ankamaroany, na koa novidin’olona. Marina fa manan-tantara izy ireny, sady zavakanto miavaka, nefa tsy tena ilaintsika isan’andro. Misy harena hafa tena ilaintsika anefa, ary asain’Andriamanitra tadiavintsika rehetra. Mbola sarobidy lavitra noho ny harena rehetra eto an-tany izany.—Vakio ny Ohabolana 2:1-6.

3. Nahoana no sarobidy ny harena asain’i Jehovah tadiavintsika?

3 Tena sarobidy tokoa ny harena asain’i Jehovah tadiavintsika. Anisan’izany ny “fahatahorana” azy. Miaro antsika izy io amin’izao fotoan-tsarotra izao. (Sal. 19:9) Eo koa ny “fahalalana an’Andriamanitra.” Lasa mifandray akaiky amin’ilay Avo Indrindra isika, rehefa mahalala azy. Tsy misy voninahitra lehibe noho izany. Mbola misy harena hafa koa, dia ny fahendrena sy fahalalana ary fahaiza-manavaka avy aminy. Hanampy antsika hahazaka ny olana manjo antsika isan’andro ireo. (Ohab. 9:10, 11) Ahoana àry no hahitantsika an’ireo harena sarobidy ireo?

Nahoana no mila tadiavina?

4. Ahoana no hahitantsika an’ireo harena ampanantenain’Andriamanitra?

4 Tsy maintsy mitady etsy sy eroa ny mpikaroka vao mahita zava-tsarobidy. Isika kosa mahalala hoe aiza no misy an’ireo harena ampanantenain’Andriamanitra. Toy ny sarintany ny Teniny, ka manoro antsika an’izany. Hoy ny apostoly Paoly: ‘Tsara afina ao amin[’i Kristy] ny harenan’ny fahendrena rehetra sy ny harenan’ny fahalalana rehetra.’ (Kol. 2:3) Mety hanontany àry isika hoe: ‘Nahoana isika no mila mitady an’ireo harena ireo? Inona no dikan’ny hoe “tsara afina” ao amin’i Kristy izy ireo? Ahoana no hahitantsika azy ireo?’ Mba hamaliana izany, dia aleo hodinihintsika ny tenin’i Paoly.

5. Nahoana i Paoly no nanoratra ho an’ny Kolosianina?

5 Ny Kristianina tany Kolosia no nanoratan’i Paoly. Nilaza tamin’izy ireo izy fa niady mafy ho azy ireo, mba “hampiononana ny fon’izy ireo, ary mba ho tafakambana mirindra tsara ao amin’ny fitiavana izy ireo.” (Vakio ny Kolosianina 2:1, 2.) Inona no tena nampanahy an’i Paoly? Reny fa nisy tamin’izy ireo nitady hampirisika ny hafa hanaraka filozofia grika na hiverina hitandrina ny Lalàn’i Mosesy. Hentitra àry ny tenin’i Paoly hoe: “Tandremo sao hisy hahalasa anareo ho rembiny amin’ny alalan’ny filozofia sy ny famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona, eny, araka ny zavatra fototra eo amin’ity tontolo ity, fa tsy araka an’i Kristy.”—Kol. 2:8.

6. Nahoana no mahakasika antsika ny torohevitr’i Paoly?

6 Misy fitsapana mitovy amin’izany ankehitriny, avy amin’i Satana sy ny tontolo ratsiny. Maro ny filozofia ampianarin’ity tontolo ity, toy ny hoe mety foana ny fiainana na tsy misy an’Andriamanitra aza, sy ny hoe tsy nisy namorona isika. Misy fiantraikany eo amin’ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena ary ny tanjon’ny olona izany. Ankoatra izany, dia avy amin’ny fivavahan-diso ny ankamaroan’ireo fety be mpitia. Tsy natao afa-tsy hanairana ny filan’ny nofo koa ny fialam-boly maro, toy ny filma sy ny hira. Tena mampidi-doza koa ny ankamaroan’ny zavatra hita ao amin’ny Internet, na ho an’ny tanora na ny antitra. Raha mahita na mandre foana an’ireo rehetra ireo isika, dia mety hanjary hanamaivana ny tari-dalan’i Jehovah, ka tsy hifikitra mafy intsony amin’ny tena fiainana. (Vakio ny 1 Timoty 6:17-19.) Mila mahatakatra sy mandatsaka am-po ny tenin’i Paoly àry isika, raha tsy te ho voafandrik’i Satana.

