‘Mihavàna Amin’ny Rehetra’
‘Mihavàna Amin’ny Rehetra’
“Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa, dia mihavàna amin’ny olona rehetra.”—ROM. 12:18.
1, 2. a) Inona no fampitandremana nomen’i Jesosy ny mpanara-dia azy? b) Aiza no ahitantsika torohevitra momba izay tokony hatao rehefa misy manohitra?
NAMPITANDRINA ny mpanara-dia azy i Jesosy, fa hanohitra azy ireo ny firenena eo amin’izao tontolo izao. Nanazava ny anton’izany izy ny alina talohan’ny hahafatesany. Hoy izy tamin’ireo apostoliny: “Raha anisan’izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao. Fa satria tsy anisan’izao tontolo izao ianareo, fa izaho efa nifidy anareo avy tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo.”—Jaona 15:19.
2 Tsapan’ny apostoly Paoly fa marina izany. Hoy izy tao amin’ny taratasiny faharoa ho an’i Timoty, mpiara-miasa aminy: ‘Ianao efa nanaraka akaiky ny fampianarako, ny fomba fiainako, ny tanjona ananako, ny finoako, ny fahari-poko, ny fitiavako, ny fiaretako, ny fanenjehana ahy, ny fijaliako.’ Hoy koa izy: “Izay rehetra te hiaina ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sady tafaray amin’i Kristy Jesosy dia henjehina ihany koa.” (2 Tim. 3:10-12) Ahoana anefa no tokony hatao rehefa misy manohitra? Nanome torohevitra feno fahendrena momba izany i Paoly ao amin’ny Romanina toko faha-12, ary afaka mitari-dalana antsika amin’izao andro farany izao izany.
“Manaova izay tsara”
3, 4. Ahoana no azo ampiharana ny Romanina 12:17 rehefa mifandray amin’ny a) mpianakavy tsy Vavolombelona? b) mpiara-monina?
3 Vakio ny Romanina 12:17. Nanazava i Paoly fa tsy tokony hamaly faty isika. Tena ilaina ny manaraka ny toroheviny, indrindra fa rehefa misy tsy Vavolombelona ny mpianakavy. Tokony hifehy tena tsy hamaly faty ny Kristianina, raha nanao teny maharary na ratsy fanahy taminy ny vadiny tsy Vavolombelona. Tsy misy soa azo avy amin’ny hoe “mamaly ratsy ny ratsy”, fa vao mainka aza izany hanaratsy ny toe-javatra.
4 Tsara kokoa ny manaraka an’ilay tenin’i Paoly hoe: “Manaova izay tsara eo imason’ny olona rehetra.” Hisoroka fifandirana ny vehivavy kristianina, raha tsara fanahy amin’ny vadiny tsy Vavolombelona, na dia nilaza zavatra mahasosotra momba ny zavatra inoany aza izy io. (Ohab. 31:12) Mitantara i Carlos, izay anisan’ny mpianakavin’ny Betela, fa tena nanohitra be ny dadany. Afaka nandresy izany anefa ny reniny, noho izy tsara fanahy foana sy nikarakara tsara ny tokantranony. Hoy i Carlos: “Nampirisihiny hanaja an’i Dada foana izahay. Notereny hiara-hanao kanetibe amin’i Dada aho, na dia tsy tiako aza io lalao io. Nahafaly an’i Dada anefa izany.” Nianatra Baiboly ny rain’i Carlos tatỳ aoriana ary natao batisa. Mba ‘hanaovana izay tsara eo imason’ny olona rehetra’ koa, dia manampy ny mpiara-monina ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa misy loza. Matetika no resy ny fitsarana an-tendrony noho izany.
“Vainafo” mampitsahatra fanoherana
5, 6. a) Ahoana no azo ampiharana ny Romanina 12:20? b) Mitantarà zava-nitranga teto an-toerana mampiseho fa misy vokany tsara ny fampiharana ny Romanina 12:20.
