Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-dehibe Amin’ny Tena Kristianina ny Tenin’Andriamanitra

Zava-dehibe Amin’ny Tena Kristianina ny Tenin’Andriamanitra

“Ny teninao no fahamarinana.”—JAONA 17:17.

1. Inona no hitanao hoe mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ianao niresaka voalohany tamin’izy ireo?

TSAROANAO ve tamin’ianao niresaka voalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah? Inona no tadidinao? Maro no miteny hoe: ‘Tena gaga aho, satria nampiasa Baiboly foana ry zareo, mba hamaliana ny fanontaniako rehetra.’ Tena faly angamba ianao nahalala ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany sy ny hoe manao ahoana ny olona rehefa maty. Faly koa angamba ianao nahafantatra hoe mbola hitsangana amin’ny maty ireo havanao efa nodimandry.

2. Inona no mahatonga anao ho tia ny Baiboly?

2 Hitantsika rehefa nianatra Baiboly isika, fa tsy hoe mamaly ny fanontaniana momba ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny hoavy fotsiny ny Baiboly. Tsapantsika koa fa misy torohevitra faran’izay tsara sy tsy mety lany andro ao amin’izy io. Sambatra ny olona rehefa manaraka tsara izay voalaza ao, ary mahomby izay ataony. (Vakio ny Salamo 1:1-3.) Nandray ny Baiboly ho “tenin’Andriamanitra” foana ny Kristianina hatramin’izay, fa tsy nihevitra azy io ho “tenin’olona.” (1 Tes. 2:13) Hitodika ny lasa isika ato amin’ity lahatsoratra ity, mba hahitana ny fahasamihafan’ireo olona mihevitra ny Tenin’Andriamanitra ho zava-dehibe sy ireo tsy manao izany.

VOALAMINA NY OLANA LEHIBE IRAY

3. Inona no olana saika handrava ny firaisan-tsain’ny Kristianina voalohany? Nahoana ilay olana no sarotra nalamina?

3 I Kornelio no voalohany lasa voahosotra tamin’ny olona hafa firenena tsy voafora. Nihabetsaka ny olona hafa firenena nanaraka ny fivavahana kristianina, nandritra ireo 13 taona taorian’izay. Nipoitra àry ny olana iray saika handrava ny firaisan-tsain’ny Kristianina, ka nipetraka ny fanontaniana hoe: Tokony hoforana araka ny fomban’ny Jiosy ve izy ireo, vao azo atao batisa? Sarotra tamin’ny Jiosy ny namaly izany. Tsy niditra tao an-tranon’ny hafa firenena mantsy ireo Kristianina jiosy nankatò Lalàna. Koa raha izany aza tsy nataony, mainka moa fa hoe handray azy ireo ho rahalahiny! Nenjehina mafy koa ireo Kristianina jiosy satria niala tamin’ny fivavahana jiosy. Mbola hihamafy àry ny fanenjehana azy ireo, raha raisin’izy ireo ho rahalahiny ireo hafa firenena tsy voafora. Vao mainka hisy hantsana be hanasaraka ny Kristianina sy ny olona manaraka ny fivavahana jiosy.—Gal. 2:11-14.

4. Iza no nandamina an’ilay olana momba ny famorana? Inona no fanontaniana mety hanitikitika ny sain’ny olona momba an’ilay fivoriana?

4 ‘Nivory mba handinika an’ilay raharaha’ ny apostoly sy ny anti-panahy tao Jerosalema, tamin’ny taona 49. (Asa. 15:6) Marihina fa Jiosy voafora izy ireo. Tsy adihevitra mankaleo be momba ny zavatra tsy misy dikany no nataon’izy ireo, fa fiaraha-midinika mahaliana miorina amin’ny Baiboly. Samy nilaza ny heviny izy ireo, na dia tsy nitovy hevitra aza. Nisy olona nampanjaka ny heviny ve anefa tamin’izay, na nisy fanavakavahana? Nieritreritra ve izy ireo hoe aleo hihalefy ny fanenjehana, vao hanapa-kevitra? Nataony fotsiny ve izay hahitana marimaritra iraisana, na dia fantatra aza hoe tsy tena mety ilay fanapahan-kevitra?