7. Inona ireo zavatra roa tena nilain’ny Kolosianina?

7 Rehefa avy nilaza ny fanahiany i Paoly, dia nanasongadina zavatra roa tena nilain’ny Kolosianina, mba hampiononana ny fon’izy ireo sy hahatafakambana azy ao amin’ny fitiavana. Voalohany, nila ‘natoky tanteraka ny fomba fahazoany hevitra’ izy ireo. Nila niaiky tanteraka izy ireo fa marina ny fahazoany ny Soratra Masina, mba ho marim-pototra ny finoany. (Heb. 11:1) Faharoa, nila nanana “fahalalana marina tsara ny zava-miafina masin’Andriamanitra” izy ireo. Tsy tokony hianina amin’ny fahalalana ankapobe momba ny fahamarinana izy ireo, fa hiezaka hahatakatra tsara ny zava-dalin’Andriamanitra. (Heb. 5:13, 14) Tena torohevitra tsara izany, na ho azy ireo na ho antsika! Ahoana anefa no hananantsika an’ilay fatokisana sy fahalalana marina tsara noresahin’i Paoly? Izy ihany no namaly hoe: ‘Tsara afina ao amin[’i Kristy] ny fahendrena rehetra sy ny harenan’ny fahalalana rehetra.’

Harena “tsara afina” ao amin’i Kristy

8. Inona no dikan’ilay hoe “tsara afina” ao amin’i Kristy?

8 Inona no dikan’ny hoe “tsara afina” ao amin’i Kristy ny harenan’ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra? Tsy midika izany hoe tsy ho hita mihitsy ilay izy. Te hilaza kosa i Paoly fa mila miezaka mafy isika raha te hahita ireo harena ireo, ary mila mandinika ny anjara asan’i Jesosy Kristy. Hoy mantsy i Jesosy: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana. Tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.” (Jaona 14:6) Mila ny fanampiany sy ny tari-dalany àry isika, raha te hahalala an’Andriamanitra.

9. Inona avy no anjara asan’i Jesosy?

9 Tsy “lalana” fotsiny i Jesosy, fa “fahamarinana” sy “fiainana” koa. Tsy natao hanampy antsika hanatona ny Ray fotsiny àry izy. Mila azy koa isika raha te hahatakatra ny fahamarinana sy hahazo ny fiainana mandrakizay. Misy harena tsara afina sy tsy manan-tsahala ao aminy. Anjarantsika fotsiny ny mikaroka tsara azy ireo. Aleo àry hofantarintsika ny sasany. Miankina amin’ireo harena ireo mantsy ny hoavintsika sy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra.

10. Inona no ianarantsika momba an’i Jesosy, rehefa jerena ny Kolosianina 1:19 sy 2:9?

10 “Ao aminy no itoeran’ny fahafenoan’ny toetran’Andriamanitra.” (Kol. 1:19; 2:9) Niaraka tamin’ny Rainy foana i Jesosy nandritra ny taona maro tsy hita isa, ka izy no tena mahalala ny toetrany sy ny sitrapony. Nampita ny zavatra nampianarin’ny Rainy izy teto an-tany, sady naneho ny toetrany. Sahy niteny àry i Jesosy hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” (Jaona 14:9) Tsara afina na mitoetra ao aminy tokoa ny fahendrena sy ny fahalalana an’Andriamanitra. Mila mamantatra izay rehetra azo fantarina momba azy àry isika, satria izany no fomba tsara indrindra hahalalana an’i Jehovah.

