Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andriamanitra Fitiavana i Jehovah

Andriamanitra Fitiavana i Jehovah

“Andriamanitra dia fitiavana.”—1 JAONA 4:8, 16.

HIRA: 18, 91

1. Inona no toetran’Andriamanitra miavaka indrindra, ary inona no tsapanao rehefa mahalala an’izany?

HOY ny Baiboly: “Andriamanitra dia fitiavana.” Tsy hoe iray amin’ireo toetra faran’izay tsara ananany fotsiny ny fitiavana, fa izy mihitsy no fitiavana. (1 Jaona 4:8) Io no toetrany miavaka indrindra sy lehibe indrindra. Tena faly isika mahalala hoe Andriamanitra fitiavana ilay namorona an’izao rehetra izao sy ny zavamananaina rehetra. Ny fitiavana foana no mandrisika azy hanao zavatra.

2. Inona no atokisantsika, noho i Jehovah tia antsika? (Jereo ny sary eo am-piandohan’ny lahatsoratra.)

2 Tsara fanahy Andriamanitra sady tena tia ny zavaboariny. Matoky àry isika fa ho tanteraka an-tsakany sy an-davany daholo ny fikasany momba ny olombelona. Amin’izay vao tena ho sambatra ireo rehetra mankatò azy. Tia antsika, ohatra, i Jehovah ka “nanondro andro iray izay kasainy hitsarana ny tany onenana, eny, hitsarany azy araka ny marina amin’ny alalan’ny lehilahy iray voatendriny”, dia i Jesosy Kristy. (Asa. 17:31) Azo antoka fa ho tanteraka izany. Ho tena sambatra mandrakizay avy eo izay olona manana toe-po tsara sy mankatò an’Andriamanitra.

INONA NO NOPOROFOIN’NY TANTARA?

3. Araka ny hevitrao, hanao ahoana ny fiainana raha tsy tia antsika Andriamanitra?

3 Hanao ahoana ny fiainantsika raha tsy tia antsika Andriamanitra? Diniho fotsiny ny tantara. Nanjaka foana ny faharatsiana satria olombelona no nitondra. I Satana Devoly koa no andriamanitr’ity tontolo ity, ary mafy fo sy ratsy fanahy izy. (2 Kor. 4:4; 1 Jaona 5:19; vakio ny Apokalypsy 12:9, 12.) Vao mainka àry hahatsiravina ny fiainana amin’ny hoavy raha tsy tia antsika Andriamanitra.

4. Nahoana no navelan’i Jehovah hisy hanohitra ny fitondrany?

4 Nikomy tamin’Andriamanitra ny Devoly ary notarihiny hikomy koa ny mpivady voalohany. Nolazainy fa tsy manan-jo hitondra Andriamanitra sady tsy mahay mitondra an’izao rehetra izao. Nilaza an-kolaka i Satana fa izy no mahay mitondra kokoa. (Gen. 3:1-5) Navelan’i Jehovah hanaporofo ny teniny i Satana. Tsy haharitra ela anefa ny fotoana azon’i Satana anaovana an’izany. Tena manam-pahendrena i Jehovah ka namela fotoana ampy tsara, mba hampiharihariana hoe izy irery no tena mahay mitondra. Nijaly be foana ny olombelona ka voaporofo fa samy tsy mahay mitondra na i Satana na ny olombelona.

5. Inona no voaporofo rehefa jerena ny tantara?

5 Tato anatin’ny 100 taona monja, ohatra, dia zato tapitrisa mahery no maty an’ady. Vao mainka izao miharatsy ny toe-draharaha eran-tany. Efa nilaza ny Baiboly hoe hitranga izany. Voalaza ao fa “vao mainka hiharatsy kokoa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka” amin’ny “andro farany.” (2 Tim. 3:1, 13) Tena hita fa marina ilay voalazan’ny Baiboly hoe: “Jehovah ô, fantatro tsara fa tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany. Tsy natao hitondra samirery ny fiainany koa ny olona.” (Jer. 10:23) Tsy nataon’i Jehovah hitantana samirery ny fiainantsika tokoa isika sady tsy manan-jo hanao izany.

6. Nahoana no mbola avelan’Andriamanitra hisy ny faharatsiana?

6 Inona koa no antony amelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy? Tiany hoporofoina tsara fa izy irery no mahay mitondra, ary porofo azony ampiasaina mandrakizay no tadiaviny. Raha mbola misy manohitra ny fitondrany, ohatra, rehefa avy manala ny faharatsiana sy ny ratsy fanahy izy, dia manan-jo handringana an’ilay mpikomy avy hatrany izy fa tsy mila porofo intsony. Efa porofo ampy tsara ny zava-nitranga teo amin’ny tantara. Hanjaka indray mantsy ny faharatsiana raha mbola avela hanaporofo ny heviny ilay mpikomy.