5. Inona no tsy mampitovy ny fivorian’ny mpitondra fivavahana ankehitriny sy ilay fivoriana tany Jerosalema?

5 Rehefa mivory ny mpitondra fivavahana ankehitriny, dia matetika no manaiky tsy sazoka izay hevitra aroson’ny hafa ny mpitondra fivavahana sasany, satria tiany hifarana ilay adihevitra. Misy indray mandresy lahatra ny hafa, mba ho lany ny heviny. Tsy nisy an’izany anefa tamin’ilay fivoriana tany Jerosalema. Na izany aza, dia nanaiky ny fanapahan-kevitra noraisina ireo rehetra nivory. Ahoana no nahatonga izany? Marina fa samy nanana ny heviny izy ireo, nefa samy nihevitra ny Tenin’Andriamanitra ho zava-dehibe. Ny Soratra Masina no nanampy azy ireo hamaha ilay olana.—Vakio ny Salamo 119:97-101.

6, 7. Ahoana no nampiasana ny Soratra Masina mba handaminana ilay adihevitra momba ny famorana?

6 Ny Amosa 9:11, 12 no nahafahana nandamina ilay olana. Voasoratra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:16, 17 ireo andininy ireo, ary milaza hoe: “Hiverina aho ka hanorina indray ny trano rantsankazon’i Davida izay efa nirodana. Ary haoriko indray ny sisa tsy rava taminy ka hatsangako, mba hitady mafy an’i Jehovah ny olona sisa, miaraka amin’ireo avy amin’ny firenena rehetra, izany hoe ireo olona antsoina amin’ny anarako, hoy i Jehovah.”

7 Mety hisy hiteny anefa hoe: ‘Milaza ve io andininy io fa tsy voatery forana ny Kristianina hafa firenena?’ Marina fa tsy voalaza mivantana eo izany. Azo inoana anefa fa izany mihitsy no nahazoan’ireo Kristianina jiosy azy io. Nahoana? Iza tokoa moa ireo “olona sisa” amin’ny Israely voaresaka amin’io andininy io, ary iza ireo olona “avy amin’ny firenena rehetra”? Rehefa noforana ny olona hafa firenena, dia noeritreretin’ireo Kristianina jiosy hoe toy ny Israelita rahalahiny ihany. (Eks. 12:48, 49) Manamarina izany ny Estera 8:17, ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo nosoratan’i Bagster. Voalaza ao hoe: “Maro ny olona hafa firenena noforana, ka lasa Jiosy.” Noho izany, “ny olona sisa” amin’ny Israely, dia ireo Jiosy sy olona hafa firenena voafora. Ny olona “avy amin’ny firenena rehetra”, dia ireo hafa firenena tsy voafora. Voalaza ao amin’ilay Asan’ny Apostoly fa ‘hiaraka’ izy ireo, ka ho lasa vahoaka iray hantsoina amin’ny anaran’Andriamanitra. Midika izany fa tsy voatery hoforana ny hafa firenena te ho lasa Kristianina.

8. Nahoana no nila herim-po ireo Kristianina nandray an’ilay fanapahan-kevitra?

8 “Nifanara-kevitra” ireo Kristianina nivory tao Jerosalema, noho ny fanampian’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanahy masina. (Asa. 15:25) Efa fantatr’izy ireo hoe vao mainka hisy hanenjika ny Kristianina jiosy, vokatr’ilay fanapahan-kevitra niorina tamin’ny Baiboly. Nanohana tanteraka an’ilay fanapahan-kevitra anefa ireo Kristianina tsy nivadika.—Asa. 16:4, 5.

VAO MAINKA HITA NY TSY FITOVIANA

9. Ahoana no nidiran’ny fampianaran-diso teo anivon’ny fiangonana? Inona no fampianarana iray naolan’ny olona vokatr’izany?