11. Inona no tiana holazaina ao amin’ny Apokalypsy 19:10?

11 “Ny fitoriana momba an’i Jesosy no anton’ny faminaniana.” (Apok. 19:10) Te hilaza io andinin-teny io hoe tanteraka amin’i Jesosy ny faminaniana maro ao amin’ny Baiboly. Manomboka amin’ilay faminaniana voalohany ao amin’ny Genesisy 3:15 izany, ka hatramin’ireo fahitana miavaka ao amin’ny Apokalypsy. Tsy hazava tsara anefa ireny faminaniana ireny, raha tsy fantarina aloha ny anjara asan’i Jesosy ao amin’ny Fanjakan’ny Mesia. Tsy mahagaga àry raha tsy mahazo ny faminaniana maro ao amin’ny Soratra Hebreo ireo tsy mino an’i Jesosy ho Mesia. Tsy mahagaga koa raha mihevitra azy ho olo-malaza fotsiny ireo milaza hoe tsy ilaina ny Soratra Hebreo, izay misy faminaniana maro momba ny Mesia. Takatry ny vahoakan’Andriamanitra kosa, na dia ireo faminaniana mbola tsy tanteraka aza, satria mahalala tsara momba an’i Jesosy izy ireo.—2 Kor. 1:20.

12, 13. a) Nahoana i Jesosy no “fahazavan’izao tontolo izao”? b) Inona no tokony hataon’ny Kristianina noho izy efa afaka tamin’ny haizina?

12 “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao.” (Vakio ny Jaona 8:12; 9:5.) Ela be talohan’ny nahatongavan’i Jesosy teto an-tany, dia naminany i Isaia hoe: “Nahita hazavana lehibe ny olona nandeha tao amin’ny haizina, ary niposahan’ny hazavana ireo nitoetra tao amin’ny tanin’ny haizim-pito.” (Isaia 9:2) Nilaza i Matio fa tanteraka tamin’i Jesosy io faminaniana io, rehefa nanomboka nitory izy hoe: “Mibebaha ianareo, fa efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Mat. 4:16, 17) Nitondra fahazavana ara-panahy ho an’ny olona ny fitoriany, ary nanafaka azy ireo tamin’ny fampianaran-diso. Hoy izy: “Tonga aho ho fahazavana eo amin’izao tontolo izao, mba tsy hitoetra ao amin’ny maizina izay mino ahy.”—Jaona 1:3-5; 12:46.

13 Hoy ny apostoly Paoly, tatỳ aoriana: ‘Tao amin’ny haizina ianareo teo aloha, fa ao amin’ny hazavana kosa ankehitriny, noho ianareo tafaray amin’ny Tompo. Koa aoka ny fomba fiainanareo hampiseho fa zanaky ny mazava ianareo.’ (Efes. 5:8) Afaka tamin’ny haizina na ny fivavahan-diso ny Kristianina, ka tokony hampiseho fa zanaky ny mazava. Hoy i Jesosy tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra: ‘Aoka hamirapiratra eo anatrehan’ny olona ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.’ (Mat. 5:16) Asehonao amin’ny fitondran-tenanao ve fa ankasitrahanao ireo harena hitanao tao amin’i Kristy? Resahinao amin’ny olona ve izy ireo?

14, 15. a) Ahoana no nampiasana ny ondry sy ny biby hafa fahiny? b) Nahoana i Jesosy no harena tsy manan-tsahala?

14 I Jesosy no “Zanak’ondrin’Andriamanitra.” (Jaona 1:29, 36) Nampiasaina foana ny ondry fahiny, mba hahazoana famelan-keloka sy hanatonana an’Andriamanitra. Nomen’Andriamanitra ondrilahy hatao fanatitra, ohatra, i Abrahama, fa tsy navelany hamono an’i Isaka, na dia efa vonona hanao izany aza. (Gen. 22:12, 13) Mbola nampiasaina ny ondry, rehefa afaka tany Ejipta ny Israelita. Anisan’ny “paskan’i Jehovah” izy io. (Eks. 12:1-13) Notakin’ny Lalàn’i Mosesy koa ny hanaovana sorona biby, anisan’izany ny ondry sy osy.—Eks. 29:38-42; Lev. 5:6, 7.

