FANTARO NY TANTARANTSIKA
“Aza Avela Hisy na Inona na Inona Hanakana Anareo”
TAONA 1931 tamin’izay ary lohataona ny andro. Nisy taxi maromaro nanatitra olona niakanjo mihaja be, tao amin’ny Trano Pleyel, toerana fanaovana fampisehoana ao Paris. Olona avy any amin’ny firenena 23 no nisomebiseby teo amin’ny fidirana. Efa ho 3 000 no tonga ka tsy ela dia feno hipoka ilay efitrano lehibe tao. Tsy hijery fampisehoana izy ireo fa hihaino an’i Joseph Rutherford. Izy no nitarika ny asa fitoriana tamin’izany. Nampientanentana ny lahateniny, ary nadika ho amin’ny teny alemà sy frantsay ary poloney. Nidoboka be ny feony ka re eran’ny trano.
Nandroso be ny asa fitoriana tany Frantsa, taorian’io fivoriambe tao Paris io. Nampirisihin’ny Rahalahy Rutherford hanao mpisava lalana tany Frantsa ny mpanatrika avy any an-tany hafa, indrindra ny tanora. Hoy izy: “Ry tanora! Aza avela hisy na inona na inona hanakana anareo tsy hanao mpisava lalana mihitsy, etỳ ambanin’ny masoandro!” * Tsy nanadino an’io fampirisihana io mihitsy i John Cooke, ankizilahy avy any Angletera.
Nifindra tany Frantsa izy, ary lasa misionera tatỳ aoriana. Maro koa no namaly an’ilay antso, toy ny nataon’i Paoly tamin’izy niangaviana ho any Makedonia. (Asa. 16:9, 10) Herintaona dia nitombo be ny mpisava lalana tany Frantsa. Lasa 104 izany tamin’ny 1931 nefa 27 tamin’ny 1930. Tsy nahay teny frantsay anefa ny ankamaroany. Tsy dia nanam-bola koa izy ireo sady nanirery. Inona àry no nataony?
TSY NAHAY TENY FRANTSAY
Karatra fitoriana no nampiasain’ny mpisava lalana vahiny mba hitoriana momba ilay Fanjakana. Nazoto nitory tao Paris ny rahalahy iray niteny alemà. Hoy izy: “Fantatray fa mahery ilay Andriamanitray. Marina fa nidobodoboka be ny fonay. Tsy hoe natahotra olona anefa izahay, fa natahotra sao tsy ho tadidinay ilay hoe: ‘Voulez-vous lire cette carte, s’il vous plaît? [Mba azonao vakina ve ity karatra ity?]’ Hitanay mantsy fa tena zava-dehibe ny asanay.”
Matetika no noroahin’ny mpiambina ireo mpisava lalana rehefa nitory tamin’ny tranobe. Nasiaka be tamin’ny anabavy anglisy roa, ohatra, ny mpiambina iray. Zara raha nahay teny frantsay izy roa, nefa nanontaniany hoe iza no notadiaviny. Nahatazana soratra kely mangirana teo am-baravarana ilay anabavy iray, raha mbola niezaka nampitony an’ilay mpiambina. Izao ilay izy: “Tournez le bouton [Ampanenoy ny sonnerie].” Nihevitra ilay anabavy fa io no anaran’ny tompon-trano, ka nitsikitsiky izy ary niteny hoe: “Ramatoa ‘Tournez le bouton’ no tadiavinay.” Tena nanampy an’ireo mpitory nafana fo ireo io zavatra nampihomehy io.
TSY KIVY NA DIA TSY NANAM-BOLA SY NANIRERY AZA
Mafy ny fiainan’ny ankamaroan’ny olona tany Frantsa taorian’ny 1930, ary niaritra an’izany koa ny mpisava lalana avy any an-tany hafa. Niresaka ny zavatra niainan’izy sy ilay mpisava lalana namany i Mona Brzoska, anabavy miteny anglisy. Hoy izy: “Tsotra be ny tranonay. Anisan’ny tena nampijaly anay ny hatsiaka rehefa ririnina. Tsy maintsy niaritra hatsiaka izahay matetika. Nivaingana, ohatra, ny rano tao anaty zinga, ka tsy maintsy novakina ilay gilasy teo amboniny, izay vao afaka nisasa izahay rehefa maraina.” Nahakivy an’ireny mpisava lalana ireny ve izany? Tsia. Hoy ny iray taminy: “Tsy nanana na inona na inona izahay, nefa tsy ory na inona na inona.” (Mat. 6:33) Nahalaza tsara ny zavatra tsapan’izy rehetra izany.
Nahatsiaro ho manirery koa ireny mpisava lalana be herim-po ireny. Mbola latsaky ny 700 mantsy ny mpitory tany Frantsa taoriana kelin’ny 1930, ary niparitaka eran’ilay tany ny ankamaroany. Inona àry no nanampy an’ireo mpisava lalana ho falifaly foana? Nahatsiaro ho manirery, ohatra, i Mona sy ilay namany. Hoy i Mona: ‘Niezaka nianatra tsy tapaka ny bokin’ny Fikambanana izahay. Nanam-potoana koa izahay rehefa hariva ka nanoratra tany amin’ny havanay, ary indrindra tany amin’ny mpisava lalana hafa. Mbola tsy nanao fiverenana mitsidika na nampianatra Baiboly mantsy isika tamin’izany. Afaka nifampahery sy nifampitantara ny zavatra hitanay àry izahay mpisava lalana.’—1 Tes. 5:11.
Falifaly foana ireny mpisava lalana nahafoy tena ireny, na dia nisy olana aza. Manaporofo an’izany ny taratasy nalefan’izy ireo tany amin’ny biraon’ny sampana, taona maro taorian’ny nanompoany tany Frantsa. Efa nitety an’i Frantsa niaraka tamin’ny vadiny, ohatra, i Annie Cregeen, tamin’ny 1931 ka hatramin’ny 1935. Hoy io anabavy voahosotra io: ‘Nahafinaritra be ny fiainanay sady be atao foana izahay. Niara-nanao zavatra foana ny mpisava lalana. Nilaza ny apostoly Paoly hoe: “Izaho namboly, i Apolosy nanondraka, fa Andriamanitra kosa no tsy nitsahatra nampitombo.” Faly erỳ àry izahay fa afaka nanampy tany Frantsa, taona maro lasa izay.’—1 Kor. 3:6.
Niaritra sy be zotom-po ireny mpisava lalana voalohandohany ireny, ka modely ho an’izay te hampitombo ny fanompoany. Misy mpisava lalana maharitra 14 000 eo ho eo izao any Frantsa. Any amin’ny antoko-mpitory na fiangonana miteny vahiny ny maro aminy. * Toa an’ireo mpisava lalana teo alohany ihany izy ireo. Tsy misy na inona na inona avelany hisakana azy etỳ ambanin’ny masoandro.—Avy any amin’ny tahirintsika any Frantsa.
^ feh. 4 Nisy mpitory avy any Polonina nifindra tany Frantsa. Miresaka an’izany ilay lahatsoratra hoe “I Jehovah no Namindra Anareo Teto Frantsa mba Hianatra ny Fahamarinana”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra 2015.
^ feh. 13 Niandraikitra fiangonana sy antoko-mpitory miteny vahiny 900 mahery ny sampan’i Frantsa, tamin’ny 2014. Nampiasa fiteny 70 ireo fiangonana sy antoko-mpitory ireo.