5 Vakio ny Romanina 12:20. Rehefa nanonona an’ireo teny ireo i Paoly, dia azo antoka fa ity Ohabolana 25:21, 22 ity no tao an-tsainy: “Raha noana izay mankahala anao dia omeo hanina, ary raha mangetaheta izy, omeo rano hosotroiny. Fa hampivangongo vainafo eo ambony lohany ianao raha manao izany, ary i Jehovah hamaly soa anao.” Rehefa jerena ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny Romanina toko faha-12, dia hita fa tsy natao mba hanasaziana na hampitsanga-menatra ny mpanohitra ilay “vainafo” resahina eo amin’ny andininy faha-20. Toa mifandray amin’ny fomba fandrendrehana metaly fahiny ilay ohabolana sy ilay tenin’i Paoly. Hoy i Charles Bridges, manam-pahaizana anglisy tamin’ny taonjato faha-19: “Ho folaka ny metaly sarotra folahina, raha sady asiana afo ao ambaniny, no asiana vainafo mivangongo eo amboniny. Toy izany koa ny mety ho vokany, raha be fitiavana isika, ka mandefitra sy be fandavan-tena. Vitsy ihany ny olona mafy fo, ka tsy hihontsina amin’izany.”
6 Toy ny “vainafo” mahafolaka metaly ny hatsaram-panahy. Mety hanohina ny fon’ny mpanohitra isika raha tsara fanahy, ka mety hahatonga azy ireny tsy hanohitra intsony. Mety hiova koa ny fiheveran’ny olona ny vahoakan’i Jehovah, ary handray tsara ny hafatra ara-baiboly torintsika izy ireo. Hoy mantsy ny apostoly Petera: “Aoka ho tsara foana ny fitondran-tenanareo eo amin’izao tontolo izao, mba hanomezany voninahitra an’Andriamanitra amin’ny andro fanaraha-maso. Hanome voninahitra Azy tokoa izy ireo rehefa mahita ny asa tsara ataonareo, na dia nanendrikendrika anareo ho mpanao ratsy aza.”—1 Pet. 2:12.
“Mihavàna amin’ny olona rehetra”
7. Inona ilay fiadanana resahin’i Kristy? Inona no tokony hataontsika noho isika manana an’io fiadanana io?
7 Vakio ny Romanina 12:18. Hoy i Jesosy, tamin’ny alina farany niarahany tamin’ny apostoliny: “Fiadanana no avelako ho anareo. Omeko anareo ny fiadanako.” (Jaona 14:27) Milamin-tsaina isika rehefa mahatsapa fa tia antsika sy mankasitraka antsika i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany malala. Izany ilay fiadanana resahin’i Kristy. Tokony hihavana amin’ny hafa isika rehefa manana an’io fiadanana io. Tia fihavanana sady mpampihavana ny tena Kristianina.—Mat. 5:9.
8. Inona no tokony hataontsika mba hampisy fihavanana eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiangonana?
8 Tokony hatao izay hisian’ny fihavanana eo anivon’ny fianakaviana. Manao izany isika, ohatra, raha mandamina haingana ny tsy fifanarahana, fa tsy mamela ny fifandraisana hiharatsy. (Ohab. 15:18; Efes. 4:26) Izany koa no tokony hatao eo anivon’ny fiangonana. Nampifandraisin’i Petera tamin’ny fifehezana ny lela ny fitandroana fihavanana. (1 Pet. 3:10, 11) Nanome torohevitra hentitra koa i Jakoba mahakasika ny fomba tsara hampiasana ny lela. Nilaza koa izy fa tsy tokony hialona na ho tia mifanditra isika. Hoy izy avy eo: ‘Ny fahendrena avy any ambony dia madio aloha, ary avy eo tia fihavanana, mahay mandanjalanja, vonona hankatò, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy manavakavaka na miangatra, ary tsy mihatsaravelatsihy. Ambonin’izany, dia afafin’ny mpampihavana ny voan’ny fahamarinana, ary ao anatin’ny toe-tsaina tia fihavanana no anaovany izany.’—Jak. 3:17, 18.
9. Inona no tokony hotadidintsika, na dia miezaka ‘hihavana amin’ny olona rehetra’ aza isika?
9 Tsy eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiangonana ihany anefa isika no tokony hanao izay hisian’ny fihavanana. Nilaza mantsy i Paoly fa tokony ‘hihavana amin’ny olona rehetra’ isika, ka anisan’izany ny mpiara-monina, ny mpiara-miasa, ny mpiara-mianatra, ary ny olona itoriantsika. (Rom. 12:18) Hoy koa anefa izy: “Raha azo atao, ka mbola miankina aminareo koa.” Midika izany fa manao izay rehetra azo atao isika mba ‘hihavanana amin’ny olona rehetra’, nefa tsy hampandefitra ny toro lalana marin’Andriamanitra rehefa manao izany.
An’i Jehovah ny famaliana
10, 11. Ahoana no azontsika ampiharana ny Romanina 12:19? Nahoana isika no tsy tokony hiana-kendry hamaly faty?