9 Nilaza ny apostoly Paoly hoe hisy fampianaran-diso ho tafiditra eo anivon’ny fivavahana marina, rehefa maty ireo apostoly. (Vakio ny 2 Tesalonianina 2:3, 7.) Nilaza izy fa na dia ny mpiandraikitra sasany eo anivon’ny fiangonana aza, tsy hahazaka “ny fampianarana mahasoa.” (2 Tim. 4:3) Nampitandrina an’ireo anti-panahy tamin’ny androny izy hoe: “Avy aminareo ihany no hipoiran’ny olona manolana hevi-teny mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.” (Asa. 20:30) Nisy nanolana tokoa ny fahamarinana ara-baiboly. Milaza antony iray lehibe nahatonga izany Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (anglisy). Hoy izy io: ‘Nanomboka nampiasa ny filozofia grika ny Kristianina sasany nahay azy io, mba hanazavana ny zavatra inoan’ny Kristianina. Noeritreretin’izy ireo mantsy hoe hanampy an’ireo mpanompo sampy avara-pianarana mba ho lasa Kristianina izany. Faly erỳ izy ireo nampiseho ny fahaizany.’ Nampidiran’izy ireo hevitry ny mpanompo sampy, ohatra, ny fampianarana momba an’i Jesosy Kristy. Milaza ny Baiboly hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy, fa ireo Kristianina tia ny filozofia grika kosa nanizingizina hoe Andriamanitra izy.

10. Inona no tokony ho natao, mba hampilamina an’ilay adihevitra momba an’i Kristy?

10 Niadiana hevitra imbetsaka tamin’ny fivorian’ireo lohandohan’ny Eglizy hoe iza i Jesosy. Mora hita ny valin’izany, raha nikaroka tao amin’ny Soratra Masina izy ireo. Tsy nanisy lanjany ny Baiboly anefa ny ankamaroany. Efa nandray fanapahan-kevitra izy ireo talohan’ny nahatongavany tao, ary tsy laitra nakisoka tamin’izany. Zara raha nisy resaka momba ny Baiboly ny fanapahan-kevitra tamin’ireny fivoriana ireny.

11. Ahoana no niheveran’ny mpitondra fivavahana ny fampianaran’ireo Rain’ny Eglizy, ary inona no nahatonga izany?

11 Nahoana ireo mpitondra fivavahana no tsy nandalina tsara ny Soratra Masina? Nilaza ilay manam-pahaizana atao hoe Charles Freeman, fa efa nino izy ireo hoe i Jesosy no Andriamanitra, ary tsy te hiova hevitra intsony. Raha mandinika ny Baiboly izy ireo, dia “tsy ho vitany ny hanohitra an’ireo tenin’i Jesosy hoe ambany noho ny Ray izy.” Ny fampianaran’ny Eglizy sy ny hevitr’olombelona àry no lasa zava-dehibe tamin’ireo mpitondra fivavahana fa tsy ny Filazantsara. Mbola mihevitra toy izany ny mpitondra fivavahana maro ankehitriny, ka ny asa soratr’ireo lazaina fa Rain’ny Eglizy no lasa zava-dehibe aminy noho ny Tenin’Andriamanitra. Voamarikao angamba izany, raha efa niresaka momba ny Andriamanitra telo izay iray, tamin’ny olona nianatra teolojia ianao.

12. Nanao ahoana ny fahefan’ny mpanjaka romanina teo amin’ny Eglizy?

12 Nisy vokany be teo amin’ny fivorian’ireo lohandohan’ny Eglizy ny tenin’ny mpanjaka romanina. Hoy ny manam-pahaizana atao hoe Richard Rubenstein: ‘Nahazo sitraka tamin’i Constantin, mpanjaka romanina, ireo eveka, sady nataony nanan-karem-be. Tao anatin’ny herintaona latsaka, dia naveriny tamin’izy ireo ny fiangonany rehetra, ny asany, ary ny anaram-boninahitra nesorina taminy. Nomeny tombontsoa mitovy amin’ny an’ireo pretra mpanompo sampy, ireo mpitondra fivavahana kristianina.’ Vokatr’izany, dia ‘tena to teny teo amin’ireo lohandohan’ny Eglizy nivory tao Nicée i Constantin, ary izy mihitsy aza angamba no nibaiko izay fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo.’ Hoy koa i Charles Freeman: “Afaka nanome fahefana bebe kokoa ho an’ny Eglizy ny mpanjaka taorian’izay, sady afaka nanova ny foto-pampianarany.”—Vakio ny Jakoba 4:4.