EFA NOPOROFOINY FA TIA ANTSIKA IZY

7, 8. Inona avy no manaporofo fa tena tia antsika i Jehovah?

7 Maro ny porofo fa tena tia antsika i Jehovah. Diniho, ohatra, izao rehetra izao. An’aliny tapitrisa ny vahindanitra, ary ahitana kintana sy planeta an’arivony tapitrisa ao amin’ny vahindanitra tsirairay. Kintana iray ao amin’ny vahindanitra misy antsika ny masoandro, ary tsy ho velona ireo zavamananaina maro be eto an-tany raha tsy teo izy io. Porofoin’ireny zavaboary rehetra ireny fa i Jehovah no Mpamorona. Hita amin’izy ireny koa ny toetrany, anisan’izany ny heriny sy ny fahendreny ary ny fitiavany. ‘Hita mazava amin’ny zavatra nataony hatramin’ny namoronana izao tontolo izao’ tokoa “ny toetrany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy.”—Rom. 1:20.

8 Nataon’i Jehovah hahasoa ny zavaboariny eto an-tany ny zava-drehetra noforoniny. Nanao zaridaina tsara tarehy ho an’ny olombelona izy, ary nataony lavorary sy afaka miaina mandrakizay izy ireo. (Vakio ny Apokalypsy 4:11.) Izy koa no “manome sakafo ho an’ny nofo rehetra: Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.”—Sal. 136:25.

9. Inona no halan’i Jehovah na dia Andriamanitra fitiavana aza izy?

9 Andriamanitra fitiavana i Jehovah nefa mankahala ny ratsy koa izy. Hoy, ohatra, ny Salamo 5:4-6: “Tsy mba Andriamanitra finaritra amin’ny faharatsiana ianao. ... Halanao ny mpanao ratsy rehetra.” Voalaza ao koa fa “halan’i Jehovah ny mpandatsa-dra sy ny mpamitaka.”

KELY SISA DIA TSY HISY NY FAHARATSIANA

10, 11. a) Hataon’i Jehovah ahoana ny ratsy fanahy? b) Inona no valisoa homen’i Jehovah ny olona mankatò azy?

10 Mikasa hanala ny faharatsiana eto an-tany sy eran’izao rehetra izao Andriamanitra, rehefa voaporofony tsara hoe izy ihany no mahay mitondra. Andriamanitra fitiavana mantsy izy ary mankahala ny faharatsiana. Mampanantena ny Baiboly hoe: “Ny mpanao ratsy horinganina, fa izay manantena an’i Jehovah no handova ny tany. Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy. ... Ny fahavalon’i Jehovah dia ho tahaka ny hakanton’ny kijana, izay tsy maintsy ho levona. Eny, ho levona ireny ka ho lasa setroka.”—Sal. 37:9, 10, 20.

11 Mampanantena koa ny Baiboly hoe: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.” (Sal. 37:29) “Tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be” izy ireo. (Sal. 37:11) Ho tanteraka izany satria manao zavatra mba hahasoa ny mpanompony tsy mivadika foana ilay Andriamanitra be fitiavana. Hoy ny Baiboly: “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.” (Apok. 21:4) Hoavy sambatra tokoa no miandry anao raha mankatò sy manaiky an’i Jehovah ho mpitondra ianao, sady faly satria tia anao izy.

12. Iza no antsoina hoe “tsy manan-tsiny”?

12 Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Diniho ny tsy manan-tsiny, ary jereo ny olo-mahitsy, fa fiadanana no miandry azy amin’ny hoavy. Ho ripaka daholo kosa ny mpandika lalàna, ary fandringanana no miandry ny ratsy fanahy, amin’ny hoavy.” (Sal. 37:37, 38) Izay olona mahafantatra an’i Jehovah sy ny Zanany ary manao ny sitrapon’Andriamanitra no atao hoe “tsy manan-tsiny.” (Vakio ny Jaona 17:3.) Mino ny olona toy izany fa “mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” (1 Jaona 2:17) Tena mila ‘manantena an’i Jehovah sy manaraka ny lalany’ isika, satria efa horavana ity tontolo ity.—Sal. 37:34.

INONA NO TENA MANAPOROFO FA TIA ANTSIKA IZY?

13. Inona no nataon’i Jehovah ho antsika mpanota, ka ahitana fa tena tia antsika izy?

13 Afaka ‘manaraka ny lalan’i Jehovah’ isika na dia tsy lavorary aza. Afaka mifandray akaiky aminy koa isika satria tena tia antsika izy, ka nanome an’i Jesosy Kristy ho sorom-panavotana. Azo afahana amin’ny ota sy ny fahafatesana nolovana tamin’i Adama ny olombelona mankatò azy, vokatr’izany. (Vakio ny Romanina 5:12; 6:23.) Tena natoky an’ilay Zanany Lahitokana i Jehovah, satria tsy nivadika taminy mihitsy izy io tany an-danitra. Azo inoana fa ory ilay Andriamanitra be fitiavana rehefa nahita ny Zanany nampijalijalin’ny olona tetỳ an-tany. Nanohana ny zon’i Jehovah hitondra foana anefa i Jesosy, ary nasehony fa mahavita tsy mivadika amin’i Jehovah ny olona lavorary, na dia tena mafy aza ny manjo azy.