10 Vakio ny Romanina 12:19. Tokony “halemy paika” izany hoe halemy fanahy isika, na dia amin’ny olona “tsy mora manaiky” ny asantsika sy ny hafatra entintsika aza, anisan’izany ny mpanohitra. Tokony “hahafehy tena” koa isika rehefa manao zavatra “mahasosotra” antsika izy ireny. (2 Tim. 2:23-25) Nanoro hevitra ny Kristianina i Paoly mba tsy hamaly faty fa ‘hanome toerana ny fahatezeran’Andriamanitra.’ Tsy anjarantsika tokoa ny mamaly faty! Hoy ny mpanao salamo: “Ialao ny fahatezerana ary atsaharo ny fahavinirana. Aza tezitra sao hahatonga anao hanao ratsy izany.” (Sal. 37:8) Hoy koa i Solomona: “Aza manao hoe: ‘Hamaly ny ratsy nataony aho!’ Aoka ianao hanantena an’i Jehovah, dia hamonjy anao izy.”—Ohab. 20:22.
11 Fahendrena ny mamela an’i Jehovah hanasazy ny mpanohitra, raha manisy ratsy antsika izy ireo. Hanao izany amin’ny fotoana mety izy raha hitany fa ilaina izany. Hoy mantsy i Paoly: “Voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.’ ” (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 32:35.) Miana-kendry isika raha mamaly faty, satria ataontsika ny zavatra natokan’i Jehovah hataony. Raha manao izany koa isika, dia toy ny hoe tsy mino an’ilay fampanantenan’i Jehovah hoe: “Izaho no hamaly.”
12. Rahoviana ary amin’ny fomba ahoana no hampiharihariana ny fahatezeran’i Jehovah?
12 Hoy i Paoly ao amin’ny Romanina 1:18: “Aharihary avy any an-danitra ny fahatezeran’Andriamanitra, dia ny fahatezerany amin’ny asa ratsy sy ny tsy fahamarinana rehetra ataon’ny olona, izay mampiasa fomba tsy marina mba hisakanana ny fahamarinana.” Amin’ny “fahoriana lehibe” no haharihary avy any an-danitra ny fahatezeran’i Jehovah, ary amin’ny alalan’ny Zanany no hanaovany izany. (Apok. 7:14) Ho voaporofo amin’izay fotoana izay fa “ara-drariny ny fitsaran’Andriamanitra”, araka ny nohazavain’i Paoly hoe: “Marina tokoa ny an’Andriamanitra raha mamaly fahoriana an’izay mampahory anareo izy, fa manafaka anareo izay ampahorina kosa, mbamin’ny tenanay, rehefa haharihary i Jesosy Tompo avy any an-danitra miaraka amin’ny anjeliny mahery, ao amin’ny afo midedadeda, amin’ny fotoana hamaliany an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika.”—2 Tes. 1:5-8.
Reseo amin’ny tsara ny ratsy
13, 14. a) Nahoana isika no tsy gaga raha misy manohitra? b) Ahoana no azontsika irariana soa an’izay manenjika antsika?
13 Vakio ny Romanina 12:14, 21. Azontsika antoka fa hanatanteraka ny fikasany i Jehovah. Tsy manana ahiahy isika noho izany, ka afaka mifantoka amin’ilay asa nasainy natao, dia ny ‘hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana maneran-tany.’ (Mat. 24:14) Fantatsika fa hampahatezitra ny fahavalontsika io asa io, satria efa nampitandrina i Jesosy hoe: “Ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.” (Mat. 24:9) Tsy gaga àry isika na kivy, raha misy manohitra. Hoy i Petera: “Ry malala, aoka tsy hahavery hevitra anareo ilay afo mandoro eo aminareo, toy ny hoe zavatra hafahafa no manjo anareo. Natao hitsapana anareo mantsy izany afo izany. Mifalia hatrany kosa aza, satria miombom-pijaliana amin’i Kristy ianareo.”—1 Pet. 4:12, 13.
