“Aoka Ianareo Harehitry ny Fanahy”
“Aoka Ianareo Harehitry ny Fanahy”
“Aza malaina amin’izay ataonareo. Aoka ianareo harehitry ny fanahy. Manompoa an’i Jehovah.”—ROM. 12:11.
1. Nahoana ny Israelita no nanao sorona biby sy fanatitra hafa?
ANKASITRAHAN’I JEHOVAH ny sorona an-tsitrapo, atao noho ny fitiavana azy sy noho ny fanekena hanao ny sitrapony. Nanaiky ny sorona biby sy ny fanatitra hafa izy taloha. Nanao sorona nifanaraka tamin’ny Lalàn’i Mosesy ny Israelita, satria te hahazo famelan-keloka sy te haneho fankasitrahana. Tsy mitaky sorona toy izany amintsika Kristianina i Jehovah. Misy sorona hafa tokony hataontsika anefa. Niresaka momba izany ny apostoly Paoly ao amin’ny toko faha-12 amin’ny taratasiny ho an’ny Kristianina tany Roma. Hodinihintsika hoe inona izany.
Sorona velona
2. Inona no tokony hataon’ny Kristianina, araka ny Romanina toko faha-12? Ahoana no hahavitana izany?
2 Vakio ny Romanina 12:1, 2. Nilaza i Paoly teo am-piandohan’ny Romanina hoe amin’ny finoana fa tsy amin’ny asan’ny lalàna no anambarana ny Kristianina voahosotra ho marina, na Jiosy izy na tsia. (Rom. 1:16; 3:20-24) Na izany aza, dia nohazavainy ao amin’ny toko faha-12 fa tokony haneho fankasitrahana an’Andriamanitra ny Kristianina, ka hahafoy tena ho azy. Ahoana no hahavitana izany? Mila manavao ny saintsika isika. Nandova tsy fahalavorariana anefa isika, ka eo ambany “lalàn’ny ota sy fahafatesana.” (Rom. 8:2) Tokony ‘hohavaozintsika hatrany’ àry ‘ny hery mibaiko ny saintsika’, izany hoe hovantsika tanteraka ny fomba fisainantsika. (Efes. 4:23) Tsy ho vitantsika anefa izany, raha tsy ampian’Andriamanitra sy ny fanahiny isika. Mila miezaka mafy koa isika ka hampiasa ny ‘saintsika.’ Tokony hanao araka izay fara herintsika isika mba tsy “hovolavolain’ity tontolo ity”, izay manana fomba fiaina ratsy sy manao fialam-boly mampidi-doza ary manana hevi-diso.—Efes. 2:1-3.
3. Nahoana isika no manao an’ireo zavatra takina amin’ny Kristianina?
3 Mampirisika antsika hampiasa ny ‘saintsika’ koa i Paoly, mba hamantarantsika “ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.” Nahoana tokoa moa isika no mamaky Baiboly isan’andro, misaintsaina izay vakintsika, mivavaka, mivory, ary mitory ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana? Satria ve ampirisihin’ny anti-panahy? Marina aloha fa mankasitraka ny fampahatsiahivan’izy ireo isika. Manao an’ireo anefa isika, satria atosiky ny fanahy masina mba hampiseho ny fitiavantsika an’i Jehovah. Miaiky tanteraka koa isika fa izany no sitrapon’Andriamanitra. (Zak. 4:6; Efes. 5:10) Tena faly isika mahafantatra hoe ankasitrahan’Andriamanitra, rehefa manao izay takina amin’ny Kristianina.
Fanomezana isan-karazany
4, 5. Ahoana no tokony hampiasan’ny anti-panahy ny fanomezana azony?
4 Vakio ny Romanina 12:6-8, 11. Nanazava i Paoly ao amin’ireo andininy ireo hoe “nahazo fanomezana samy hafa isika, arakaraka ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa naseho tamintsika.” Mahakasika ny anti-panahy indrindra indrindra ny fanomezana sasany, toy ny fahaiza-mananatra sy fahaiza-mitarika. Ampirisihina hitarika ny andian’ondry “amim-pahazotoana” izy ireo.