13. Nahoana ireo mpitondra fivavahana no tsy niraharaha an’ireo fampianarana mazava tsara ao amin’ny Baiboly?

13 Tsy mba sahirana toa an’ireo mpitondra fivavahana ny olon-tsotra. Fantatr’izy ireo tsara hoe iza i Jesosy Kristy. Tsy nitady volamena tamin’ny mpanjaka, na toerana ambony tao amin’ny Eglizy mantsy izy ireo, ka vonona hino izay lazain’ny Soratra Masina. Nanambany azy ireny ilay mpitondra fivavahana atao hoe Grégoire avy any Nysse. Sady naneso izy no nilaza fa na dia ny mpivarotra akanjo sy mpanakalo vola ary mpivarotra enta-madinika aza mahay resaka fivavahana. Tsy faly izy satria maro tamin’izy ireny no nahavita nanazava avy tao amin’ny Baiboly hoe tsy mitovy ny Ray sy ny Zanaka, fa ambany kokoa ny Zanaka ary noforonina. Maro tokoa ny olon-tsotra nampiasa ny Tenin’Andriamanitra mba hanaporofoana ny zavatra inoany, fa tsy toa an’ireo mpitondra fivavahana. Tokony ho nihaino azy ireo i Grégoire sy ireo mpitondra fivavahana hafa.

MIARA-MANIRY NY “VARY” SY NY “TSIMPARIFARY”

14. Nahoana isika no milaza fa nisy Kristianina voahosotra foana, nanomboka tamin’ny taonjato voalohany?

14 Hitantsika ao amin’ny fanoharana iray nataon’i Jesosy fa nanomboka tamin’ny taonjato voalohany, dia nisy foana ny tena Kristianina voahosotra. Nampitahainy tamin’ny “vary” niara-naniry tamin’ny “tsimparifary” ny voahosotra. (Mat. 13:30) Tsy afaka milaza isika hoe iza no olona anisan’ny voahosotra rehefa maty ny apostoly. Afaka milaza kosa isika hoe nisy foana ireo olona be herim-po niaro ny Tenin’Andriamanitra, ary sahy nampibaribary an’ireo fampianaran-diso naelin’ny Eglizy. Hiresaka momba ny sasany amin’izy ireny isika.

15, 16. Milazà olona sasany tena tia ny Tenin’Andriamanitra.

15 Niaina tamin’ny taona 779 ka hatramin’ny 840 ny Arseveka Agobard avy any Lyon, any Frantsa. Nilaza izy fa tsy mety ny mivavaka amin’ny sampy, sy manaraka an’ireo fombafomba tsy ara-baiboly fanao mandritra ny fotoam-pivavahana. Nilaza koa izy fa tsy mety ny hoe tokanana ho an’ny olo-masina ny eglizy. Niaina tamin’izany andro izany koa ny Eveka Claudius. Nanda ny fampianaran’ny Eglizy izy, ary nilaza fa tsy mety ny mivavaka amin’ny olo-masina sy mankamasina ny taolam-patin’izy ireny. Teo koa ny Arsidiakra Bérenger avy any Tours, any Frantsa, niaina tamin’ny taonjato faha-11. Noroahin’ny Eglizy izy, satria tsy nanaiky an’ilay fampianarana hoe miova ho vatana sy ran’i Kristy ny mofo sy ny divay, hohanina mandritra ny Lamesa. Nino i Bérenger fa ambony noho ny fampianaran’ny Eglizy ny fampianaran’ny Baiboly.

16 Tena tia ny fahamarinana koa i Pierre avy any Bruys sy Henri avy any Lausanne, izay niaina tamin’ny taonjato faha-12. Niala tsy ho pretra i Pierre, satria hitany hoe tsy mifanaraka amin’ny Baiboly ny fanaovana batisa zazakely, ny mivavaka ho an’ny maty, ny mivavaka amin’ny lakroa, ary ny fampianarana hoe miova ho vatana sy ran’i Kristy ny mofo sy ny divay. Nodorana ho faty i Pierre tamin’ny taona 1140. Moanina kosa i Henri avy any Lausanne. Nasehony hoe ratsy fitondran-tena ny olona sasany eo anivon’ny Eglizy, ary tsy araka ny Baiboly ireo fombafomba fanao mandritra ny fotoam-pivavahana. Nosamborina izy tamin’ny taona 1148, ary nigadra mandra-pahafatiny.