Be fitiavana Andriamanitra ka naniraka ny Zanany ho etỳ an-tany (Fehintsoratra 13)

14, 15. Inona no soa raisintsika olombelona noho i Jesosy maty ho antsika?

14 Tsy nivadika mandra-pahafatiny tokoa i Jesosy sady nanohana ny zon’i Jehovah hitondra, na dia niharam-pitsapana faran’izay mafy aza. Nanaiky ho faty koa izy mba hanavotana ny olombelona, ka afaka miaina mandrakizay ao amin’ilay tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra izy ireo. Tena tokony hankasitraka an’izay nataony isika. Nasongadin’ny apostoly Paoly fa tena tia antsika i Jehovah sy Jesosy, ka hoy izy: “Fony isika mbola nalemy, dia maty ho an’ny ratsy fanahy i Kristy, tamin’ny fotoana voatondro. Mahalana vao misy manaiky ho faty ho an’ny olo-marina, fa angamba mety hisy ihany ho sahy ho faty ho an’ny olona tsara fanahy. Andriamanitra kosa anefa naneho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty ho antsika i Kristy.” (Rom. 5:6-8) Hoy koa ny apostoly Jaona: “Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra tamintsika: Nirahiny ho amin’izao tontolo izao ny Zanany lahitokana mba hahazoantsika fiainana amin’ny alalany. Ary izany fitiavana izany dia tsy ny nitiavantsika an’Andriamanitra, fa ny nitiavany antsika ka nanirahany ny Zanany ho sorona fampihavanana noho ny fahotantsika.”—1 Jaona 4:9, 10.

15 Hoy i Jesosy momba ny fitiavan’Andriamanitra: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao [ny olombelona azo avotana], ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Tena tian’Andriamanitra isika ka nomeny ho vidim-panavotana ho antsika ny Zanany, na dia mafy taminy aza izany. Ho tia antsika mandrakizay izy. Matokia fa tsy hiova mihitsy izy. Hoy i Paoly: “Matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na fitondram-panjakana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na zavaboary hafa, dia tsy hisy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra, izay aseho amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika.”—Rom. 8:38, 39.

EFA MITONDRA ILAY FANJAKANA

16. Inona no natsangan’i Jehovah noho ny fitiavany antsika, ary iza no nanankinany azy io?

16 Nanangana ny Fanjakan’ny Mesia Andriamanitra, noho ny fitiavany ny olombelona. Nankininy tamin’ny Zanany io Fanjakana io. Tia antsika olombelona i Jesosy sady tena mahay mitondra. (Ohab. 8:31) Hisy olona 144 000 hiara-manjaka aminy any an-danitra. Efa olombelona teto an-tany izy ireo, ka hahatakatra tsara an’izay mahazo antsika. (Apok. 14:1) Ilay Fanjakana no tena notorin’i Jesosy tetỳ an-tany, ary nampianariny hivavaka ny mpianany hoe: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Mat. 6:9, 10) Hahazo fitahiana be dia be ireo mankatò an’i Jehovah rehefa tanteraka izany.

17. Inona no tsy mampitovy ny fitondran’i Jesosy sy ny fitondran’olombelona?

17 Tena tsy mitovy ny fitondran’i Jesosy sy ny fitondran’olombelona. Be fitiavana i Jesosy, fa ny mpitondra olombelona kosa mahatonga ny olona hiady, ka an-tapitrisany maro no maty. Tena mikarakara ny vahoakany i Jesosy ary manahaka ny toetran’Andriamanitra, indrindra fa ny fitiavana. (Apok. 7:10, 16, 17) Hoy i Jesosy: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho. Ento ny ziogako ka mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena aho, dia ho velombelona ianareo. Fa mora entina ny ziogako, ary maivana ny entako.” (Mat. 11:28-30) Mampahery tokoa izany!

18. a) Inona no efa nataon’ny Fanjakan’Andriamanitra nanomboka tamin’ny nananganana azy io? b) Inona no hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Tamin’ny 1914 no natsangana tany an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra, rehefa jerena ny faminanian’ny Baiboly. Tamin’io koa no nanomboka ny fanatrehan’i Kristy. Mbola nisy olona hiara-manjaka amin’i Jesosy nangonina, taorian’izay. Nangonina koa ny “vahoaka be.” Izy ireo no ho tafavoaka velona amin’ny faran’ity tontolo ity ka hiaina ao amin’ny tontolo vaovao. (Apok. 7:9, 13, 14) Firy izao ny vahoaka be? Inona no takina amin’izy ireo? Hovaliana ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.