5 Nilaza i Paoly fa tokony hazoto koa ireo mpiandraikitra rehefa mampianatra sy manao “fanompoana.” Toa “fanompoana” eo anivon’ny fiangonana no tiany horesahina, satria ny fiangonana ilay “vatana iray” resahiny eo aloha kokoa. (Rom. 12:4, 5) Mitovy amin’ilay resahin’ireo apostoly ao amin’ny Asan’ny Apostoly 6:4 io fanompoana io. Hoy izy ireo: “Izahay kosa hifantoka amin’ny vavaka sy ny fanompoana, dia ny fampianarana ny tenin’Andriamanitra.” Inona no tafiditra amin’io fanompoana io? Mampiasa ny fanomezana azony ny anti-panahy, ka manatanjaka ny finoan’ny fiangonana. Manome torohevitra ara-baiboly izy ireo, rehefa mampianatra sy mikarakara ny fiangonana. Mba hahafahany hanao izany, dia mianatra sy manao fikarohana ary mivavaka izy. Tokony hampiasa tsara ny fanomezana azony àry ireo mpiandraikitra, ary hikarakara ny andian’ondry “amim-pifaliana.”—Rom. 12:7, 8; 1 Petera 5:1-3.
6. Ahoana no azo ampiharana ny Romanina 12:11, andinin-teny fototra amin’ity lahatsoratra ity?
6 Hoy koa i Paoly: “Aza malaina amin’izay ataonareo. Aoka ianareo harehitry ny fanahy. Manompoa an’i Jehovah.” Ahoana raha tsapantsika hoe kamokamo manompo isika? Mila mandinika ny fahazarantsika mianatra angamba isika, ary mivavaka mafimafy kokoa sy matetika kokoa mba hahazoana ny fanahy masina. Hanampy antsika tsy ho matimaty ara-panahy sy ho be zotom-po indray io fanahy io. (Lioka 11:9, 13; Apok. 2:4; 3:14, 15, 19) Lasa nazoto niresaka momba “ny asa lehibe nataon’Andriamanitra” ny Kristianina voalohany, rehefa nahazo ny fanahy masina. (Asa. 2:4, 11) Afaka manampy antsika hazoto hanompo koa izy io, ka “harehitry ny fanahy.”
Ilaina ny manetry tena
7. Nahoana isika no tokony hanetry tena?
7 Vakio ny Romanina 12:3, 16. Vokatry ny “hatsaram-panahy tsy manam-paharoa” asehon’i Jehovah ny fanomezana ananantsika. Nilaza koa i Paoly fa ‘Andriamanitra no mahatonga antsika ho ampy fahaizana.’ (2 Kor. 3:5) Noho izany, dia tsy misy tokony hireharehantsika. Mila manetry tena isika, ka manaiky fa ny fitahian’i Jehovah no mahatonga antsika hahomby eo amin’ny fanompoana, fa tsy ny fahaizantsika. (1 Kor. 3:6, 7) Mifanaraka amin’izany ilay tenin’i Paoly hoe: “Aza mihevi-tena mihoatra noho izay tokony hoheverina.” Tokony ho faly amin’ny fanompoana vitantsika isika, kanefa mila mitadidy koa hoe voafetra ny zavatra haintsika sy vitantsika. Tsy hiziriziry amin’ny hevitsika isika amin’izay, fa hiezaka kosa ‘hisaina tsara.’
8. Inona no hisakana antsika “tsy hihevi-tena ho hendry”?
1 Kor. 3:7) Nilaza i Paoly fa nizaran’Andriamanitra “fatram-pinoana” ny tsirairay eo anivon’ny fiangonana. Arakaraka ny fatram-pinoana ananan’ny olona ny zavatra vitany, ka tokony hahay hankasitraka isika fa tsy hihevi-tena ho ambony. Hoy koa i Paoly: “Aoka ny fomba fihevitrareo ny hafa hitovy amin’ny fomba fihevitrareo ny tenanareo.” Nilaza koa izy hoe: “Aza manao na inona na inona noho ny fitia te hifanditra na noho ny fireharehana, fa amim-panetren-tena kosa dia aoka samy hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany.” (Fil. 2:3) Mila manetry tena sy miezaka mafy isika, mba hanaiky fa manana lafiny maha ambony azy ny Kristianina tsirairay, raha oharina amintsika. Hisakana antsika “tsy hihevi-tena ho hendry” ny fanetren-tena. Mety hisy olona manana andraikitra manokana, ka hisongadina noho ny hafa. Ho faly kokoa anefa isika rehetra, raha mandray anjara amin’ny “zavatra tsotra”, izany hoe asa heverina ho ambany izay matetika tsy misy mahamarika.—1 Pet. 5:5.