15 Tsy mahavita manaisotra tanteraka ny ota sy fahafatesana anefa ireo fanatitra ireo, ary tsy ireo ihany fa izay fanatitra rehetra ataon’ny olona. (Heb. 10:1-4) I Jesosy kosa no “Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.” Azo lazaina hoe harena tsy manan-tsahala izy noho izany. Tsara àry raha mandalina momba ny vidim-panavotana isika, ary maneho finoana an’io fanomezana sarobidy io. Hahazo valisoa lehibe izay manao izany, satria homem-boninahitra miaraka amin’i Kristy any an-danitra raha “ondry vitsy”, ary hiaina mandrakizay eto an-tany kosa raha “ondry hafa.”—Lioka 12:32; Jaona 6:40, 47; 10:16.

16, 17. Nahoana i Jesosy no “Mpitarika Lehibe Indrindra sy Mpandavorary ny finoantsika”?

16 I Jesosy no “Mpitarika Lehibe Indrindra sy Mpandavorary ny finoantsika.” (Vakio ny Hebreo 12:1, 2.) Manazava momba ny finoana i Paoly ao amin’ny Hebreo toko faha-11. Lazainy ny dikan’izy io, ary tanisainy ireo olona tena nanam-pinoana, toa an’i Noa, Abrahama, Saraha, ary Rahaba. Mampirisika antsika anefa izy avy eo mba ‘hibanjina tsara an’ilay Mpitarika Lehibe Indrindra sy Mpandavorary ny finoantsika, dia i Jesosy.’ Nahoana?

17 Tena nino ny fampanantenan’Andriamanitra ireo olona voatanisa ao amin’ny Hebreo toko faha-11. Tsy tena azon’izy ireo anefa hoe ahoana no hanatanterahan’Andriamanitra an’ireny, amin’ny alalan’ny Mesia sy ilay Fanjakana. Toy ny hoe tsy lavorary àry ny finoan’izy ireo. Na ireo olona nasain’i Jehovah nanoratra ny faminaniana momba ny Mesia aza, dia tsy nahazo tsara an’izay nosoratany. (1 Pet. 1:10-12) Taorian’ny nahatongavan’i Jesosy vao nazava ny zava-drehetra, ka afaka ny ho lavorary ny finoan’ny Kristianina. Tena “Mpitarika Lehibe Indrindra sy Mpandavorary ny finoantsika” tokoa izy! Mila mahazo tsara sy manaiky an’izany anjara asany izany isika.

Mitadiava foana

18, 19. a) Iza koa no iantsoana an’i Kristy ao amin’ny Baiboly? b) Nahoana isika no tokony hikaroka foana ireo harena ao amin’i Kristy?

18 Santionany monja amin’ny anjara asan’i Jesosy eo amin’ny famonjena ny olombelona ireo. Mbola misy harena hafa tsara afina ao aminy. Ho faly sy handray soa isika, raha mahita azy ireny. Nantsoin’ny apostoly Petera hoe ‘Mpitarika Lehibe Indrindra manome fiainana’ sy ‘kintana fitarikandro miposaka’, ohatra, i Jesosy. (Asa. 3:15; 5:31; 2 Pet. 1:19) Miantso azy hoe “Amena” koa ny Baiboly. (Apok. 3:14) Te hahalala ny dikan’ireo ve ianao? Hoy i Jesosy: “Mitadiava foana, dia hahita ianareo.”—Mat. 7:7.

19 Mbola tsy nisy toa an’i Jesosy mihitsy. Tena maro ny anjara asany, sady misy ifandraisany amin’ny hoavintsika mandrakizay. Misy harena ara-panahy “tsara afina ao aminy.” Mora hita anefa izy ireny raha tena vonona hitady ianao. Tadiavo àry ireo harena ireo, dia ho faly sy hahazo fitahiana ianao!

Tadidinao Ve?

• Inona ireo harena asaina tadiavin’ny Kristianina?

• Nahoana no mahakasika antsika ny torohevitr’i Paoly ho an’ny Kolosianina?

• Milazà harena “tsara afina” ao amin’i Kristy, ary lazao ny dikany.

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 5]

Toy ny sarintany ny Baiboly, ka manoro antsika an’ireo harena “tsara afina” ao amin’i Kristy