Fantatrao Ve?
Fantatrao Ve?
Nahoana no niparitaka be ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy?
Nilaza tamin’ireo nihaino azy i Jesosy fa tsy afaka hankany amin’izay halehany izy ireo. Nifanontany àry ny Jiosy hoe: ‘Mikasa ho aiza àry izy io? Ary sao dia mikasa hankany amin’ny Jiosy miely patrana any amin’ny Grika àry izy?’ (Jaona 7:32-36) Taoriana kelin’izay, dia nitory ny vaovao tsara tamin’ny Jiosy tany amin’ny faritr’i Mediterane ireo misionera kristianina.—Asan’ny Apostoly 2:5-11; 9:2; 13:5, 13, 14; 14:1; 16:1-3; 17:1; 18:12, 19; 28:16, 17.
Nanomboka niparitaka ny Jiosy satria nanao sesitany azy ireo ny firenena nandresy azy. Ny Asyrianina aloha no nanao izany tamin’ny 740 T.K., ary avy eo ny Babylonianina tamin’ny 607 T.K. Vitsy anefa no niverina tany Israely, taorian’izay. (Isaia 10:21, 22) Ny sisa kosa nijanona tany amin’izay nisy azy.
Izany no nampisy Jiosy tany amin’ireo faritany 127 an’ny Fanjakana Persianina, tamin’ny taonjato fahadimy T.K. (Estera 1:1; 3:8) Niezaka nitaona ny olona hanaraka ny fivavahany izy ireo, ka maro no lasa nahafantatra kely momba an’i Jehovah sy ny Lalàna nomeny ny Jiosy. (Matio 23:15) Tonga tany Jerosalema mba hankalaza ny Pentekosta ireo Jiosy avy tany amin’ny tany maro, tamin’ny taona 33. Tamin’izay izy ireo no nandre ny vaovao tsara momba an’i Jesosy. Anisan’ny nampiely haingana ny Fivavahana Kristianina àry ny fisian’ny Jiosy nanerana ny Fanjakana Romanina.
Betsaka tokoa ve ny volamenan’i Solomona Mpanjaka?
Milaza ny Soratra Masina fa nampanatitra volamena efatra taonina tany amin’i Solomona i Hirama, mpanjakan’i Tyro. Nanome volamena nitovy lanja tamin’izany koa ny mpanjakavavin’i Sheba. Ireo sambon’i Solomona kosa dia naka volamena 15 taonina tany Ofira. Hoy ihany ny Baiboly: “Ny lanjan’ny volamena tonga tany amin’i Solomona tao anatin’ny herintaona dia talenta volamena enina amby enimpolo sy eninjato”, na 25 taonina mahery. (1 Mpanjaka 9:14, 28; 10:10, 14) Mitombina ve izany? Betsaka tokoa ve ny volamenan’ireo mpanjaka fahiny?
Misy soratra tranainy iray eken’ny manam-pahaizana fa marina. Milaza izy io fa nanome volamena 13,5 taonina teo ho eo ho an’ny tempolin’i Amôn-Râ, ao Karnak, i Thoutmosis III, Faraon’i Ejipta (Tokony ho 3 500 taona lasa izay). Tamin’ny taonjato fahavalo T.K., dia nahazo volamena efatra taonina mahery, izay hetra avy tany Tyro, i Tiglato-pilesera III mpanjakan’i Asyria. Nanome volamena nitovy lanja tamin’izany ho an’ireo andriamanitra babylonianina i Sargona II. I Philippe II mpanjakan’i Makedonia indray (359-336 T.K.), dia voalaza fa nahazo volamena 28 taonina mahery isan-taona, avy tamin’ireo toeram-pitrandrahan’i Pangée any Thrace.
Resin’i Aleksandra Lehibe zanak’i Philippe (336-323 T.K.) ny tanànan’i Sosa, any Persa. Voalaza fa nahazo volamena 1 180 taonina teo ho eo izy tao, ary volamena efa ho 7 000 taonina no voangony nanerana an’i Persa. Tsy manitatra àry ny Baiboly rehefa milaza ny habetsahan’ny volamenan’i Solomona Mpanjaka.