14 Tsy tokony hankahala ny mpanenjika isika fa hiezaka hanazava amin’izy ireo ny finoantsika, satria fantatsika fa mety ho ny tsy fahalalana no mahatonga azy hanenjika antsika. (2 Kor. 4:4) Miezaka isika manaraka ny torohevitr’i Paoly hoe: “Aoka ianareo hirary soa mandrakariva ho an’izay manenjika anareo, eny, aoka hirary soa fa tsy hanozona.” (Rom. 12:14) Fomba iray irariana soa ny mpanohitra ny mivavaka ho azy ireo. Hoy i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra: “Tiavo foana ny fahavalonareo, manaova soa mandrakariva amin’izay mankahala anareo, irario soa hatrany izay manozona anareo, ary mivavaha foana ho an’izay manivaiva anareo.” (Lioka 6:27, 28) Fantatr’i Paoly tamin’ny zavatra niainany, fa mety ho lasa mpianatr’i Kristy tsy mivadika ny mpanenjika sady ho mpanompon’i Jehovah be zotom-po. (Gal. 1:13-16, 23) Noho izany, dia hoy i Paoly: “Rehefa tevatevaina izahay dia mirary soa, rehefa enjehina dia miaritra, rehefa alam-baraka dia miangavy.”—1 Kor. 4:12, 13.
15. Inona no fomba tsara indrindra handresena ny ratsy amin’ny tsara?
15 Mankatò an’izao teny famaranana ny Romanina toko faha-12 izao àry ny tena Kristianina: “Aza manaiky ho resin’ny ratsy, fa reseo foana amin’ny tsara ny ratsy.” I Satana Devoly no fototry ny ratsy rehetra. (Jaona 8:44; 1 Jaona 5:19) Nasehon’i Jesosy tamin’ny apostoly Jaona anefa fa resin’ireo rahalahin’i Jesosy voahosotra i Satana “noho ny ran’ny Zanak’ondry sy ny hafatra torin’izy ireo.” (Apok. 12:11) Hitantsika eo ny fomba tsara indrindra handresena an’i Satana sy ny fitaoman-dratsy ampihariny eto amin’ity tontolo ity: Mila manao ny tsara isika ka mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.
Mifalia amin’ny fanantenana
16, 17. Inona no nianarantsika tao amin’ny Romanina toko faha-12 mahakasika a) ny fomba tokony hampiasantsika ny tenantsika? b) izay tokony hataontsika eo anivon’ny fiangonana? d) ny fomba tokony hifandraisantsika amin’ireo mpanohitra?
16 Nampahatsiahy antsika zavatra maro ny fandinihana ny Romanina toko faha-12. Nianarantsika fa tokony ho vonona hanao sorona ny mpanompon’i Jehovah nanokan-tena ho azy. Manao sorona an-tsitrapo isika, satria atosiky ny fanahy sady miaiky fa izany no sitrapon’Andriamanitra. Arehitry ny fanahy isika ka mazoto mampiasa ny fanomezana isan-karazany azontsika. Manetry tena isika ka manao izay farany azontsika atao mba hitandrovana ny firaisan-tsaintsika Kristianina. Tia mandray vahiny koa isika ary miombom-pihetseham-po amin’ny hafa.
17 Betsaka koa ny torohevitra azontsika momba izay tokony hatao rehefa misy fanoherana. Tsy tokony hamaly faty isika, ary hiezaka ho tsara fanahy rehefa misy manohitra. Tokony hiezaka hihavana amin’ny olona rehetra isika raha azo atao, nefa tsy handika ny toro lalan’ny Baiboly. Tokony hanao izany isika eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiangonana, ary rehefa mifandray amin’ny mpiara-monina, mpiara-miasa, mpiara-mianatra, ary ny olona itoriantsika. Hanao araka izay fara herintsika isika mba handresena ny ratsy amin’ny tsara, na dia misy manohitra aza. Hitadidy isika fa an’i Jehovah ny famaliana.
18. Inona ireo torohevitra telo voalazan’ny Romanina 12:12?
18 Vakio ny Romanina 12:12. Misy torohevitra telo fanampiny nomen’i Paoly, ankoatra ireo torohevitra mahasoa sy feno fahendrena ireo. Nampirisika antsika ‘haharitra amin’ny vavaka’ izy, satria tsy hahavita an’ireo rehetra ireo isika raha tsy ampian’Andriamanitra. Hanampy antsika izany hanaraka an’ilay toroheviny hoe “miareta fahoriana.” Tokony hifantoka amin’ilay hoavy ampanantenain’i Jehovah koa isika, ary ‘hifaly amin’ny fanantenana’ fiainana mandrakizay, na ho any an-danitra isika na ho eto an-tany.
Famerenana
• Inona no tokony hataontsika rehefa misy manohitra?
• Tokony hiezaka hihavana amin’iza avy isika, ary ahoana no hanaovantsika izany?
• Nahoana isika no tsy tokony hamaly faty?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 8]
Mety handresy ny fitsarana an-tendrony isika raha manampy ny mpiara-monina
[Sary, pejy 9]
Manao izay hisian’ny fihavanana eo anivon’ny fiangonana ve ianao?