8 Adala izay mirehareha amin’ny zava-bitany, satria “Andriamanitra [no] mampitombo.” (Miray saina ny Kristianina
9. Nahoana no ampitahain’i Paoly amin’ny vatana iray ny Kristianina nateraky ny fanahy?
9 Vakio ny Romanina 12:4, 5, 9, 10. Ampitahain’i Paoly amin’ny rantsambatana amin’ny vatana ny Kristianina voahosotra, izay miara-manompo amim-piraisan-tsaina eo ambany fitarihan’i Kristy, Lohan’izy ireo. (Kol. 1:18) Nampahatsiahiviny an’ireo Kristianina nateraky ny fanahy, fa samy hafa ny asan’ireo rantsambatana, ka “na maro aza” izy ireo, “dia vatana iray tafaray amin’i Kristy.” Nampirisika ny tany Efesosy koa izy hoe: “Aoka [isika] hitombo amin’ny zava-drehetra amin’ny alalan’ny fitiavana mba hifanaraka amin’ny loha, dia i Kristy. Koa izy no ahafahan’ny vatana iray manontolo mandray anjara amin’ny fitomboan’ny vatana mba hiorenany ao anatin’ny fitiavana. Mahavita izany ny vatana noho izy io tafakambana mirindra tsara sady natao hiara-miasa amin’ny alalan’ny tonon-taolana rehetra mpanome izay ilaina, sy hiara-miasa araka ny tokony ho fiasan’ny rantsambatana tsirairay.”—Efes. 4:15, 16.
10. Ny fahefan’iza avy no tokony heken’ny “ondry hafa”?
10 Miana-javatra avy amin’io fampitahana io ny “ondry hafa”, na dia tsy anisan’ny vatan’i Kristy aza. (Jaona 10:16) Nilaza i Paoly fa nasain’i Jehovah “nanaiky an’i Kristy ny zava-drehetra, ka nataony eo ambany tongony. Ary nataony ho lohan’ny zavatra rehetra izy, mba hahasoa ny fiangonana.” (Efes. 1:22) Anisan’ireo “zava-drehetra” ireo ny ondry hafa. Anisan’ny ‘fananan’i Kristy’ nankininy tamin’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” koa izy ireo. (Mat. 24:45-47) Noho izany, dia tokony hanaiky an’i Kristy ho Lohany ny olona manantena hiaina eto an-tany. Tokony hanaiky ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina, sy ny Filan-kevi-pitantanana, ary ireo mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana koa izy ireo. (Heb. 13:7, 17) Mampiray saina izany!
11. Inona no tena mampiray saina antsika, ary inona ny torohevitra nomen’i Paoly?
11 Ny fitiavana no tena mampiray saina, ary “fatorana mampiray tonga lafatra” izy io. (Kol. 3:14) Nanantitrantitra an’izany i Paoly rehefa nilaza fa tokony haneho fitiavana ‘tsy misy fihatsarambelatsihy’ isika, ary “hifaneho firaiketam-po lalina raha ny amin’ny fitiavan-drahalahy.” Mifanaja ny rehetra amin’izay, araka ny tenin’i Paoly hoe: “Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.” Na izany aza, dia tsy baikoin’ny fo fotsiny ny fitiavana. Mila miezaka mafy isika hiaro ny fahadiovan’ny fiangonana. Nilaza koa mantsy i Paoly hoe: “Ankahalao ny ratsy, mifikira amin’ny tsara.”
Miezaha ho tia mandray vahiny
12. Ahoana no hanahafantsika an’ireo Kristianina tany Makedonia?
12 Vakio ny Romanina 12:13. Raha manam-pitiavana isika, dia ‘homentsika izay ilainy ny olona masina’, arakaraka izay ananantsika. Na tsy manan-javatra firy aza isika, dia azontsika zaraina izay misy ao amintsika. Hoy i Paoly momba ny Kristianina tany Makedonia: “Nandritra ny fitsapana nahamay tao anatin’ny fahoriana, dia naneho fifaliana sy fahalalahan-tanana lehibe izy ireo, na dia nahantra be aza. Fa araka izay zakany no nataony, eny, manome toky anareo aho fa mihoatra noho izay zakany mihitsy aza. Ary sitrapon’izy ireo ny niangavy anay mafy tsy an-kijanona mba hahafahany haneho hatsaram-panahy, ka handray anjara amin’ilay fanompoana an’ireo olona masina [any Jodia].” (2 Kor. 8:2-4) Nahantra tokoa ireo Kristianina ireo, nefa tena nalala-tanana. Faly izy ireo nizara izay nananany, tamin’ireo rahalahy sahirana tany Jodia.