17. Inona no asa lehibe nataon’i Valdès sy ny mpanara-dia azy?

17 Novonoina i Pierre avy any Bruys tamin’ny taona 1140, satria sahy nanakiana ny Eglizy. Teraka anefa tamin’izay ny lehilahy iray nanampy tamin’ny fielezan’ny fahamarinana. Antsoina hoe Valdès na Valdo izy io. * Olon-tsotra i Valdès fa tsy mpitondra fivavahana, nefa tena tia ny Tenin’Andriamanitra. Nafoiny ny fananany, ary nataony izay handikana ny Baiboly ho amin’ny fitenin’ny sarambabem-bahoaka, tany amin’ny faritra atsimon’i Frantsa. Faly be ny olona sasany rehefa namaky ny Baiboly tamin’ny fiteniny, ka nahafoy ny fananany koa izy ireo ary nanokana ny fiainany mba hitoriana ny fahamarinana. Nanjary nantsoina hoe Vaudois izy ireo. Tsy faly tamin’izany rehetra izany anefa ny mpitondra fivavahana. Nesorin’ny papa tsy ho anisan’ny Eglizy ireo lehilahy sy vehivavy be zotom-po ireo tamin’ny 1184, ary noroahin’ny eveka tao amin’ny tranony. Vao mainka anefa izany nampiely ny fahamarinana. Nanjary nisy mpanara-dia an’i Valdès sy Pierre ary Henri tany amin’ny faritra maro nanerana an’i Eoropa, ary nisy olon-kafa niala tamin’ny Eglizy koa tany amin’ireny toerana ireny. Nisy olon-kafa niaro ny fahamarinana koa tatỳ aoriana. Anisan’izany i John Wycliffe (1330 tany ho any ka hatramin’ny 1384), William Tyndale (1494 tany ho any ka hatramin’ny 1536), Henry Grew (1781-1862), ary George Storrs (1796-1879).

‘TSY VOAFATOTRA NY TENIN’ANDRIAMANITRA’

18. Ahoana no nataon’ny olona tso-po sasany, rehefa nianatra ny Baiboly izy ireo? Nahoana no mety ny nataon’izy ireo?

18 Tsy nahasakana ny fielezan’ny fahamarinana ireo fahavalo, na dia niezaka mafy aza. ‘Tsy voafatotra ny tenin’Andriamanitra’, hoy ny 2 Timoty 2:9. Nisy antokon’olona tso-po niara-nianatra Baiboly, nanomboka nikaroka ny fahamarinana, tamin’ny 1870. Toy izao no fomba fianaran’izy ireo: Misy anankiray mametraka fanontaniana. Iarahan’izy ireo midinika ilay fanontaniana avy eo, ary jereny daholo ny andinin-teny mifandray amin’ilay izy. Rehefa fantany ny ifandraisan’ireo andinin-teny ireo, dia manatsoaka hevitra izy ireo, ary soratany ilay fanatsoahan-kevitra. Ireo olona tsy mivadika ireo no niandohan’ny tantarantsika. Tsy mampahery anao ve ny mahalala fa nanahaka an’ireo apostoly sy anti-panahy tamin’ny taonjato voalohany izy ireo, ka tapa-kevitra ny hampifanaraka ny zavatra inoany amin’ny Tenin’Andriamanitra?

19. Inona no andinin-teny ho an’ny taona 2012, ary nahoana izy io no mety tsara?

19 Mbola mifototra amin’ny Baiboly ny zavatra inoantsika ankehitriny. Izany no nahatonga ny Filan-kevi-pitantanana hifidy an’ireto tenin’i Jesosy ireto, ho andinin-teny ho an’ny taona 2012: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17) Tsy maintsy mandeha araka ny fahamarinana ny olona rehetra te hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Enga anie àry isika hanaraka ny tari-dalana ao amin’ny Teniny!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Nantsoina hoe Pierre Valdès na Valdo izy. Tsy tena azo antoka raha marina ilay hoe Pierre.

[Fanontaniana]

[Teny notsongaina, pejy 8]

Andinin-teny ho an’ny taona 2012: “Ny teninao no fahamarinana.”—Jaona 17:17

[Sary, pejy 7]

Valdo

[Sary, pejy 7]

Wycliffe

[Sary, pejy 7]

Tyndale

[Sary, pejy 7]

Grew

[Sary, pejy 7]

Storrs