13. Inona no dikan’ny hoe “miezaha ho tia mandray vahiny”?
13 Raha dinihina ilay teny grika nadika hoe “miezaha ho tia mandray vahiny”, dia manana heviny hoe “mahay mitady hevitra.” Misy, ohatra, manasa olona hisakafo, ary tena tsara izany rehefa vokatry ny fitiavana. Betsaka anefa ny zavatra azo atao, raha mitady hevitra. Afaka ny ho tia mandray vahiny foana isika, na dia tsy manam-bola na hery hikarakarana sakafo aza. Azontsika atao ny manasa ny hafa hisotro dite, na kafe, na ranon’ampango, na zavatra tsotsotra toy izany.
14. a) Inona ireo teny roa niavian’ilay teny grika nadika hoe “tia mandray vahiny”? b) Inona no azontsika atao mba hampisehoana fa miahy ny vahiny isika?
14 Avy amin’ny fototeny roa midika hoe “fitiavana” sy “vahiny” ilay teny grika nadika hoe “tia mandray vahiny.” Hita amin’ny fiheverantsika ny vahiny, na ny olona avy any an-tany hafa, koa àry raha tia mandray vahiny isika. Ahoana no fiheverantsika azy ireny? Miezaka mianatra teny vahiny ny Kristianina sasany, mba hahafahany hitory ny vaovao tsara amin’ireo vahiny mipetraka ao amin’ny faritanin’ny fiangonany. Tena tia mandray vahiny izy ireo. Marina aloha fa maro amintsika no tsy afaka mianatra teny vahiny toy izany. Azontsika atao anefa ny mampiasa an’ilay bokikely hoe Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra, izay misy hafatra ara-baiboly amin’ny fiteny maro. Efa nampiasa azy io ve ianao ka nahita vokatra tsara?
Miezaha hiombom-pihetseham-po amin’ny hafa
15. Inona no modely navelan’i Jesosy momba ny fahaizana miombom-pihetseham-po amin’ny hafa?
15 Vakio ny Romanina 12:15. Mampirisika antsika hiombom-pihetseham-po amin’ny hafa i Paoly ao amin’io andinin-teny io. Ilaina ny mianatra mahatakatra ny fihetseham-pon’ny hafa, na fifaliana izany, na alahelo. Hiseho miharihary hoe miara-paly na miara-malahelo amin’ny hafa isika, raha arehitry ny fanahy. Rehefa niverina avy nitory, ohatra, ny mpianatr’i Jesosy 70 ka falifaly erỳ noho ny vokatra tsara azony, dia “faly be i Jesosy sady feno fanahy masina.” (Lioka 10:17-21) Niara-paly tamin’izy ireo izy. ‘Niara-nitomany tamin’izay nitomany’ koa anefa izy, rehefa maty i Lazarosy namany.—Jaona 11:32-35.
16. Ahoana no hampisehoantsika fa miombom-pihetseham-po amin’ny hafa isika? Iza indrindra no tokony hanao izany?
16 Tokony hanahaka an’i Jesosy isika, ka hiombom-pihetseham-po amin’ny hafa. Tokony hiara-mifaly amin’ny mpiara-manompo isika, rehefa faly izy. Tokony hangoraka kosa isika, raha marary na ory izy. Matetika no mahatsiaro ho maivamaivana ny rahalahy na anabavy kivy, raha maka fotoana hihainoana azy isika, ary miara-miory aminy. Mety ho latsa-dranomaso mihitsy aza isika, rehefa manohina mafy ny fontsika ny mahazo azy. (1 Pet. 1:22) Mila miombom-pihetseham-po amin’ny hafa àry isika rehetra, indrindra fa ny anti-panahy.
17. Inona no nianarantsika tao amin’ny tapany voalohany amin’ny Romanina toko faha-12? Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
17 Nahazo torohevitra mahakasika ny fomba fiaina kristianina sy ny fifandraisana amin’ny mpiara-manompo isika, tao amin’iny tapany voalohany amin’ny Romanina toko faha-12 iny. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny tapany faharoa. Hohazavaina ao hoe: Ahoana no tokony hiheverantsika ny olona tsy anisan’ny fiangonana, anisan’izany ny mpanohitra sy ny mpanenjika? Ahoana no fomba tokony hifandraisantsika amin’izy ireny?
Famerenana
• Ahoana no hampisehoantsika fa ‘arehitry ny fanahy’ isika?
• Nahoana isika no tokony hanetry tena?
• Ahoana no hampisehoantsika fa miombom-pihetseham-po amin’ny hafa isika?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 4]
Nahoana isika no manao an’ireo zavatra takina amin’ny Kristianina ireo?
[Sary, pejy 6]
Inona no azontsika atao mba hitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ireo vahiny?